Mampiantrano ny lalaon'ny nosy ao amin'ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara

(Lahatsoratra teny Anglisy nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2007)

jeux des iles

Manomboka ny Lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indiana ao Madagasikara ary mientanentana momba izany ny vahoaka.

Harinjaka manome antsika sahady ny sombin'izay mety hitranga rehefa mody:

“C’est parti pour le 7 ème Jeux des îles de l’Océan Indien (JIOI).
La flamme olympique arrive aujourd’hui au stade de Mahamasina (Tananarive) pour annoncer l’ouverture des 7èmes JIOI, qui se tiendront du 9 au 19 août à Tananarive.
Plus de 200 athlètes originaires de sept îles de l’océan Indien, à savoir les Comores, les Maldives, l’île Maurice, Mayotte, La Réunion, les Seychelles et Madagascar, participeront à 16 différents sports pour cette competition.[..]

j’ai pu ressentir l’excitation des malgaches dont l’émotion est vraiment palpable [..]
Sachez quand même que 86 pays vivront en direct la plupart des compétitions.

«Manomboka ny Lalaon'ny nosy faha-7 ao amin'ny Ranomasimbe Indiana (IOIG).
Tonga androany ao amin'ny kianjan'ny Mahamasina (Antananarivo) ny afo Olaimpika mba hanamarihana ny fisokafan'ny JIOI faha-7, izay hotontosaina ny 9 hatramin'ny 19 Aogositra ao Antananarivo.

Atleta maherin'ny 200 avy amin'ireo nosy fito ao amin'ny ranomasimbe Indiana: Komoro, Maldiva, Maorisy, Mayotte, Reunion, Seychelles sy Madagasikara no handray anjara amin'ny fanatanjahatena 16 karazany hifaninanana. [.]

Tsapa ny fientanentanana teo amin'ireo vahoaka Malagasy izay azo tsapain-tanana ny fientanentanam-po noho ny lalao [.]

Fantaro fa firenena 86 no afaka hanaraka mivantana ny ankamaroan'ny lalao.”

Nanampy tao amin'ny takelaka fanehoan-kevitra i Su fa tena zava-dehibe ny lalao satria nambara ho andro tsy fiasàna ny andro fisokafan'ny lalao

( Ravi, sary biby famantarana ofisialy amin'ny Lalaon'ny Nosy Ranomasimbe Indiana. Sary: http://www.jioi2007.mg/)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.