Miady Hevitra Momba Ny Hoavin'ny Fikatrohana Nomerika Ireo Mpisera Mozambikana

"Heróis Digitais" uma iniciativa da Deutsche Welle - África. Foto: Alexandre Nhampossa/GV

“Maherifo Nomerika” fandraisana andraikitry ny  Deutsche Welle – Áfrika. Sary: Alexandre Nhampossa/GV

Nivory tao Maputo tamin'ny 10 desambra nandritra ny fihaonambe nokarakarain'ny Deutsche Welle – DW Afrika (mpiara-miasa amin'ny Global Voices mpiteny paortiogey) ireo mpanao gazety,  bilaogera sy ireo mpikatroka ara-tsosialy Mozambikana mba hizara hevitra sy hanasongadina ny hoavin'ny fikatrohana nomerika ao Mozambika.

Nahafahana nizara hevitra momba ny fampitam-baovao Mozambikana izay mifandray amin'ny fomba nentim-paharazana sy ny fomba maoderina amin'ny fampahafantarana ny vahoaka ihany koa ny hetsika izay nantsoina hoe “Ireo Maherifo Nomerika”, natao hampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo samy mpandray anjara ihany koa ity hetsika ity.

Hoy i Annelie Moreira Da Silva , tompon'andraikitra amin'ny fitsinjarana ny votoaty DW ho an'ny faritra Afrika, nandritra ny fanokafana ny hetsika:

ao promover este encontro a emissora reconhece a importância crescente do jornalismo cidadão e do ativismo online em Moçambique e pretende dar destaque aos indivíduos que estão se tornando um exemplo na media digital.

mba handrisihina ny fivoriana, manaiky ny tambajotra amin'ny maha zava-dehibe ny asa famoaham-baovaon'ny olom-pirenena tsy mitsaha-mitombo sy ny fikatrohana an-tserasera any Mozambika ary mikendry mba hanasongadinana ireo olona izay lasa fitaratra eo amin'ny sehatra nomerika.

Iray amin'ireo mpivory nasaina i Tomás Queface , lehiben'ny fifandraisana ao amin'ny sehatra Sekelekani sady mpandray anjara ao amin'ny Global Voices .Tao amin'ny lahateny nataony, niresaka momba ny maha zava-dehibe ny fampielezan'ny olom-pirenena ny vaovao i Queface :

Infelizmente os jornalistas não se encontram em toda a parte do Pais mas os cidadãos sim (…) logo, deve se dar uma especial atenção a essas pessoas potenciando-as de ferramentas necessárias para que sejam capazes de reportar fatos e os dar a conhecer ao mundo. Assim o público não fica refém dos jornalistas.

Indrisy anefa fa tsy mahasahana ny firenena iray manontolo ny mpanao gazety, raha izany kosa ny olom-pirenena, noho izany tokony hojerena manokana ireo olona ireo (…) amin'ny alàlan'ny fanomezana azy ireo fitaovana ilaina mba ahafahany mitatitra ny zava-misy sy hanome vaovao ho an'izao tontolo izao. Mba tsy ho takalon'ainan'ny mpanao gazety ny vahoaka.

Ho an'i Marcos Sinate, mpikatroka ara-tsosialy sady mpikambana ao amin'ny Sehatra Fanarahamason'ny Olom-pirenena kosa, nanaiky ny fomba fijerin'ny Queface izy ary nilaza ny heviny momba ny zava-tsarotra atrehan'ny famoaham-baovaon'olom-pirenena:

Devemos lembrar que existem pessoas de má fé que fazem circular falsas informações nas redes sociais com objetivo de desinformar. Com isso quero dizer que o nosso maior desafio no jornalismo cidadão é como proceder com a verificação dos relatos enviados

Mila tsiahivintsika fa misy ny olona izay manana fikasan-dratsy hanaparitaka vaovao diso any amin'ny tambajotra sosialy na hanomezana vaovao tsy marina. Izany no midika fa ny fahaizana manatanteraka sy manamarina ny tatitra azo no fanamby lehibe indrindra atrehintsika amin'ny asam-pmpitam-baovaon'olom-pirenena .

Nanao fandinihana ny adihevitra momba ny “dika petaka” mampiavaka ny bilaogera sasany sy ny mpanao gazety miasa amin'ny “aterineto” sasany ny mpandray anjara nasaina iray hafa, Lourena Drumond , mpanoratra ny bilaogy Ver e Sentir (Jereo ka Tsapao). Hoy i Drumond :

(…) copiar até que não é mau. O grande problema é copiar e não citar o autor do texto original. Temos que arranjar formas de combater esse crime.

(…) Adikao raha mbola mety. Olana lehibe ny mandika lahatsoratra nefa tsy mametraka ny anaran'ny mpanoratra ôrizinaly. Tsy maintsy mitady fomba hiadiana amin'ity heloka bevava ity isika.

Nalefa mivantana tao amin'ny pejy Facebook-n'ny DW-Afrika ny fifanakalozan-kevitra.  Nanana fahafahana hanome ny heviny ny mpanatrika rehetra. Toy izany i Mussa Chaleque, izay nilaza izao manaraka izao ho valin'ny lahatenin'i Lourena Drumond:

Algo desafiante é fazer do blogue um reflexo da nossa personalidade. É necessário que sejamos originais

Sarotra ny mametraka ny bilaogy ho taratry ny fijoroantsika. Mila manana ny mampiavaka antsika isika

Nanana fahafahana hanaraka ny hetsika ihany koa ny mpisera Twitter tamin'ny alalan'ny tenirohy #HeroisDigitais. Nanoratra i Filomena Mairosse hoe:

Manan-danja ny Teknolojian'ny serasera satria na dia ny olom-pirenena tsy manana traikefa aza dia manomboka manao tatitra amin'ny alàlan'ny findainy. #maherifonomerika

Nolazain'i António Sitoe ny antony manakana ny olona tsy hahazo vaovao  :

Mitarika ho amin'ny tsy fahazahoam-baovao ny lafiny ara-bola #maherifonomerika

Notsiahivin'i Edgar Barroso ,mpikatroka ara-tsosialy sady maodelin'ny hevi-bahoaka, ihany koa ny tsy fahampiana ara-bola  , ary nametraka ity fanontaniana mila fandinihana manaraka ity izy:

Até que ponto estamos diante de heróis digitais se todos que estão aqui nasceram no meio de plataformas online? Heróis digitais não seriam aqueles que mesmo estando nas zonas rurais onde há falta de energia elétrica, Internet e telefone de qualidade fazem seus esforços para informar o público?

Hatraiza no ilazantsika ny maherifo nomerika raha teraka eo antenantenan'ny sehatra an-tserasera avokoa ny rehetra ? Moa ve ireo manao ezaka amin'ny fampahafantarana ny besinimaro ny vaovao dia azo lazaina ho maherifo nomerika  na dia any ambanivohitra  tsy misy herinaratra, Aterineto sy telefaonina avo lenta aza ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.