Tonizia: Antso handinihana ny Etikasan'ny asa amin'ny Fetin'ny Asa

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Manamarika ny fetin'ny asa manerantany ny 1 Mey ary nanararaotra izany ireo bilaogera Toniziana mba haneho hevitra momba ny zavatra iainan'ny mpiasa sy ny fahakamoan'izy ireo.

Manoratra amin'ny teny Frantsay, Yellow nandinika ny andro ary nilaza hoe:

Il faut y penser non… une journée mondiale pour les chômeurs, pour le chômage… pour les manifestants, pour les syndicaux… et pour les papas aussi (fête internationale je veux dire) et pourquoi pas une journée internationale pour chaque pays (à part celle de qui fête l'indépendance ou celle qui a marqué l'histoire d'un peuple comme le 7 novembre chez nous..huh^^)

Tsy maintsy noeritreretina izany, sa ahoana? andro manerantany ho an'ny tsy an'asa, ho an'ny tsy fananan'asa…Ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana, ho an'ireo sendikaly sy ho an'ireo raim-pianakaviana ihany koa (andro iraisam-pirenena hoy aho) ary ahoana raha atao andro iraisam-pirenena ho an'ny firenena tsirairay (ankoatra ny andro fahaleovantenan'ny [firenena] na izay manamarika ny tantaran'ny vahoakany tahaka ny 7 Novambra aty amintsika, kkk!!

Tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny tenim-paritra Toniziana, Clandestine manome ity toro-hevitra manaraka ity ho an'ny mpiasa:

نحب بالمناسبة هاذي نشدّ على ايدين العمال و المزارعين (منعرفش علاش العبارة هاذي تحسسني اني شيوعي) و جموع الموظفين في الارض و المدرّسين و الاطباء و الفراملة و الاعوان الوقتيين (المصنفين و غير المصنفين) و الاعوان المتعاقدين و الاعوان الغير متعاقدين وعملة الحضائر (اللي مازالو يستنّاو في الترسيم ) و صنّاع الحجامة و صناع ورشات الميكانيك و صناع المقاهي والمطاعم (خاصة ذوي الخلق الحسن مع الحريف) و بعض صنّاع القرار اللي مازال عندهم شويّة ضمير.
و نحب كذلك ننصح الجميع (و انا معاكم) باش ينقّصو من التكركير و الفصعة وماكلة الكسكروتات و شرب القهوة و التاي بالكاكاوية في البيروات و يركّزو شوية على الخدم متاعهم … هي صحيح تشخر اما ميسالش, منزيدوهاش بوف
Amin'ity fankalazana ity, te-handray ny tanan'ireo mpiasa sy tantsaha aho (tsy fantatro akory ny antony mahatonga ity fitenenana ity toa manome fahatsapana fa kômonista aho), ary koa ny tanan'ireo mpiasa, mpampianatra, dokotera, mpitsabo mpanampy sy mpiasa antselika -ary koa ireo mpiasa manana fifanarahan'asa sy ireo mpiasa tsy manana fifanarahan'asa, ireo mpiasan'ny fanorenana, ireo mpanao volo sy ireo mpanamboatra fiara ary ny mpanome sakafo rehetra manerantany (indrindra ireo mpanaja mpanjifa), ary ny sasany amin'ireo mpanapa-kevitra izay mbola mahatsapa tena…
Manoro hevitra azy ireo (anisan'izany ny tenako) ihany koa aho mba hitsahatra amin'ny fahakamoana, tsy tonga miasa, mihinana sandwiches, misotro kafe sy dite miaraka amin'ny voanio ao amin'ny birao fa mba hifantoka amin'ny asa.

Arabasta manoratra lahatsoratra fohy:

تحية لكل من قدّم حياته يوما من اجل العمّال و سحقا لكل من نسِيَ هذه التضحيات يوما ما…
عذرا لقصر هذه التدوينة إذ لا تسعني الكلمات اليوم كي أعبر عما يختلج بصدري عندما أرى أوضاع العمّال و الشغالين في كل أنحاء العالم…
Miarahaba ny tsirairay izay efa nanao sorona ny tenany ho an'ireo mpiasa, ary tokony voaozona ireo izany nanadino izany sorona izany. Miala tsiny amin'ny hafohin'ity lahatsoratra ity – tsy afaka mamariparitra ny fahatsapako mikasika ny fiaretan'ny mpiasa manerantany ankehitriny ny teny.

Tratry ny fetin'ny asa ho an'ny mpiasa rehetra manerantany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.