Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Sahara Andrefana: Tany misy vanja nandratra mpanao fihetsiketsehana dimy

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)

Ny herinandro lasa teo, nijoro ho firaisankina manoloana ny berm (“Rindrin'ny Henatra”) izay naorina teo anelanelan'i Maraoka sy Sahara Andrefana, izay itakian'i Maraoka fiandrianam-pirenena, ny Saharawis sy Espaniola. Nandritra ny hetsi-panoherana, izay nantsoina hoe Diabe Iraisampirenena manohitra ny Rindrin'ny Henatra, niteraka ny faharatran’ ireo Saharawis marobe (isa tsy voamarina) ny tany misy vanja .

Bilaogera Sahara Ocidental, monina any Tindouf, dia iray amin'ireo bilaogera miresaka momba io tranga io. Talohan'ny nanokanana azy, nanoratra ity bilaogera ity hoe:

Hundreds of Spanish visitors spent the evening hours on Thursday making final preparations for their march of protest and solidarity in front of the Moroccan-built wall that divides the Western Sahara in two.

Lunches were made, bags were packed, and orientation sessions were held to make sure that all of the participants were ready for Friday’s events, organized and coordinated by the National Union of Saharawi Women (UNMS).

These 300 Spaniards have signed up to make the two-hour trip, but several hundred more – from Germany, Italy, Great Britain, the United States, France, Austria, Portugal, El Salvador, Mexico and other countries – will be accompanying them as they demonstrate their opposition to the Moroccan occupation in the Western Sahara and the physical barrier erected between the Saharawi refugees near Tindouf, Algeria, and their family members still living in the territory occupied by Morocco.

Espaniola mpitsidika an-jatony no nandany ny ora hariva tamin'ny alakamisy tamin'ny fiomanana farany tamin'ny diaben'ny fihetsiketsehana sy firaisankina eo anoloan'ny rindrina namboarin'ny Maraokana izay manasaraka an'i Sahara Andrefana ho roa.

Nokarakaraina ny sakafo, feno ny harona, ary nisy ny fivoriana fanentanana natao mba hahazoana antoka fa vonona ho amin'ny hetsika amin'ny Zoma ireo mpandray anjara rehetra, nokarakaraina sy narindran”ny Firaisambe Nasionalin'ny Vehivavy Saharawi (UNMS).

Nanolo-tena ireo Espaniôla 300 ireo fa hanao dia adiny roa, saingy an-jatony maro hafa – avy any Alemaina, Italia, Grande-Bretagne, Etazonia, Frantsa, Aotrisy, Portiogaly, El Salvador, Meksika ary any amin'ny firenen-kafa – no hiaraka amin'izy ireo. haneho ny fanoheran'izy ireo ny fibodoan'ny Maraokana ny ao Sahara Andrefana sy ny sakana ara-batana napetraka teo amin'ireo mpitsoa-ponenana Saharawi akaikin'i Tindouf, Alzeria, ary ny fianakavian'izy ireo mbola mipetraka ao amin'ny faritany bodoin'i Maraoka.

Nilaza ilay bilaogera avy eo fa nandritra ny hetsi-panoherana, Saharawis dimy no naratra rehefa nanitsaka vanja tampoka ny olona iray 19 taona:

Five Saharawis were injured in Rouss Essabty on Friday, 70 km from the Saharawi refugee camps, when a 19-year-old boy stepped on a landmine.

The victims, along with 3,000 other Saharawis and international activists, were participating in a peaceful protest against the Moroccan wall that divides the Western Sahara.

The blast occurred when the five victims were attempting to approach the wall by clearing a path through a barbed wire barrier that surrounds it, which is known to the Saharawis as the Wall of Shame. Three of the victims, identified as Ibrahim Hussein Abait, Hamdi Fadli Adbelahi and Mohamed Salim Bouda Larossi, were passing through an active minefield with more than 300 other demonstrators.

Ibrahim, from the Saharawi refugee camp of Dakhla, suffered the gravest injury, losing more than half of his left foot in the explosion. Hamdi and Mohamed sustained minor burns and shrapnel wounds to their faces, arms and backs.

Saharawis dimy no naratra tao Rouss Essabty tamin'ny zoma, 70 km miala ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Saharawi, raha nanitsaka tamin'ny tany misy vanja ny tovolahy iray 19 taona.

Nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana milamina manohitra ny rindrina Maraokana izay mampizara ny Sahara Andrefana ireo niharam-boina, niaraka tamin'ireo Saharawis 3 000 hafa sy mpikatroka iraisam-pirenena, .

Nitranga ny fipoahana rehefa niezaka nanatona ny rindrina ireo niharam-pahavoazana dimy tamin'ny alàlan'ny fanadiovana ny lalana tamin'ny sakana fefy vy manodidina izany, izay fantatry ny Saharawis ho Rindrin'ny Henatra. Nandalo ny tany misy vanja niaraka tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana 300 hafa mahery ny telo tamin'ireo niharam-boina, Ibrahim Hussein Abait, Hamdi Fadli Adbelahi ary Mohamed Salim Bouda Larossi, .

Naratra mafy i Ibrahim, avy ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Saharawi ao Dakhla, tapaka ny tongony havia nandritra ny fipoahana. Hamdi sy Mohamed kosa naratra kely, may ary voapitiky ny vanja ny tarehy, ny sandry sy ny lamosin'izy ireo.

Ny volana Febroary, Saharawis roa no namoy ny ainy rehefa nipoaka ny tanim-banja. Sahara Andrefana dia fantatra amin'ny fananan'izy ireo tanim-banja tavela tamin'ny Ady Lehibe faharoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.