Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2005)
Dr Hala Sarhan

Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.

Araka ny filazan'ilay bilaogera, manana olana maro kokoa tokony ifantohan'i Dr Sarhan ny tontolo Arabo, fa tsy ilaozana manosihosy amin'ny tany ny hajan'ny vehivavy :

تابعت حلقات فتيات الليل ….. أيون : أعترافات الساقطات المصريات و كيف انخرطن فى هذا المضمار و كيف تحولن الى مومسات و مدمنات و ساقطات ..بالصوت و الصورة …تابعتها ليه؟ لأن هالة سرحان أعلامية بارعة و ممتعة و قعدتها حلوة .
بس يعنى يا دكتورة هى كل المواضيع الشائكة بتاعتك تنحصر فى المرأة المصرية؟ بغاء .. سحاق .. ختان .. هباب ؟؟ للدرجة دى لحمنا رخص
“Nanaraka ny fizarana momba ny ankizivavin'ny alina izay momba ny fiaikena nataon'ireo mpivaro-tena Ejypsiana sy ny fomba nahasarika azy ireo tamin'ity asa ity ary ny naha-lasa azy ireo ho mpankafy izany aho. Nahoana no nanaraka azy ireo aho? Satria olo-malazan'ny media mahaliana i Hala Sarhan ary manintona ny fandaharany. Saingy tena matotra ry Dr, nahoana ny lohahevitra mafana rehetra atolotrao no momba ny vehivavy Ejypsiana?
Fivarotan-tena..fiarahan'ny samy vavy.. famorana..olana hafa…Mora vidy ve ny henantsika?” Hoy izy.

Tamr Heneh miampanga an'i Dr Sarhan ho mandoto ny lazan'ny vehivavy ao amin'ny fireneny ho takalon'ny asany sy ny lazany.

فضحتينا عالهوا .. يابنت السرحان …
طالعة تحاسبى البنات عالدعارة و الأدمان؟؟ عارفة الدعارة يا هالة؟ طب شوفى حلقة ست الستات اللى استضفتى فيها جمال سليمان و اللى قعد بين زميلاتك المغوارات و تولت ملهمتك الساحرة ايناس الدغيدى مهمة تأكيله التورته فى بقه .. دى مش مقدمات دعارة يامّا ؟ انتى و زميلاتك اللىصح و البنات هما اللى غلط؟؟
“Nosimbainao ny lazanay. Manontany ny vehivavy momba ny fidiran'izy ireo amin'ny zava-mahadomelina sy ny fivarotan-tena ianao? Fantatrao ve hoe inona no atao hoe fivarotan-tena? Jereo ny fandaharana izay atolotrao (mpilalao sarimihetsika lehilahy) Jamal Sulaiman, izay nipetraka teo amin'ireo vahiny hafa, tafiditra amin'izany ilay (vehivavy talen'ny sarimihetsika) Enas Al Dughaidi, izay nanome mofomamy azy (teo am-bavany). tsy izao ve no fidirana amin'ny fivarotan-tena? Marina ve ianao sy ny namanao ary diso ny vehivavy hafa rehetra? “hoy izy nanoratra izy.

Tsy afa-po tamin'ny fitenenana mafy an'i Dr Sarhan, mikasa hanome lohahevitra vitsivitsy ho an'ity mpanolotra fandaharana malaza ity i Tamr Heneh  mba handinika izany amin'ny fandaharana manaraka. Ahitana lohahevitra fady maromaro eo amin'ny fiarahamonina Miozolomana Arabo ny lisitr'i Tamr Heneh, izay tsy tokony resahana amin'ny fahitalavitra sy ny haino aman-jery.

ماشى يا متعلمة يا بتاعت المدارس لو قلبك عالأسرة المصرية يبقى خدى بقى المواضيع اللى تتكلمى فيها ( و بعيدا عن السياسة) :

عايزين حلقة عن الشيوخ اللىفوقنا بشوية عالخريطة اللى بييجوا لينا هربانين من الكتمة و الكمكمة و لابسين الغطرة و العباية … بيستغلوا البنات الجعانين اياهم .. اللى ماحيلتهومش حاجة .. و مشوار للحوامدية يشتروا بت عيله قاصر أهلها مش لاقيين اللضا .. خمس تلاف يا قطة .. و ياخدوا البنية قانونى و تمام التمام .. و كام شهر و فايدها عيل ترجع لحضن أمها … هتعمل ايه تفتكرى؟؟ لأ و حددى بالظبط مين السبب فى اللى هتعمله.

Raha tena miahy ny soatoavina fianakaviana Ejipsiana ianao, dia ireto misy lohahevitra vitsivitsy (izay tsy politika) sy azonao resahana. Mila fandaharana momba ny Shaikhs (mpikambana ao amin'ny fianakavian'ny fitondrana ao amin'ny firenena Golfa Arabo mpifanolo-bodirindrina) izay tonga eto mba handositra ny fiarahamonin'izy ireo nentim-paharazana ary mandrapaka ireo ankizivavy noana lazainao. ireo ankizivavy izay tsy manana na inona na inona. Mandeha ao amin'ny firenena fotsiny izy mba hividy tovovavy avy amin'ny fianakaviany, izay tsy mba manan-tsakafo hohanina akory. Dimy arivo ho an'ny saka. Afaka maka tovovavy amin'ny fomba ara-dalàna ihany koa izy ireo (eo amin'ny fanambadiana), fa rehefa afaka volana vitsivitsy dia mandroaka azy sy ny fianakaviany, miaraka amin'ny zazakely eny an-tanana. Inona no heverinao fa ho ataon'ny tovovavy tahaka izany? Lazao ahy azafady inona tokoa no ho ataon'izy ireo, “hoy izy nanontany an'i Dr Sarhan.

Olana iray hafa heverin'i Tamr Heneh fa tokony hifantohan'i Dr Sarhan ny firesahana tantara Saodiana: Banat Al Riyadh (zanakavavin'i Riyadh) – tantara mampiady hevitra nosoratana vehivavy tanora Saodiana izay niresaka fady eo amin'ny fiarahamonina Arabo Saodiana mpandala ny nentin-drazana.

Miresaka miharihary momba ny firaisana ara-nofo, ny fiarahan'ny samy vavy ary ny fanirian'ny tovovavy hanana fiainana malalaka ny boky.

ضوع تالت : البغاء فى المغرب : فن أم شطارة أم ماذا؟

موضوع رابع : ظاهرة اللواط فى منطقة الخليج العربى – هل هى ظاهرة اجتماعية سببها قمع الحريات الشخصية و وجود المطوعين .. أم ماذا؟
موضوع خامس : نسوان لبنان يرقصن على أنغام الرصاص الطائفى و الصهيونى و حكاية ” رهاب المثلية” ………
موضوع سادس : لجوء النساء العراقيات للدعارة بسبب الحرب و الترحيل …
فيه مواضيع كتير يا هالة بعيد عن مصر و المصريات …

“Ny lohahevitra fahatelo dia: ny fivarotan-tena ao Maraoka? Zavakanto sa ara-barotra izy ity? Ny lohahevitra fahefatra dia ny pelaka ao amin'ny firenen'n Helodrano Arabo: Tranga ara-tsosialy noho ny famoretana ny fahalalahan'ny tena manokana sy ny fisian'ny polisy ara-pivavahana ve izany? Sa inona? ny lohahevitra fahadimy: ny vehivavy ao Libanona izay mandihy amin'ny feon'ny finoana sy ny bala Sionista. Ny lohahevitra faha-enina: ny vehivavy Irakiana mitodika amin'ny fivarotan-tena noho ny ady sy ny famindran-toerana. Misy maro ny lohahevitra hafa mivoaka an'i Ejipta sy ny Ejipsiana.

*Ireo firenen'ny helodrano Arabo dia:  Bahrain, Koety, Arabia Saodita, Qatar, Oman sy ny Emirà Arabo Mitambatra.

Sary: Tranonkalan'i Dr Hala Sarhan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.