Oman: Miverina tsikelikely ny fibilaoginina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2007)

Niala tamin'ny Gonu, tadio tropikaly namely ny firenena tamin'ny fiandohan'ity volana ity  ny sehatra fibilaoginina Omaney. Niezaka nivoatra sy niresaka lohahevitra samihafa ireo bilaogera tamin'ity herinandro ity.

Ti3gib mihevitra fa mihamalazo ireo bilaogera Omaney ary tsy mavitrika toy ireo bilaogera avy amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina:

The number of active bloggers has been decreasing steadily and radically over the last year, and if it continues at this rate, we -Omani bloggers- should be keyboard-silent in a few months from now. I don't know what the causes are, but I think time-management could be a big role. Too busy, is and excuse but not a reason, maybe laziness and routine and those could easily be dealt with.

Mihena hatrany ny isan'ireo bilaogera mavitrika ary miharihary izany tamin'ny herintaona, ary raha mbola mitohy tahaka izany, dia hangina tanteraka isika bilaogera Omaney ao anatin'ny volana vitsivitsy manomboka izao. Tsy fantatro ny antony, fa mieritreritra aho fa mety ho antony lehibe ny fitantanana ny fotoana. Sahirana loatra, fialan-tsiny fa tsy antony, angamba mora resena kosa ny hakamoana sy fahazarana.

Satria efa manakaiky ny fahavaratra, manontany an'ireo bilaogera momba ny tetikasan'izy ireo fahavaratra i Al Mawaali,
ary Omani Expat nandefa momba ireo hetsika fialantsasatra ao an-trano izay azo atao:

As summer approaches, Al Mawaali asks bloggers about their summer plans,
and Omani Expat posts about available indoor leisure activities that could be done:

From May to September, temperature and humidity become very high in the Sultanate. Outdoor activities, such as tourism or trekking, are not possible anymore. You have to make do with indoor activities, such as :

  1. Intercontinental club, where you can use the swimming pool, squash courts and gym room.
  2. …..

Manomboka ny volana Mey ka hatramin'ny Septambra, miakatra be ny hafanana sy ny hamandoana ao amin'ny Sultanà. Tsy mety intsony ireo hetsika ivelan'ny varavarana, toy ny fizahan-tany na ny fitsangatsanganana. Tsy maintsy manao hetsika ao an-trano ianao, toy ny:

1. Club intercontinental, izay ahafahanao mampiasa ny dobo filomanosana, kianjan'ny squash ary ny efitrano fanatanjahantena.
2…..

Ity iray ity dia ho an'ny mpanjifa Omaney, Suburban mitantara ny tantaran'ny tolotra mahatsiravina ho an'ny mpanjifa, ny fanorisorenana, ary ny fanaintainana amin'ny fifampiraharahana amin'ireo tovolahy mpanatitra entana ao amin'ny fivarotana elektronika goavana ao Oman:

I bought a shockingly expensive new washing machine last week from EMAX. It has all the bells and whistles, about ten thousand different washing programmes and comes from a trusted manufacturer. The salesman was clueless, but as helpful. A delivery was arranged for two days later. Two days later, as promised I get a call from the lost delivery guys trying to find my house in the war-zone that is my neighborhood. Everything went wrong from there.

Nividy milina fanasan-damba vaovao tena lafobe aho tamin'ny herinandro lasa teo tao amin'ny EMAX. Ahitana ny safidy rehetra izy, mahavita karazana fanasana  iray hetsy eo ary avy amin'ny mpanamboatra azo itokisana. Tsy nanan-kevitra ilay mpivarotra, saingy nanampy ihany. Nisy fitaterana nomanina roa andro taorian'izay. Roa andro taty aoriana, araka ny efa nampanantenaina, nahazo antso avy amin'ireo mpanatitra entana very lalana miezaka mitady ny tranoko ao amin'ny faritra misy ady aho. Diso avokoa ny zava-drehetra nanomboka teo.

Nizara ny hira Gonu avy amin'ilay mpihira Omaney Salah Al Zadjali ireo bilaogera manerana an'i Oman, ity no nolazain'i Muscat & Wife momba izany:

I know we weren't in the best of spirits because of what happened (Gonu and whatnot), but if you are reading this, then Im sure you have survived it 🙂

I wanted to share something special with you. Its Salah's Al Zadjali's new song. One which he wrote during the aftermath of Gonu..

Fantatro fa tsy falifaly endrika isika izao noho ny zava-nitranga (Gonu sy ny zavatra hafa), fa raha mamaky ity ianao, azoko antoka fa tafavoaka velona tamin'izany ianao 🙂

Te hizara zavatra manokana aminao aho. Ny hira vaovaon'i Salah's Al Zadjal izany. Izay nosoratany taorian'ny Gonu …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.