(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2014)
Iza no manan-jo hanisy hetra ny fipoiran'ny mony eny amin'ny tarehinao? Any Korea Atsimo, afaka manao izany ny minisiteran'ny Fitantanam-bola.
Hampiharina manomboka ny voalohan'ny Febroary ao Korea Atsimo ny rafitra fandoavan-ketra vaovao mametraka hetra 10% amin'ny fandidiana mifandraika amin'ny endrika. Tafiditra anatin'ity antsoina hoe hetran'ny hatsaràna ity na ny fandidiana endrika tahaka ny orina, ny valanorano roa, ny fanalehibeazana molotra, na ireo fikarakaràna endrika tsotra toy ny fitsaboana mony.
Milaza ilay fandoavan-ketra vaovao tamin'ny fahavaratra farany teo fa hanjaka anatin'ireo fandidiana tarehy mandeha be ao amin'ny firenena izy io, kanefa tsy nalaza mihitsy hatramin'ny fotoana nanolorana azy. Manindry [ko] (rohy maty) ireo tsikera fa paika hampitomboana ny hetra miditra fotsiny ihany io tetika io amin'ny maha lalàna mikasika ny fahasalamam-bahoaka azy. Nasehon'ireo [ko] mpampiasa aterineto maro fa tsy hahavita isakana ny fitiavan'ny fiarahamonina diso tafahoatra ny bika aman'endrika ary tsy hisy fiantraikany eo amin'ny olona manana ny fahafahana sy tena maniry mafy an'ireo fanao ireo io.
Andro iray mialoha ny fampiharana ilay drafitra, toa namerina namelona ny fanoheran'ny vahoaka ilay volavolan-dalàna ny hetra iray – 10 % amin'ny fitsaboana ireo mony. Ireto ambany ireto misy bitsika vitsivitsy avy amin'ireo mpampiasa aterineto sorena:
여드름 탈모만 해도 속상한데, 세금까지 내라니..
— 마왕_질풍노동의 시기 (@everyyoga) January 28, 2014
Tahaka ny hoe tsy efa ratsy ny fanànana mony sy volo mihintsana. Izao indray koa dia mbola tsy maintsy mandoa hetra noho ny fanànana azy ireo.
세금 거둘 곳 찾던 하이에나가 여드름을 발견하다!
— 대타 (@lizinhaisenDT) December 31, 2013
Mirenireny ny amboadia, mitady zavatra azo asiana hetra, nahita izany ihany ry zareo ny farany – mony!
기획재정부가 뭔데 내 여드름에 세금을 매겨? @mosfkorea
— Nikolay (@AccountantInLaw) January 22, 2014
Ho an'ny @mosfkorea [kaonty ofisialin'ny Minisiteran'ny Paikady sy ny Fitantanam-bola]: Fa iza no fiheveranareo ny tenanareo no hanisy hetra ny moniko?
그러니까 기획재정부측은 여드름이 피부질환이라 치부하지 않으며 치료를 할 경우 ‘미용목적'으로 판단하여 성형과 동일하게 세금을 떼감 이 소린가?..성형도 세금 붙는다는 소리에 어이가 없었는데 아니 목적이전에 세금 그만떼가 이놈들아
— 논노 (@nonno_okama) January 22, 2014
Araka izany dia izao ny fomba fisainan'ny Minisitry ny Paikady sy ny Fitantanam-bola: Koa satria tsy raisin-dry zareo ho aretin-koditra goavana ny mony, voasokajy ho fandidiana “mifandraika amin'ny hatsaràna” izay rehetra mitsabo ny olan'ity mony ity ka hasiana hetra. Efa nampihomehy ny fahenoana ny hetra amin'ny fandidiana endrika dia izao indray! Na inona na inona antony omenareo, azonareo mba hajanona ve ny fanisiana hetra amboniny?
Toa romotra tamin'io vaovao io ihany koa ny vondrompiarahamonin'ny mpitsabo. Nanaparitaka ity petadrindrina eto ambany ity ny Fikambanan'ny Mpitsabo Koreana, manazava ny hasosorany. Itarainan-dry zareo anatin'ny fehezanteny voalohany mivandravandra fa ny minisitry ny fitantanam-bola fa tsy ireo manampahaizana amin'ny fitsaboana velively akory no manao fanapahankevitra manokana ny amin'ny fomba hanakarana ny atao hoe mony – tsy toetry ny hoditra ilaina tsaboina, fa fanelingelenana mifandray amin'ny hatsaràna. Nozarain'ireo mpampiasa Aterineto tao amin'ny Twitter ilay sary ary nanalan-dry zareo ny teny filamatry ny governemanta ankehitriny hoe “Toekarena Hafa Kely”, nanonona ny solonanarana malaza fiantsoana ny Filoha mpitondra, Park Geun-hye, hoe “Akoho” mihitsy aza ny mpampiasa aterineto iray:
여드름에 세금을 매기다니….창조적이다 pic.twitter.com/YWENpeB94g
— 정남자 (@darkrunar) January 22, 2014
Manisy hetra ny mony… Tena “hafa kely” marina.
피부과 시술에 붙는 부가세 너무하다. 여드름 환자들은 안그래도 비싼 치료비에 제대로된 치료 한번 받을려면 큰맘먹고 해야된다. 그런 환자들 대부분이 사춘기 청소년이나 20대초반이다. 닭정부의 창조경제는 창조세금이었다.ㅋㅋ
— EB (@DarlTea) January 23, 2014
Tafahoatra kosa ny fampandoavana hetra amboniny amin'ny fitsaboana hoditra. Efa mandoa vola be ireo mararin'ny mony mba hahazoany fitsaboana araka ny tokony ho izy. Ary adolantsento anatin'ny fitomboana avokoa ny ankamaroan'izy ireny na anatin'ny faha-20 taonany. Raha ny fandehany dia midika “fomba hafa kely hanisiana hetra ny zavatra” ny “toekarena hafa kely” an'ny biraom-pitantanan'ny akoho.
@tonarino_hayoon 우리 나라만큼 외모따지는 사회풍조도 없는데 사실 저런거에 일일히 세금떼가는거 웃겨요 니들이 그렇게 만들어놓고 돈은 왜 뜯어가…
— 논노 (@nonno_okama) January 22, 2014
Tsy misy firenena toa ny antsika izay itiavan'ny fiarahamonina diso tafahoatra ny endrika amam-bika. Ary manisy hetra amin'ny singa tsirairay manatsara ny bikan'ny olona ireo izay nanampy namolavola ny fiarahamonintsika ho toy izao. Mampihomehy ny zavamisy.
우와.이젠 손톱관리나 몸매관리에도 세금 붙이시지요?여드름 난 게 죄입니깤ㅋㅋㅋㅋㅋ
— 최강사약러디노 (@dino_quality) January 21, 2014
Oao… Hatraiza ny fetra? Ny fampandoavana hetra amin'ny fikarakaràna hoho sy fanenam-batana ve no ho dingana manaraka? Tsy fahotana ny fananana mony vitsivitsy.