08 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 08 Jolay 2018

Amin'ny fanoherana ny zon'ny pelaka, miara-dalana mba hisara-kevitra kokoa ny solontenan'ny mpitondra fivavahana avy ao Trinite sy Tobago

Manao izay azonareo atao mba hampihenana ny vono olona, fametavetana ny ankizy, herisetra an-tokantrano, adin'ny andian-jiolahy, ny tsy fananana fialofana, fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana, ny hantsana amin'ny karama, ny kolikoly,... Eh! Zava-dehibe kokoa ny fampiasana ny fitarihanareo hibaiko hoe iza no manan-jo na tsia hifankatia.

08 Jolay 2018

Armenia : Nodidiana Hanao Hetsika ny Tafika Taorian'ny Nivoahan'ny Lahatsarim-Pamolahana Iray Tety Anaty Aterineto

Mitohy mivezivezy ety anaty aterineto, Youtube sy Daily Motion, ny lahatsary iray mampiseho ny toa fandementsaina mibaribary natao tany anivon'ny andian-tafika iray nitoby tao Nagorno Karabakh, faritany iray ifandrana be sy mitaky fizakantena ao anatin'i Azerbaïdjan ary Armeniàna ny ankamaroan'ny mponina ao aminy..

08 Jolay 2018

Vehivavy mpitarika telo manandratra ny feony  

Rising Voices

Raha vao nanomboka ny volana May 2007 ny Rising Voices dia nanantena izahay fa hisy farafaharatsiny ny sasany amin'ny mpandray anjara amin'ny tetikasa hisandratra ho mpitarika matanjaka. Tsy nanantena anefa izahay na izany aza fa ho vetivety dia hiseho ireo mpitarika ireo ary vehivavy ny maro an'isa tamin'izy ireo.

08 Jolay 2018

Kenya : Maurine, Miaina Miaraka Amin'ny VIH no Sady Mpikatroka Ao Amin'ny Fikambanana “Repacted”

Rising Voices

Ny Repacted , tarika mpanao tantara tsangana eny an-dalambe avy ao Nakuru, Kenya, izay mahazo fanohanana ara-bola efa hatry ny ela avy amin'ny Rising Voices, dia manohy miasa any amin'ireo vohitra manodidina miaraka amin'ny "Teatira Magnet" mba hampahafantatra, indrindra fa ireo tanora, momba ny fisorohana ireo olana ara-pahasalamana toy ny VIH/SIDA sy ny raboka.

08 Jolay 2018