Malezia: Naato tao amin'ny parlemanta i Anwar Ibrahim

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2010)

Andro vitsy lasa izay, napetraka tao amin'ny Parlemanta Maleziana ny hetsika hampiato ny mpitarika ny mpanohitra Anwar Ibrahim mandritra ny enim-bolana noho ny nampifandraisany ny foto-kevitra Malezia iray an'ny praiminisitra Najib Razak tamin'ny “Israely Iray”. Nilaza ihany koa i Ibrahim fa ao ambadiky ny fanentanana roa tonta ny orinasan'ny seraseram-bahoaka manerantany Apco Worldwide.

Etsy ankilany, misy ny sasany izay mahatsapa fa tsy ara-drariny ny fampiatoana an'i Anwar miaraka amin'ireo solombavambahoaka 3 hafa (izay naato ihany koa rehefa avy nitsikera ny ‘fitsipika mifehy ny parlemantera’).

Hoy i Ghkok:

This is the result of 53 years of one-party rule. It breeds arrogance and oppression. It is like a disease. There is no respect for members of parliament who are legitimately elected by the rakyat, and who have brought up a legitimate issue in Parliament (where it should be brought up).

Izany no vokatry ny 53 taonan'ny fitondrana antoko tokana. Miteraka avonavona sy fampijaliana izany. Toy ny aretina. Tsy misy fanajana ireo mpikambana ao amin'ny antenimiera izay nofidin'ny rakyat tamin'ny fomba ara-dalàna, sy efa niteraka olana ara-dalàna tao amin'ny Parlemanta (izay tokony hatsangana).

Mino ihany koa i Khoo Kay Peng fa fanapaha-kevitra tsy hahasoa ny firenena izany:

The motion to suspend opposition MPs Anwar Ibrahim, Karpal Singh, Sivarasah & Azmin Ali from parliament for six months is a prime example of abuse of parliamentary majority.

The motion would be passed effortlessly by Barisan's brute majority in the parliament. The consequence is severe and unfortunate for our parliamentary democracy.

The august house will now be inflicted by the Perak disease which has brought chaos to all sittings so far. Imagine what can a day long state assembly sitting can do to a healthy debate on important bills and budgetary decisions? Nothing.

Ny hetsika hampiato ny solombavambahoaka mpanohitra Anwar Ibrahim, Karpal Singh, Sivarasah & Azmin Ali ao amin'ny parlemanta mandritra ny enim-bolana dia ohatra iray tena lehibe amin'ny fanararaotana ny ankamaroan'ny parlemantera.

Nolaniana tsy mila ezaka be avy amin'ny maro an'isan'ny Barisan ao amin'ny parlemanta ny hetsika. Henjana sy mampalahelo ho an'ny demokrasia parlemantera ny fiantraikany.

Iharan'ny aretina Perak ankehitriny ny lapa Aogositra, izay nahatonga korontana ho an'ny fivoriana rehetra hatreto. Alao sary an-tsaina hoe inona no azon'ny fivorian'ny antenimieram-panjakana mandritra ny tontolo andro hoentina amin'ny adihevitra mahasoa momba ny volavolan-dalàna sy ny fanapahan-kevitra ara-bola? Tsy misy.

Na dia izany aza, misy ihany koa ny fihetseham-po izay itovizan'ny mpanohitra (Pakatan Rakyat) amin'ny governemantan'ny Barisan Nasionaly, tahaka ity zarain’ i Charles Hector ity.

By suspending (a Member of Parliament), you deny the people of a particular constituency the ability to participate in the proceeding in Parliament/State Legislative Assembly…

Pakatan Rakyat should have been better than the BN (Barisan Nasional)- but alas they abused their power when they kept BN ADUNs (State Assemblymen) out of the proceedings of the Selangor State Legislative Assembly.

Amin'ny fampiatoana (mpikambana iray ao amin'ny Parlemanta), mandà ny fahafahan'ny olona ao amin'ny fari-pifidianana iray manokana handray anjara amin'ny fivorian'ny Antenimiera/Antenimieram-panjakana ianao.

Tokony ho tsara kokoa noho ny BN (Barisan Nasional) ny Pakatan Rakya – saingy indrisy fa nanararaotra ny fahefany izy ireo tamin'ny fanakanana ny BN ADUNs (mpikambana ao amin'ny Antenimieram-panjakana) tsy handray anjara tamin'ny adihevitry ny  Antenimieram-panjakana mpanao lalàna Selangor.

Bilaogera Biggum Dogmannsteinberg nizara hevitra tahaka izany.

The fact remains: Former-abuse-of-power-convict Anwar “Drama King” Ibrahim was allowed a week to present himself with evidence and substantiate his claims to the Parliamentary  Rights and Privilegse Select Committee for allegations on the ‘Apco-gate’. He vehemently refused to do so. Strong suspicions point towards him being his usual self  ’Politics of Hate’  strategy the past  twelve and quarter years: Throw baseless allegations and sensationalise it and whenever actions are taken against him, controversialise it via media especially the foreign based that he is a victim of ‘hegemony’.

Nothing new. We have seen it all.

Mbola eo ny zava-misy: Nomena herinandro i Anwar “Drama King” Ibrahim, lehilahy fantatra fa meloka tamin'ny fanararaotam-pahefana mba hanehoany porofo sy hanamarinany ny filazany any amin'ny Komity manokana misahana ny zo sy ny tombontsoa parlemantera noho ny fiampangana tamin'ny ‘Apco-gate’. Tsy nety nanao izany velively izy. Misy ny ahiahy lehibe momba azy fa paikadiny mahazatra tamin'ny ‘Politikan'ny Fankahalana’ 12 taona sy fahefany lasa izany: Mandefa fiampangana tsy misy fotony sy manome fihetseham-po amin’ izany ary isaky ny misy fepetra raisina ho azy, dia manisy adihevitra be amin'izany amin'ny media indrindra fa ny media vahiny fa lasibatry ny maro an'isa izy.

Tsy misy zava-baovao. Efa nahita izany isika rehetra.

Nanao diabe ho any amin'ny Vaomiera Maleziana misahana ny zon'olombelona ny mpanohitra mba hanohitra ny fampiatoana, ary mikasa hagantaka fanadihadiana ara-pitsarana momba izany.

Ny hajian-tsary nampiasaina dia avy amin'ny Wikimedia Commons nampiasàina araka ny CC License Attribution 2.0 Generic

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.