22 Novambra 2018

Tantara tamin'ny 22 Novambra 2018

Ô ry Bandy e, Bandy ve Iny Sipa Iny?

Misaintsaina momba ny fanambadian'olon-droa mitovy fananahana ireo Malezianina. Momba ilay vehivavy mpanambady, izay nanova fananahana raha nateraka ho lehilahy 30 taona lasa izay, ny bilaogera SK.

22 Novambra 2018

Japana: Ny Ankizy amin'izao Fotoana

Inona no ataonao rehefa mankaleo anao ireo ankizivavy tanora manao toy ny any an-tranony anatin'ny fiarandalamby nefa ianao reraka avy any am-piasàna ary mba te hiaina fotsiny? Tofoka tanteraka ity lehilahy iray 35 taona tao Yokohama ka nandaka ankizivavy 17 taona iray nipetraka sy niresaka tamin'ny namany teo akaikin'ity rangahy.

22 Novambra 2018

Pakistana: Ny fanakanana bilaogy

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Azoko antoka fa efa mahafantatra tsara ny hetsika nataon'ny mpanome tolotra aterineto tao Pakistana tamin'ny fanakanana ny tranokalan'ny blogspot.com...

22 Novambra 2018

Malezia: Naato tao amin'ny parlemanta i Anwar Ibrahim

Andro vitsy lasa izay, napetraka tao amin'ny Parlemanta Maleziana ny hetsika hampiato ny mpitarika ny mpanohitra Anwar Ibrahim mandritra ny enim-bolana noho ny nampifandraisany ny foto-kevitra Malezia iray an'ny praiminisitra Najib Razak tamin'ny "Israely Iray".

22 Novambra 2018