22 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 22 Jolay 2018

Haiti: Firodanan'ny sekoly iray tao Haiti

''Tsy nanakana ny vaovao hitranga ny zava-misy fa tsy nila loza hafa i Haiti. Momba ny firodanan'ny sekoly iray tao Pétionville izany amin'ity indray mitoraka ity, izay niteraka fahafatesan'ny ankizy maro, ary olona maro tsy voatanisa naratra. Nihazakazaka hanolotra ny fiarahamiory sy ny fanohanany an-tambajotra ireo blaogera haitiana.''

22 Jolay 2018

Italia, Tonizia: Tenina Mpifindra Monina Mikasika ny Lohataona Arabo

Inona no hevitr'ireo mpifindra monina mipetraka ao Italia momba ny hetsika vao haingana tao Afrika Avaratra? Inona no hetvit'izy ireo mahakasika ny anjara asan'ny Aterineto? Ny fijoroana vavolombelon'izy ireo dia nangonina tao anatina lahatsary fanadihadiana izay nalefa mandritra ny Fihaonana ''Tonizia, ny vanim-potoanan'ny jasmina'', nandritra ny fetin'ny sarimihetsika Immaginafrica, ny 14 novambra 2011 tao Padoue.

22 Jolay 2018

Bangladesh : Nakarina ny karama farany ambany any amin'ny sehatry ny fanenoman-damba

Taorian'ny fihetsiketsehana sy fifampiraharahana maro nataon'ny mpampiasa sy ny mpiasa, nanapaka hevitra ny hanondrotra ny karama farany ambany ho 3000 tk isam-bolana (latsaky ny 40 eoros) ny fanjakana, izay mitovy amin'ny in-droan'ny karama farany kely indrindra ankehitriny. Mandajalanja ity revolisiona ho an'ny indostrian'ny lamba ao Bangladesh ity ny blaogera.

22 Jolay 2018

Reunion: Mavitrika mibilaogy

Manakaiky an'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, iray amin'ireo tontolon'ny bilaogy mavitrika indrindra ao amin'ny firenena miteny Frantsay i Reunion, Departemanta Frantsay am-pitandranomasina miorina ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ao Atsinanan'i Afrika.

22 Jolay 2018