Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ao amin'ny bilaogy Toniziana

 (Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mankalaza ny Androm-pireneny ho an'ny vehivavy i Tonizia amin'ny 13 Aogositra. Naparitaka tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny antso hanatevenana laharana ny vehivavy manerantany amin'ny fankalazana ary hanamarihana ny andro miaraka amin'izao tontolo izao amin'ny 8 Martsa.

Ny 13 Aogositra no manamarika ny andron'ny Fehezan-dalàna ho an'ny Sata Manokana izay nankatoavin'ny ny filoha teo aloha Habib Bourguiba tamin'ny taona 1956 – lalàna lehibe izay nanafoana ny fampirafesana, nametraka ny fisaraham-panambadiana ara-dalàna ary nametraka ny fe-taona fanambadiana ho 17 taona raha kely indrindra ho an'ny vehivavy. Mba hahitana izany, heverinay fa manana tombony manokana ny vehivavy Toniziana ary mizaka tsara ny zo sy ny fahalalahan'izy ireo. Na izany aza dia, hafa ny fiainana andavanandro. Niresaka momba ity zava-misy ity tamin'ny Andro Manerantany ho an'ny Vehivavy ireo bilaogera sasany.

Bilaogera Abu Nadhem nanolo-kevitra ny hampiarahana ny roa andro ho andro iray ary hampiditra ny hetsiky ny vehivavy any Tonizia amin'ny an'ny iraisam-pirenena. Eny tokoa, hoy izy tao amin'ny bilaogy Ya tounes :

واليوم على مشارف القرن 21 و تونس تعتبر سباقة عربيا في الاعتراف بحقوق المراة بوضع مجلة الاحوال الشخصية فإن الزعيم بورقيبة اختار مع ذلك يوم 13 اوت يوما وطنيا للمراة ولا نعلم مع ذلك سبب تجاهل 8 مارس ؟؟؟ فهل ان الاوان للاعتراف ب 8 مارس يوما وطنيا ودوليا للمراة ؟؟بجعل المراة التونسية جزءا من الحركة النسوية العالمية ؟؟؟؟؟؟

Androany, amin'ny taonjato faha-21, heverina ho toy ny firenena Arabo loha-laharana amin'ny fankatoavana ny zon'ny vehivavy amin'ny alàlan'ny Fehezan-dalàna momba ny Sata Manokana i Tonizia. Nisafidy ny 13 Aogositra ho androm-pirenena ho an'ny vehivavy ny filoha teo aloha Bourguiba, na dia izany aza, tsy fantatsika ny antony tsy firaharahiana ny 8 martsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy ??? Rahoviana isika vao hanaiky ny 8 martsa ho androm-pirenena sy iraisam-pirenena mba ho ao anatin'ny hetsiky ny vehivavy manerantany ny vehivavy Toniziana ??????

Satria nifanindry tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'ny Mpaminany Mohammed, fankalazana malaza ao amin'ny alimanaka Toniziana ny andro manerantany ho an'ny vehivavy tamin'ity taona ity, nampifandray fotoana roa tao amin'ny lahatsoratr'izy ireo ny bilaogera sasany. Neji khachnaoui, ohatra, nanoratra toy izao:

مرحى لنا بالقيروان عاصمة اسلامية وليست عاصمة للثقافة الاسلامية
مرحى لنا بشيخ يفتي ان المرأة سنة 2009 تُطلق بلسان رجلها
مرحى لنا بمجلة الأحول الشخصية تتقهقر أرضا
مرحى لنا ببلاد نصفها رجال والنصف الآخر ذكور
مرحى لنا بنساء يحتفلن بيوم حريتهن بالعصيدة والزقوقو
مرحى لنا بهذه الشيزوفرينا المؤسسة لجمهورية الغد
Andeha hiarahaba antsika amin'izao fotoana izao fa nambara ho renivohitra Islamika fa tsy renivohitra ho an'ny kolontsaina Islamika i Kairouan .
Aoka isika ho faly amin'ny Sheikh [mpitondra fivavahana] nambara tamin'ny taona 2009 fa ny lehilahy dia afaka misaraka ny vadiny amin'ny filazana fotsiny hoe: “Sarahako ianao.”
Aoka isika ho faly amin'ny Fehezan-dalàna momba ny Sata Manokana izay miharava hatrany, isan'andro isan'andro.
Aoka isika ho faly amin'ny firenena izay antsasaky ny lehilahy ny mponina, ary lehilahy ihany koa ny antsasany ambiny.
Aoka isika ho faly amin'ny vehivavy mankalaza ny andro fahalalahany amin'ny alàlan'ny fanomanana ny Assida [Toniziana mankalaza ny tsingerin-taona nahaterahan'ny Mpaminany amin'ny alalan'ny fahandroana Assida zgougou, sakafo malaza eo an-toerana].
Aoka isika ho faly amin'ny [be fanadinoana] izay hampiasaintsika hametrahana ny repoblikan'ny rahampitso.

Araka ny mahazatra, nisafidy sariitatra ilay bilaogera Adihevitra Toniziana http://debatunisie.canalblog.com/ mba haneho ny heviny ary nampifandray ity fankalazana ity tamin'ny Ammar 404, mariky ny sivana ao Tonizia sy ny tsingerin-taona nahaterahan'ny mpaminany, ity ny sary:

Caricature 1

Caricature 2

عمار ايجى ذوق العصيدة
Ammar tonga nanandrana ny Assida

Ny tena manaitra dia lehilahy avokoa ny ankamaroan'ireo bilaogera nibilaogy momba ny andron'ny vehivavy, izay vehivavy roa monja no nibilaogy momba ity fankalazana ity. l’As Number One nanoratra tamin'ny fitenim-paritra Toniziana ary nilaza hoe:

نبهت في التناقض الكبير بين افكار مواليد الاربعينات و الخمسينات و بين أفكار جيلي. اذا كانو الاولانين يعتبرو اللي عمل و دراسة المرأة حاجات اساسيّة يضمنو كرامةالمرا.
نحب نقول اللي الاكثريّة متاع شبابنا (ذكور و اناث)، ماهوش واعي بقيمة مجلة الاحوال الشخصية. و فمّا حتّى شكون يستنكرها ويطالب بالرجوع للوراء (الرجوع للأصل فضيلة)
الغريبة الكبيرة كيف تجيك ملاحظة كيف هاذي من عند فتاة و فتاة قارية الي أكبر طموحها تاخو راجل لاباس عليه باش اتشد الدار و هو يصرف عليها

Taitra noho ny fifanoherana lehibe eo amin'ny fisainan'ny olona teraka teo amin'ny taona efapolo sy dimam-polo izay niaraka tamiko aho. Ny vondrona voalohany (efa-polo taona) dia mahita ny asa sy ny fampianarana ny vehivavy ho singa tena ilaina mba hiantohana ny fahamendrehan'ny vehivavy. Saingy te hilaza aho fa tsy mahafantatra ny lanjan'ny Fehezan-dalàna ho an'ny Sata Manokana ny ankamaroan'ny tanora (vehivavy sy ny lehilahy). Miampanga izany ny sasany amin'izy ireo ary mangataka amintsika mba hiverin-dalana (fahendrena ny miverina amin'ny fiaviana). Ny tena maha-zendana dia avy amin'ny tovovavy nahita-fianarana ny antso tahaka izany, izay ny hanambady lehilahy manankarena sy hijanona ao an-tokantrano no tena fikasana lehibe eo amin'izy ireo. Raha mandany vola ho azy (vadiny) ny lehilahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.