Tantara tamin'ny 21 Septambra 2018
Abidjan Blog Camps: Ho an'ny fiarahan'ireo mpamokatra votoaty antserasera ao Côte D'Ivoire

Tiako ny miteny mafy fa lehibe ny kalitaon'ny BarCamp Abidjan taona 2010. Tsara ny fikarakarana (misaotra an'i Frederick), ary tsara koa ny mpandahateny. Raha afaka manararaotra tsara ny fivoriana sy ny adihevitra azo tanterahina tamin'ity hetsika ity isika dia hanova tanteraka ny Ivoariana ny tontolo iainan'ny tranonkala.
Paragoay: ny reny lasa mpikarakara zokiolona, ny zanaka lasa taizan-drenibe
Paragoyana an'arivony no voatery nifindra monina tany Arzantina sy tany Espaina mba hiasa ho toy ny mpanampy an-trano ary namela ny fianakaviany ho andraiketin'ny vehivavy hafa.
Aids Rights Congo: Mampiasa teknolojiam-baovao mba hiadiana amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy

Maro ny tovovavy sy ny vehivavy avy ao Brazzaville, Pointe Noire sy Kinkala nandray anjara tamin'ny fampiofanana momba ny fampiasana ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana mba hiadiana amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny zazavavy.
Voces Bolivianas: Sehatra Ushahidi hitaterana momba ny fifidianana

Nandritra ny fifidianana ankapobeny Boliviana tamin'ny 6 Desambra 2009, nampiasa ny fitaovana Web 2.0 tahaka ny bilaogy, Flickr, Youtube, Twitter sy Facebook ireo mpiserasera maro Boliviana mba hizara ny vinavinan'izy ireo momba ny fifidianana.
Fantaro ilay bilaogera Yesenia Corrales

Nandritra ny telo taona, nifantoka tamin'ny fanazavana ireo faritra mpifanolo-bodirindrina samihafa manodidina ny tanàna, toa an'i La Loma, ary koa faritra hafa ao Kolombia ny tetikasa HiperBarrio ao Medellin. Na izany aza, asa mafy nataon'ireo mpandrindra ny tetikasa izany, indrindra fa ireo bilaogera vaovao, izay nanampytamin'ny tetikasa.