Tantara tamin'ny 11 Jona 2018
Fanakonam-bolana nanome aingam-panahy ireo bilaogeran-dahatsary
Nampiseho ny takonam-bolana feno ny lahatsary avy amin'ny firenena samihafa, raha toa ka sendra tsy nahita izany ianao na raha mbola mahatsiarotsiaro indray ilay fotoana. Niseho ny 20 Febroary ilay hany takonam-bolana hitantsika ny taona 2008, sady ilay farany mandra-pahatonga ny 21 Desambra 2010 .
Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ao amin'ny bilaogy Toniziana
Ny 13 Aogositra Androm-pirenen'ny vehivavy ao Tonizia. Naparitaka tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny antso mba hiarahana amin'ny fankalazana miaraka amin'izao tontolo izao ny 8 Martsa.
Tonizia: Antso handinihana ny Etikasan'ny asa amin'ny Fetin'ny Asa
Manamarika ny fetin'ny asa manerantany ny 1 Mey ary nanararaotra izany ireo bilaogera Toniziana mba haneho hevitra momba ny zavatra iainan'ny mpiasa sy ny fahakamoan'izy ireo.
Maraoka: Ny herinandro an-tsary
Avy any an-drenivohitr'i Rabat mankany ambanivohitr'i Marrakesh mahafinaritra, mitondra antsika ny fitsidihana an'i Maraoka an-tsary i Jillian York tamin'ny alalan'ireo bilaogera.
Tonizia: Tsy noraharahian'ny fitsarana ny fitoriana manohitra ny sivana amin'ny facebook
Nolavin'ny fitsarana Toniziana ny raharaha manohitra ny sivana amin'ny Facebook, fitoriana izay napetrak'ilay bilaogera sady mpanao gazety Ziad El Heni tamin'ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana (ATI).