Tantara tamin'ny 28 Jolay 2018
Angolà: Ankizy maro ampangaina ho manao famosaviana
Efa hatramin'ny faran'ny taona 90, iharan'ny fampijaliana sy famonoana ny ankizy maro ao Angolà izay ampangain'ny fianakaviany ho mpamosavy. Efa miezaka ny hamaha ny olana ny fanjakana ankehitriny.
Tontolo iainana : Resaka rano ao Afrika Atsinanana
Mety hiatrika krizin-drano i Afrika Atsimo ary miady ny nosy Migingo kosa ireo firenena afrikana telo mifampizara ny farihy Victoria.
Andeha hitsangatsangana ao Japana, mivantana ao amin'ny YouTube
Efa ela ve ianao no te-hitsidika an'i Japana, saingy tsy mba afaka nanao izany? Na angamba tsy nanam-potoana, na lafo loatra ny tapakila fiaramanidina (sy ny zava-drehetra hafa momba ny fandehanana hiala-sasatra). Aza manahy--manao ny fitsangatsanganana rehetra ho anao ny fantsona Youtube Kappa2700s.
Ripaka eo am-pelatanan'ny governemanta Poloney ny iray amin'ireo ala tranainy sisa tavela any Eoropa
Nilaza ny fikambanana mpanara-maso ny tontolo iainana fa hazo miisa 160.000-180.000 farafahakeliny no nokopaina nanomboka hatramin'ny taona 2016 taorian'ny nankatoavan'ny governemanta Poloney ny fampitomboana avo telo heny ny habetsaky ny hazo izay azo alaina ao Białowieża,
Mividy ny vokatra eo an-toerana ny Ejypsiana
Nanapa-kevitra "hanao ankivy ny ankivy" sy hanitatra izany tsara kokoa i Inji, bilaogera tia fandrosoana sady tanora mpahay toekarena izay kivy noho ny mailaka sy hafatra SMS marobe ary mitaky ny hanaovana ankivy amin'ireo vokatra.
Bahrain: Marobe ireo tranonkala voakatona
Marobe ireo tranonkala nakatona tao Bahrain taorian'ny famoretana vaovao nataon'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao. Nahantonga ireo tranonkala tahaka ny Google Translate sy ny tranonkala ara-tsosialy, ara-pivavahana, momba ny zon'olombelona sy ny vondrona ara-politika ho tsy azon'ny olona nidirana tao Bahrain intsony ny fanakatonana farany.
[Lahatsary] Antsafa niarahana tamin'i Kwanele Butana avy ao amin'ny Grocott's Mail
Mpandrindra ny fandaharanasan'ny asa fanaovan-gazetin'ny olon-tsotra ao amin'ny gazety Grocott's Mail ao Grahamstown, Afrika Atsimo i Kwanele Butana. Tetikasa "The News is Coming" naorin'ny Knight News Challenge ny fandaharanasa. Ato amin'ny lahatsary, manoritsoritra ny maha-zava-dehibe ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra ny fanoratana momba ny vodrom-piarahamoniny ao an-toerana i Kwanele.
Mozika sy dihy Porro any La Loma, Kolombia
Catalina Restrepo avy ao amin'ny tetikasa HiperBarrio ao La Loma, tanànakely misy havoana any ambanivohitr'i Medellín, Kolombia, dia namokatra ity horonantsary ity hanehoana ny maha-zava-dehibe na mozika porro ao amin'ny vondrom-piarahamoniny.