Rosia: Olona Tompotany any Avaratra

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2007)

Den’ Olenevoda (Andron'ny Mpiompy Serfa vahiny), nankalazaina tamin'ny volana Marsa 2006, tao Kazym (Ugra, Okrug mizakatena Khanty-Mansi) – Sary avy amin'ilay mpisera Flickr  ugraland/Irina Kazanskaya

Raha manana ririnina miavaka tsy misy oram-panala sy mafana i Moskoa, ary toa hiditra amin'ny tondra-drano faha-302 i Saint-Pétersbourg, mitohy hatrany tahaka ny mahazatra ny fiainana ao Rosia.

Fomba iray hanombohana hianarana ny fiainana ao amin'ny firenena lehibe indrindra manerantany ny fijerena ny ambin'ireo sary famantaran’ugraland avy ao  Okrug mizakatenan'i Khanty-Mansi (aka Yugra, na Ugra). Ny zavatra manaraka fantatrao, dia hamandrika toerana amin'ny sidina mankany Beloyarsky (mandalo Moskoa) amin'ny volana Marsa ianao mba hanatrika ny “lalaon'ny orsa” eo an-toerana: Manome rohy  mikasika ny fikambanana izay mikarakara fitsidihana ny toby nômady (mpifindrafindra monina) i ugraland – “manampahaizana momba ny fitsidiham-paritra. Aza adinoina ny mitafy mafana.

Saingy alohan'ny hiaingana, tsy handratra ny zava-misy sasantsasany.

Mpisera LJ kunstkamera nandefa sary roa mahavariana avy amin'ny toerana indizeny hafa ao avaratr'i Rosia – tanànan'ny Nes, feno mponina Nenets: eto sy eto. (Fampitandremana: mavesatra ny fikorianan-tserasera – saingy tena tsara jerena.)

Hoy izy nanoratra:

The village feels depressing and hopeful at once. It's like a small-town market – the people aren't too friendly, say bad things about each other, told us a story of drunk Nenets guys who had a fight with an ethnic Russian policeman and ended up cutting off his head…

Still, in Nes’ – unlike in the neighboring [Arkhangelsk region], which is much more traditional, meaningful, but still on the verge of dying out – there is the feeling of life: half-nomadic, not making any sense, without the past and without the future, but life nevertheless. There are many “Burans” hurrying back and forth, many children, and the church doesn't stand empty. A temporary life that has turned into permanent home.

As you know, the Soviet regime aimed at limiting the independence of small-numbered peoples – and for this reason, it was doing all it could to make most of the Nenets and [Komi] people resemble the rank-and-file Soviet citizens. From age 7, the nomads’ children were taken away to boarding school, and right after that, to the army, after which they returned as completely different people – as a rule, they drank heavily, were obedient and could hardly speak their native language. The village of Nes’, an administrative center, was fitted for such “cultured” Nenets people. About 1,200 people live in it now – there are Nenets, Komi and Russians among them. For the Nenets, unlike for the Komi, there exist many benefits that are supposed to help save their heritage. But, unfortunately, this money, for the most part, is spent on alcohol that the Mongoloid Nenets don't need much of. The deer-breeders’ children still attend boarding school, though the rules of their stay there have softened somewhat: as their parents are passing by with their herds, they are allowed to take the children along with them for the weekends and vacations.

[32 photos from the village and the boarding school]

Mahatsiaro kivy nefa be fanantenana ihany koa ny tanàna. Tahaka ny tsena an-tanàna kely – tsy tena mifankatia ireo olona, mifanaratsy, mitantara aminay momba ireo lehilahy Nenets mamo izay niady tamin'ny polisy foko Rosiana ary niafara tamin'ny fahatapahan'ny tanany …

Kanefa, ao Nes – tsy tahaka ny ao amin'ny manodidina [faritra Arkhangelsk], izay mandala ny nentin-drazana kokoa, manan-danja, saingy eo an-dalam-panjavonana – misy ny fahatsapana fiainana: mpifindrafindra monina ampahany, tsy misy dikany, tsy manana ny lasa sy tsy manana ho avy, saingy fiainana kosa na izany aza. Maro ireo “Burans” maikamaika, ankizy marobe, ary tsy foana ny fiangonana. Fiainana tsy maharitra izay nivadika ho trano maharitra.

Araka ny fantatrao, nikendry hametra ny fahaleovantenan'ny vahoaka vitsy an'isa ny fitondrana Sovietika- ary noho izany antony izany, nanao izay vitany izy mba hahatonga ny ankamaroan'ireo vahoaka Nenets sy [Komi] mba hitovy amin'ny olom-pirenena Sovietika tanteraka. Manomboka ny faha-7 taona, nentina teny amin'ny sekoly kilasimandry ireo ankizy mpifindrafindra monina, ary avy eo any amin'ny tafika, ary lasa olona hafa tanteraka izy ireo avy eo – amin'ny ankapobeny, nisotro toaka be loatra izy ireo, mpankatoa ary zara raha nampiasa ny tenin-drazany. Natao ho an'ny vahoaka Nenets “nahita fianarana” tahaka izany ny tanànan'i Nes ‘, foibem-panjakana. Olona eo amin'ny 1200 eo no monina ao ankehitriny – ahitana Nenets, Komi sy Rosiana. Ho an'ny Nenets, tsy tahaka ireo Komi, misy ny tombontsoa marobe izay heverina fa hanampy hiarovana ny lovan'izy ireo. Saingy indrisy fa nolaniana tamin'ny toaka izay tsy tena ilain'ny Mongoloid Nenets betsaka izany vola izany amin'ny ankamaroany. Mbola mianatra eny amin'ny sekoly kilasy mandry ireo zanaky ny “mpiompy serfa”, na dia somary nohamaivanina aza ny fitsipika momba ny fijanonan'izy ireo: rehefa mandalo miaraka amin'ny biby fiompiny ny ray aman-drenin'izy ireo, mahazo maka ny zanany hiaraka amin'izy ireo mandritra ny herinandro maromaro sy andro fialan-tsasatra izy ireo.

[Sary 32 avy ao an-tanàna sy ny sekoly kilasimandry]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.