Ghana: Masoivohon'i Etazonia Sandoka Ao Accra Namoaka Visa Azo Tamim-Pitaka

Snipet of US Visa via Buzzghana with permission

Santionany amin'ny sary famantarana hita eo amin'ny visa Amerikana nahazoana alàlana avy amin'ny Buzzghana

Niasa nandritra ny folo taona tao Accra, renivohitr'i Ghana, firenena iray ao Afrika andrefana ny Masoivohon'i Etazonia sandoka. Natsangana sy tarihin'ny tambajotran'jiolahy ahitana Ghaneana sy Tiorka izy io ary mamoaka visa sy antontan-taratasy Amerikana hafa tena izy.

Araka ny tranonkalan'ny Departemantam-panjakana, Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Amerikana, hita ao amin'ny trano iray mampiseho sainam-pirenena Amerikana ety ivelany ary mandray olona isaky ny alatsinainy, Talata sy Zoma, amin'ny 7:30 ka hatramin'ny 12: 00 ny biraon’ io “Masoivoho” io . Misy ny sarin'ny Filoha Barack Obama ao anatiny miantona eo amin'ny rindrina .  Misy famantarana hafa nentina hamantarana Masoivohon'i Etazonia tena izy hita taminy ao ankoatra izany.

Ao amin'ny fiteny somary mananihany,  nanoratra tao amin'ny afrique-sur7.fr i Rufus Polichinelle:

Le pays de l’oncle Sam compterait actuellement sur son sol plusieurs personnes qui y seraient rentrées frauduleusement. C’est du moins ce qui ressort de la récente découverte faite au Ghana par le département d’État américain. En effet, une fausse ambassade américaine délivrait de faux papiers d’identité (extraits de naissance) et des visas aux demandeurs. Le hic c’est que c’était des documents authentiques qui étaient délivrés par des faussaires turcs moyennant la somme de 6.000 dollars. Ces derniers se faisant passer pour des agents consulaires américains et communiquaient régulièrement en Anglais et en Néerlandais. Pour mieux tromper la vigilance des visiteurs, ce gang avait accroché un portrait de Barack Obama avec un drapeau américain.

Ahitana  olona maromaro niditra tsy ara-dalàna tao amin'ny taniny ny firenen'i Dadatoa Samy ankehitriny.  Izany no nivoaka raha kely indrindra azo lazaina avy amin'ny zavatra tsikaritra vao haingana natao tao Ghana navoakan'ny Departemantam-panjakana Amerikana. Eny tokoa,  mamoaka  kopia nahaterahana sandoka sy visa ho an'izay mangataka ilay masoivoho Amerikana sandoka. Atontan-taratasy tena izy ireo no olana aminy, ary Tiorka mpanao hosoka no mamoaka izany amin'ny alàlan'ny fandoavana vola mitentina  6.000 dôlara.  Milaza ho manampahefana ao amin'ny masoivoho Amerikana ireto farany ary mifampiresaka matetika amin'ny teny anglisy sy holandey. Misy ny sarin'i Barack Obama mihantona miaraka amin'ny sainam-pirenena Amerikana mba hamitahan'ity andian-jiolahy ity bebe kokoa ny fahamailoan'ireo mpitsidika.

Nanome ny an-tsipirihany i Olivier Berhuse tao amin'ny tranonkala Afrikactuelle.com  :

Les autorités américaines ont été alertées de l'escroquerie par un renseignement lorsque les États-Unis ont lancé une vaste opération de lutte contre la fraude dans la région cet été. Des détectives ont alors été recrutés, dont des inspecteurs de police ghanéens, pour démanteler l'ensemble du réseau criminel. Au cours des perquisitions, qui ont débouché sur un certain nombre d'arrestations, les autorités ont saisi de faux visas indiens, sud-africains mais aussi de pays de l'espace Schengen, et 150 passeports de dix pays, de même qu'un ordinateur portable et des téléphones.

Le département d'État n'explique pas comment le gang s'était procuré de vrais visas américains. Il ne précise pas non plus combien de personnes ont pu pénétrer illégalement aux États-Unis et dans d'autres pays en recourant à des visas délivrés par ce gang, qui distribuait des dessous-de-table pour pouvoir opérer en toute impunité.

Notairina amin'ny hosoka ny manampahefana Amerikana rehefa nanomboka nanao hetsika goavana iadiana amin'ny fanaovana hosoka tao amin'ny faritra i Etazonia tamin'ity fahavaratra ity. Nisy noho izany ny mpitsongodia nokaramaina, izay ahitana Ghaneana inspekteran'ny polisy, mba  handraravana ilay tambajotran-jiolahy iray manontolo. Nandritra ny fisavana, izay niafara tamin'ny fisamborana maro, no nahatraran'ireo manampahefana visa Indiana, Afrikana Tatsimo ary firenen'ny faritra Schengen izay sandoka avokoa, pasipaoro 150 avy amin'ny firenena folo, ary solosaina finday sy finday ihany koa .

Tsy nanazava ny fomba nataon'ireto andian-jiolahy mba ahazoana ny visa Amerikana tena izy ny Departemantam-panjakana. Tsy nilaza ihany koa ny isan'ny olona niditra tamin'ny fomba tsy ara-dalàna tany Etazonia sy tany amin'ny firenen-kafa tamin'ny alalan'ny fampiasana ny visa navoakan'ity andian-jiolahy ity izy ireo, izay nizara vola ambanin'ny latabatra ahafahana miasa tsy voahelingelina.

Biographical data page from the Ghanaian biometric passport. via wikipedia

Pejy mombamomba ny Ghaneana iray ao amin'ny pasipaoro biometrika . Sary: wikipedia

Nanoratra avy any Lomé tao amin'ny tranonkala koaci.com i Mensah:

D’après les investigations, la fausse ambassade se faisait connaitre du public par le biais de dépliants et de panneaux publicitaires afin d’attirer des demandeurs de visa du Ghana, de la Côte d'Ivoire et du Togo. Parmi les services que fournissaient les faussaires il y a des visas américains authentiques mais obtenus frauduleusement, ainsi que de faux papiers d'identité, dont des extraits de naissance, des relevés bancaires, des dossiers scolaires, des certificats de naissance et autres), le tout pour pour un coût de 6 000 $.

Araka ny fanadihadiana, nampiasa afisy sy takelaka dokambarotra ilay masoivoho sandoka mba ho fantatry ny besinimaro sy hisarihana ireo mangataka visa, ao Ghana, Côte d'Ivoire ary Togo. Anisan'ny tolotra omen'ireo mpanao hosoka ny visa Amerikana tena izy fa saingy azo avy amin'ny hosoka sy antontan-taratasy hosoka hafa, anisan'izany ny taratasy fanamarinam-pahaterahana, ny taratasy manambara ny kaonty any amin'ny banky , ny dosie any an-tsekoly , ny kopia sy ny maro hafa), ireo rehetra ireo no handoavam-bola 6.000$ .

Nametra-panontaniana vitsivitsy tao amin'ny burkina24.com i Kouamé L.-Ph. Arnaud KOUAKOU :

Comment ce gang se procurait-il de vrais visas américains ? Combien de personnes ont pu pénétrer illégalement aux Etats-Unis à l’aide de ces documents ?

Ahoana no nahazoan'ireo andian-jiolahy namoaka visa amerikana tena izy? Firy ireo olona afaka niditra tsy ara-dalàna tany Etazonia tamin'ny alàlan'ny fampiasana ireo antontan-taratasy ireo?

Nisokatra ihany koa ny Masoivohon'i Holandy sandoka tao an-drenivohitra Ghaneana . Naneho ny fomba fijeriny ireo mpihaino maro raha niresaka tao amin'ny pejy Facebook-n'ny radio France internationale . Hoy i Christophe Diksina Lissidi avy any Tchad:

Si beaucoup des ghanéens ont utilisé le service de cette ambassade pour entré sur le sol américain, sait qu'il y'a sûrement une cellule en Amérique et aussi infiltrée partout dans les services de l'immigration.

Si cette information est avérée, les américains ne sont aucunement en sécurité. Les chinois ne sont plus les as du faux. Avec fausse ambassade, faux diplomates, faux passeports et puis quoi encore, les Africains deviennent les rois du faux.

Raha maro ny Ghaneana no nampiasa ny tolotr'ity masoivoho ity mba hidirana any Amerika, dia fantatra mihitsy fa misy tokoa ny vondrona ao Amerika izay tafiditra ihany any amin'ny servisim-pfindramonina rehetra any.

Raha marina ity vaovao ity, dia tsy azo antoka ny filaminan'ireo Amerikana. Tsy ny Shinoa ihany no sangany amin'ny fanaovana hosoka . Amin'ity Masoivoho sandoka, diplaomaty sandoka, pasipaoro sandoka ary inona ihany koa avy eo ity, dia lasa mpanjakan'ny hosoka ny Afrikana .

Mihevitra i Junior Decastel-bajack Bangobango avy ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo fa:

C'est la grosse arnaque de tout les temps. Comment l'administration américaine s'est fait berné jusqu'à ce point? l'ambassadeur roulait avec un véhicule immatriculé CMD, Des diplomates avec CD dont le consul, le ministre conseiller, le secrétaire d'ambassade, etc. Durant 10 ans, ils ont réussi à délivrer des vrais faux visas aux ghanéens? Non! Qu'on nous dise la vérité.

Izany no fitaka avolenta indrindra hatramin'izay. Ahoana ny fomba nahavoafitaka ny sampan-draharaham-pitantanana amerikana toy izany?  Mandeha amin'ny fiara voasoratra CMD ny masoivoho, diplaomaty miaraka amin'ny CD anisan'izany ny Kaonsily, ny mpanolo-tsainan'ny minisitra , ny sekreteran'ny masoivoho, sns .Nandritra ny 10 taona, nahavita namoaka visa sandoka tena izy ho any Ghaneana izy ireo? Tsia! Aoka holazaina aminay ny marina.

Naneho ny fisalasalany i Ninamou Jeanette avy any Guinée, mipetraka any Belzika, ary nanontany hoe :

Je n'y crois pas a cette affaire que je qualifie d'ailleurs de cirque internationale.

Tsy mino ity tranga ity aho, izay heveriko ihany koa ho tantara tsangana iraisam-pirenena izao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.