Bangladesh : Nakarina ny karama farany ambany any amin'ny sehatry ny fanenoman-damba
Efa nanontany tena ve ianareo momba ny toerana anamboarana ny T-shirts sy ny pataloa anareo? Raha ao Amerika Avaratra ianareo na ao Eoropa Andrefana no mipetraka, maromaro kokoa ny vintana maha-avy any Bangladesh ny iray amin'ny akanjo anaovanareo. Tsy ao an-tsainareo mihitsy fa nyo vola miditra avy amin'ny fanondranan'ny firenena dia avy amin'ny fanondranana indrindra [amin'ny teny anglisy] ireo akanjo vonona ny hanaovana (VPP) izay eo amin'ny 75%-n'ny vola azo avy amin'ny fanondranana ao Bangladesh.
Fa tato ho ato, nisedra fifanenjanana teo amin'ireo mpiasa sy mpampiasa ny sehatry ny fanenomana lamba, nifantoka teo amin'ny olan'ny karama. Voafehy amin'ny resaka mpiasa manana fahaizamanao saingy mora karama ny tombontsoa fahafahan'i Bangladesh mifaninana, saingy ankehitriny, noho ny fiakaran'ny vidim-piainana dia lasa mampihomehy ny karama farany ambany indrindra. Vitan'ireo fikambanan'ny tompona orinasa mpanao lamba no nampikatso nandritra ny fotoana maro ny fifampiraharahana momba ny fampiakarana ny karama farany kely indrindra tamin'ny fitazonana ny hoe, raha mampiakatra ny karama izy ireo, tsy afaka ny hitazona ny fifaninanany ary ho very tsena, indrindra amin'ity fotoanan'ny krizy ara-toekarena erantany ity. Ny fialàna olana iray hafa aroson-dry zareo koa dia ny hoe, satria manao ora fanampiny ny ankamaroan'ny mpiasa, mahazo in-dray sy tapany na in-droan'ny karama farany ambany indrindra izy ireo. Fa nampitombo ny fomba fanao ratsy atao amin'ireo mpiasa amin'ny fanerena azy ireo hampivangongo ora fiasana izany.
Mampiasa eo amin'ny mpiasa 3 tapitrisa eo ny orinasan'ny lamba ao Bangladesh – izay vehivavy ny 80% – any aminà orinasa 5000 eo. Manolotra (amin'ny teny bengali) ny tontolo manodidina ity fifanolanana ara-tsosialy ity i Mahfuzur Rahman Manik :
সর্বশেষ ২০০৬ সালে বর্তমান বেতন কাঠামো নির্ধারণ করা হয়। সর্বনিম্ন বেতন স্কেলের জন্য তখন মজুরি বোর্ডের সুপারিশ ২৩০০ টাকা থাকলেও মালিক পক্ষের চাপাচাপিতে নির্ধারণ করা হয় ১৬৬২ টাকা। বর্তমান মূল্য ও মুদ্রা; দুইয়ের স্ফীতির এই বাজারে একজন শ্রমিকের নিজের পক্ষেই শহরতলীর বস্তিতেও দিনযাপন করা অসম্ভব। তিন বছর পার হলেও সে বেতনের আর পরিবর্তন হয় নাই।
Tamin'ny 2006 no farany nametrahana ny ambaratongan'ny karama. Nanolotra hevitra ny hametrahana ny karama farany ambany indrindra ho 2300 taka (25€) isam-bolana ny filankevitry ny fitantanana ny karama, fa taoriana fifampiraharahana mafy, nampidina izany ho 1662 taka (18€) isam-bolana ireo mpampiasa. Lasa sarotra ho an'ny mpiasa ny miaina miaraka amin'ny karama toa izany noho ny fihenan'ny sandambola sy ny fiakaran'ny vidim-piainana, na any amin'ireo tanàna mahantra na any an-drenivohitra. Nandritra ny telo taona be izao, tsy nisy fanovana ny karama farany ambany indrindra mihitsy.

Kely noho ny dolara 1 isanandro, izany no fahantrana fara-tampony! Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, Social Alterations // Visual Lab. CC BY-NC-SA
Manome ny tolokeviny (amin'ny teny bengali) ho fanondrotana ny karama i Mohammad Golam Nabi :
বেতন বৃদ্ধির দাবীতে গার্মেন্টস ফ্যাক্টরিগুলোর উত্তাল হয়ে উঠার বিষয়টি বেশি করে শুরু হয়েছে ২০০৭ সালের শেষ ভাগে। [..]
আমাদের গার্মেন্টস শ্রমিকদের একদিনের বেতন ৫৫ টাকা থেকে শুরু। এই টাকায় খাবে, ঘর ভাড়া দেবে, সাবান কিনবে, গোসল করবে আমরা কি করে আশা করি। [..] প্রজনন স্বাস্থ্যের যত্নবিহীন এই নারীরা যে সন্তান জন্ম দেবে, সেই সন্তান এই দেশের আগামী প্রজন্ম মনে রাখুন।
Niantomboka tany amin'ny faran'ny taona 2007 ireo hetsi-panoherana ho amin'ny fanondrotana ny karama. […]
Manomboka amin'ny 55 taka (60 cents) ny karama isanandron'ny mpiasa amin'ny orinasan-damba iray. Io karama kely io no tsy maintsy ampiasaina mba handoavana ny hofan-tranony, ny sakafony, ny saran'ny fitsaboana, sns. […]. Tsy hanan-tsafidy afa-tsy ny hiteraka zaza anatin'ny fepetra tsy ara-pahasalamana ireo vehivavy rehetra ireo, nefa ireo zaza ireo no ho andian-taranaka hoavy – noho izany, aoka hitandrina !
Mihevitra i Sharif Kafi fa tsy mifototra eo amin'ny olan'ny karama ny anton'ireo fikorontanana tato ho ato eo anivon'ny indostrian'ny lamba fa eo amin'ny fanararaotana tsy ara-dalàna ataon'ny mpampiasa sasany amin'ireo mpiasa :
এসব ঘটনা ঘটার মূল কারণ শ্রমিকদের অত্যন্ত কম বেতন দেয়া, গার্মেন্টস মালিক কর্তৃক বেতন বকেয়া রেখে পরে তা শোধ না করা, বকেয়া বেতন ও বকেয়া ওভার টাইম এবং বকেয়া ভাতাদি পরিশোধ না করে হঠাৎ করে ফ্যাক্টরি বন্ধ করে দেয়া এবং ঈদের আগে সময় মত বেতন-বোনাসের টাকা পরিশোধ না করা অথবা না করে ফ্যাক্টরী বন্ধ করে দেয়া। অথচ এক শ্রেনীর গামেন্টস মালিকরা এসব ঘটনাকে বিদেশী চক্রান্ত বলে সবার চোখে ধুলো দেয়ার চেষ্টা করছে।
Betsaka no antony fototra mahatonga izany : tena ambany be ny karaman'ireo mpiasa, betsaka ny tsy fahavitàna mandoa ara-dalàna ny karaman'ireo mpiasa, tsy mandoa karama ny orinasa rehefa mikatona, na tombon-karama rehefa tonga ny fetin'ny aïd. Ankoatr'izay, miezaka ny hanambany ireo mpiasa ny tompona orinasan-damba sasany amin'ny filazana fa lafiny ara-politika ireo trangan-javatra ireo.
Taorian'ny fotoana lavabe nifampiraharahana teo amin'ny mpampiasa sy mpiasa, nanapa-kevitra ny hampiakatra ny karama farany ambany ihany ny fanjakana ny farany mba hametrahana izany ho 3000 taka (33€), izay in-droan'ny karama ankehitriny. Nambara tamin'ny 29 jolay ny ambaratongan'ny karama.
Manolotra FSV (Fanontaniana Sy Valiny) momba ny karama sy ny indostrian'ny lamba i Arif Jebtik , blaogera, mpanoratra sady mpandraharaha tamin'ny fipetrahana amin'ny toeran'ny mpitantana orinasa. Ahitàna sombiny amin'ny lahatsoratra nosoratany ao amin'ny tranonkala Sachalayatan :
* নতুন বেতন যদি নূন্যতম বেতন ৩০০০ টাকা করা হয়, তাহলে এই সেক্টরে কী সমস্যা দেখা দিতে পারে ? গার্মেন্ট শিল্প কি বন্ধ হয়ে যাবে ?
: নাহ, আদতে তেমন কোনো ক্ষতি হবে না। কারন তখন সব গার্মেন্টই বেতন বাড়াতে বাধ্য হবে, সুতরাং তারা মূল্যও বেশি দাবি করবে। বায়ারদের হাতে এই মুহুর্তে কোনো বিকল্প নেই, তাই তারা বেশি দামেই কাপড় কিনতে বাধ্য হবে। মনে রাখতে হবে আমরা যে কাপড় সেলাই করি, সেটি খুবই বেসিক এবং কম দামের, সুতরাং এই কাপড়ের চাহিদা দুনিয়াতে থাকবেই।
* নতুন বেতন বৃদ্ধিতে গার্মেন্টের লাভ কমে যাবে বলে অনেকেই ধারণা করছেন। গার্মেন্ট শিল্পগুলো কিভাবে চলবে তখন ?
: আসলে বেতন বৃদ্ধি আমাদের জন্য এক ধরনের আশীর্বাদ হিসেবে আসবে বলে আমার ধারণা। এখন গার্মেন্টগুলো বাধ্য হবে নতুন প্রযুক্তির প্রচলন করতে এবং বৈজ্ঞানিক পদ্ধতিতে উৎপাদন ব্যবস্থাপনা করতে। এটি এই শিল্পের জন্য ভালো হবে। প্রোডাকশন ইঞ্জিনিয়ারিং চালু হবে, দক্ষ শ্রমিক ও মিড লেভেল ব্যবস্থাপনা তৈরীর জন্য প্রশিক্ষনের ব্যবস্থা করতে হবে।
*Raha misondrotra ho 3000 taka ny karama farany ambany indrindra, olana inona no ho atrehan'ity sehatra ity ? Orinasa maro ve no hikatona?
- Tsia, tsy mahita orinasa hiroboka amin'ny faty antoka lehibe aho. Satria samy hampiakatra ny karamany avokoa ny orinasa rehetra eo amin'io sehatra io, hiakatra toy izay ihany koa ny vidin'entana. Tsy dia manana fahefa-mividy be ny mpividy, tsy maintsy hanaraka ity fisondrotan'ny vidin'entana ity izy ireo. Mila saininareo fa raha ny mahazatra, akanjo tena ilaina sy tsy dia lafo vidy no vokarintsika, noho izany, hanaraka ihany koa ny fangatahana eran-tany
* Milaza ny sasany fa hihena ny tombontsoa azon'ny orinasa ary hiteraka ny fikatonan'izy ireo izany. Ahoana no hahafahan'izy ireo hivelona aminà masonkarena lafo be ?
- Mihevitra aho fa ho fitahiana ny fanondrotana karama. Mila mampihatra teknolojia sy fomba famokarana ara-tsiansa vaovao ny orinasa. Hahazoan'ny indostria tombony izany. Homena aina vao indray ny sehatra toy ny teknika indostrialy, mila mandray anjara amin'ireo fampiofanana ireo ny mpiasa manana ny fahaizamanao sy ireo mpifehy.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...