Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

12 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 12 Jolay 2018

Ny mahazavadehibe ny fananana mpikatroka Afro-feminista ao amin'ny governemantan'i Costa Rica

Ny Tetezana - The Bridge

"Raha novonoina amin'ny maha mainty, feminista ary amin'ny maha feo mpanivaka azy eo amin'ny politika i Marielle Franco tao Brezila, dia mpitarika nankatoavina avy ao amin'ny hetsika Amerika Latina Mainty hoditra i Epsy Campbell, izay lany ho filoha lefitr'iCosta Rica...."

Maoritania avy amin'ny fijerin'ny artista portiogey iray

Miaina ao Nouakchott, Maoritania, izay hanaovany hosodoko sy hamelomany toeram-pampirantiana zavakanto iray ny artista Portiogey Isabel Fiadeiro. Manao kisoritsoritra tantara an-tsary avy amin'ny zavatra hitany ihany koa i Fiadeiro, mameno ny bilaoginy amin'ny sarin'ny fiainana andavanandro ao amin'ity firenena Afrikana Andrefana ity. Nifampiresaka taminy ny Global Voices...

Korea: 518, Fandripahana tao Gwangju

518 ny tarehimarika. Tarehimarika tsy adinon'ny Koreana. Feno '518' nandritra ny andro maromaro ny bilaogy ho fahatsiarovana ny Fandripahana tao Gwangju (Hetsika Demaokratizasiona tao Gwangju) tamin'ny 18 May 1980.

Iran: Bilaogera manoratra boky momba ny fiantraikan'ny aterineto

Cyrus Farivar dia bilaogera, mpanao gazety sady mpanoratra monina ao Etazonia. Manoratra boky momba ny fiantraikan'ny aterineto eo amin'ny fiarahamonina izy ankehitriny. Manoratra momba ny fiantraikan'ny aterineto ao Iran, Senegaly, Korea Atsimo ary i Shipra.

Bilaogeran-dahatsary manerantany nifaninana hahazo ny BOBs (fizarana I)

Nisafidy mpifaninana miisa 176 amin'ny sokajy 16 ny BOBs tamin'ny fifaninanana isan-taona izay nokarakarain'ny Deutsche Welle ho an'ny famokarana amin'ny aterineto. Ao amin'ny sokajy famahanana bilaogin-dahatsary, nifaninana hisalotra ny ho tsara indrindra ao amin'ny vondrona misy azy ireo mpandray anjara avy amin'ny faritra samihafa.

Mampiantrano ny lalaon'ny nosy ao amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara

Manomboka ny Lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indiana ao Madagasikara ary mientanetana momba izany ny vahoaka.