Taiwan: Mihetsika ny bilaogera mba hanavotra ny toeram-pitsaboana Lo-Sheng

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny marsa 2007)

Losheng Sanatorium dia hôpitaly ho an'ireo boka ao ambanivohitr'i Taipei. Nanomboka ny taona 1930, ity hôpitaly ity no hany hopitalim-panjakana ho an'ny mararin'ny Hansen (habokàna) ao Taiwan. Tamin'ny taona 2001, noho ny fanamboarana fitateram-bahoaka haingana ao Taipei, nikasa hanova ny Losheng ho hopitalin'ny kaominina ny manampahefana, ka namarana ny fitsaboana sy ny fikarakarana ireo mararin'ny habakoana teo aloha. Mpianatra maro, mpandamin'asa andrenivohitra sy FTMF (ONG) no niezaka hiaro ity toeram-pitsaboana ity nanomboka tamin'izany fotoana izany.  5 taona taty aoriana, nanam-bitana ihany izy ireo, nahatonga ny governemanta handinika endrika vaovao izay mitahiry ny 90% ny toeram-pitsaboana, fa tsy ny drafitra tany am-boalohany izay 41% monja.

Na dia izany aza, roa andro lasa izay, nangataka tamin'ireo mararin'ny habokàna teo aloha izay nijanona ao amin'ny toeram-pitsaboana mba hifindra alohan'ny 13 Martsa ny Departemantan'ny Rafitra Famindrana Haingana (Fitateram-Bahoaka) (Taipei), raha tsy izany hampiasa hery amin'ny fanatanterahana izany ny polisy. Ny marainan'io (8 Marsa), nanaparitaka olona 50 nivorivory teo anoloan'ny trano fonenan'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka Yuan , Atoa Su Tseng-Chang, ny polisy miisa 200. Niantso izany ho andro mainty i Yao, bilaogera nanatrika tao tamin'izany fotoana izany :

我看到警方拖著一個阿伯的身體,但阿伯無力抵抗,他的義肢因為被拉扯,掉落在地上,而旁邊的學生不捨的哭喊著:警方不要用暴力!然而卻換得了甚麼?一次一次無情的進攻。

Nahita polisy nitaritarika lahy antitra izay tena efa antitra tsy afaka nanohitra aho, ary avy eo nianjera ny tongony efa artifisialy. Niantsoantso ny mpianatra iray mba hangataka amin'ny polisy tsy hampiasa herisetra, saingy inona no valin'izany? Fanafihana tsimifaditrovana, hatrany hatrany.

Rehefa avy niresaka tamin'ny namany izay nanatrika tao koa, namariparitra ny tafika maherisetra tamin'ireo olona antitra ireo i DarkBringer :

Brutal Force。毫不掩飾的暴力。這是為了即將到來的強制拆遷作預習嗎?還是今天多打倒一個老人,來日就少搬一個老人?

“Tafika maheriseha, eny tafika maherisetra fotsiny. Fanomanana ny fandravana amin'ny andro ho avy izany? Sa te-hamely lahy antitra fotsiny izy ireo amin'izay vitsy sisa no afindra? “

Na dia ny hangataka amin'ny governemanta mba hihazona ny teniny hampiantso fihaonambe hiresahana ny drafitra vaovao ampahibemaso aza ny fihetsiketsehana, aleon'ny fampahalalam-baovao nifantoka tamin'ny fifandonana fa tsy tamin'ny fanambaran'ny mpanao fihetsiketsehana. Nanoratra ny fijeriny i PipperL:

看看那些電子媒體的報導,大多集中在「衝突」的場面。是的,就是衝突,有拉扯的鏡頭,有尖叫哭喊的鏡頭,有推擠晃動的鏡頭,這才是那些SNG車和記者們想要的鏡頭。緊張緊張緊張! 刺激刺激刺激! 這樣才有收視率,這樣才能讓拿著搖控器一直轉台的觀眾停在這一台。而當衝突的鏡頭播完了之後,今天去抗議的原因呢? 這個事件來龍去脈的追蹤呢? 各方團體的立場和角力呢? 未來事態可能發展的走向呢? 管他的,進下一則政治人物參選登記的新聞吧。

Jereo ny fahitalavitra, ny fifandonana ihany no ifantohan'izy ireo fa tsy ny fihetsiketsehana. Eny, ny fifandonana. Mihiaka, miantsoantso, natosika sy nahozongozona ny vahoaka. Izy ireo no tian'ny SNG sy ny mpitati-baovao alaina. Mahasarika ny mason'ny mpijery ny fihenjanana sy ny fientanentanana, ary mahatonga azy ireo hihazona ny telekomandy sy hiraikitra eo amin'ny fantsona. Saingy rehefa mifarana ny lahatsary, nahoana ireo olona ireo no mivorivory? Inona no tena anton'ny fihetsiketsehana? Mety mitondra mankaiza ny hetsika? Tsy misy miraharaha, mifindra amin'ny lohateny manaraka fotsiny izy ireo — iza no mpanao politika misoratra anarana ho kandidà hofidiana filoham-pirenena 2008.
Mandritra izany, Ancorena namoaka tao amin'ny bilaoginy fa nanapa-kevitra hifidy izay olona afaka manavotra an'i Losheng izy:

「如果有任何政治人物,尤其是總統大選候選人,能為樂生全區保存採取行動,並且產生實際效用的,在選舉時只要涵蓋到我的選區,就會獲得我的支持。」

Raha misy mpanao politika, indrindra kandidà hirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin'ny taona 2008, ka afaka manampy anay hitahiry ny toeram-pitsaboana manontolo, dia hanohana azy ao amin'ny distrikam-pifidianana misy ahy aho mandritra ny fampielezan-kevi-pifidianana.

Nanamboatra taratasy apetaka sy soso-kevitra ho an'ny olona te-hanatevin-daharana ity fihetsiketsehana ity i Anocrena.

Tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Taiwan, bilaogera maro ankehitriny no miara-miasa amin'ny lahatsoratr'izy ireo, sary, lahatsary ary koa manao fandraisam-peo miaraka, mitady fanohanana avy amin'ny fiarahamonina. Mba hanamafisana ny hetsika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy, nanapa-kevitra hanitatra ny hetsika eo amin'ny tontolo tena izy ireo bilaogera ireo. Raha mitatitra ny hetsik'izy ireo ny fampahalalam-baovao, maro ny olona afaka mahafantatra ny zava-mitranga. Tahaka ny teny nodradradradrain'i wenli:

「是該採取攻勢的時候了。」

Fotoana firosoana masiaka izao!! It's time to be offensive!!

Nosoratan'i Swpave, nahitsin'i PipperL sy abstract. Mpikambana ao amin'ny Tetikasa GV Shinoa avokoa ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.