Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

04 Desambra 2018

Tantara tamin'ny 04 Desambra 2018

Oman: Miverina tsikelikely ny fibilaoginina

Niala tamin'ny Gonu, oram-baratra tropikaly namely ny firenena tamin'ny fiandohan'ity volana ity  ny sehatra fibilaogina Omaney. Niezaka nivoatra sy niresaka lohahevitra samihafa ireo bilaogera tamin'ity herinandro ity.

Nanatevin-daharana ny diabe goavana tany Hong Kong ireo bilaogera

Namaly ny diabe tamim-pahavitrihana tokoa tamin'ny fomba maro samihafa ny andro manaraka ireo bilaogera ao Hong Kong. Niresaka betsaka momba ity diabe tamin'ity 4 Desambra ity ny tranonkalam-bilaogy Shinoa malaza antsoina hoe Independent Media izay notantanan'ny mpitsikera ara-kolotsaina sasany tao Hong Kong.

Naoty avy amin'ny foaran'ny boky ao Jakarta

Blaogim-Piarahamonina GV

Tranombarotra lehibe maro no nandranty ny vokatra nahitana fihenam-bidy hatramin'ny 80 isanjato. Famoahana maro no nampiseho ireo boky mampalaza azy

Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana

Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.

Miady ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ireo zanakavavin'ilay mpikatroka ny zon'olombelona Kambodziana nogadraina

Any Etazonia ireo zanakavavin'ilay mpikatroka ny Zon'olombelona Kem Sokha, Kem Monovithya, 24 taona, sy Kem Samathida, 18 taona,  miara-miasa amin'ny Amerikana Kambodziana mba ahazoana fanohanana amin'ny famotsorana ny rainy ary hisarihana ny saina amin'ny famoretana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia ao Kambodza.