02 Avrily 2018

Tantara tamin'ny 02 Avrily 2018

Mitady Anaran-tsehatra indigi Vaovao Ireo Mpikatroka Tompotany

  02 Avrily 2018

Natao anjorony sy nampijaliana nandritra ny taonjato maro, mitady fizakantena ara-aterineto ankehitriny ireo vahoaka tompotany (indizeny) izay matetika sokajian'ny fanjakana fa vitsy an'isa. Nentanin'ny fahafahana hamorona (gTLD) vaovao, te-hisoratra anarana amin'ny anaran-tsehatra azy ireo manokana [teboka] indigi ny mpikatroka sasany. Saingy hahavita handresy ny fanamby ara-bolan'ny aterineto ve izy ireo?

Kyrgyzstan: Adihevitra momba ny Filoha sy ny Parlemanta

  02 Avrily 2018

''Mpikambana tao amin'ny Antoko Sosialy Demokatrika ary kandidà ho solombavambahoaka i Baisalov. Taorian'ilay raharaha nanahirana momba ilay vatom-pifidianana, dia nandositra ny firenena izy araka ny voalazan'ny media teny an-toerana ary milaza ny tsaho fa any Kazakhstan izy ankehitriny no mipetraka.''

Syria: Ny Fifaninanan'ny Teknolojia

Nandritra ny herintaona izay, nitombo tao anatin'ny fiarahana sy ny fifandrafiana ireo orinasa ka niafara tamin'ny famoahan'ny Google ny Nexus One, ilay smart-finday izay nambara ho ilay tokana hany fandrahonana ho an'ny iPhone Apple. Nanatevin-daharana tamin'ny adin'ny  bilaogera ny tontolon'ny bilaogy Syriana.