Mitady Anaran-tsehatra indigi Vaovao Ireo Mpikatroka Tompotany

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary taona 2009 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Natao anjorony sy nampijaliana nandritra ny taonjato maro, mitady fizakantena ara-aterineto ankehitriny ireo vahoaka tompotany (indizeny) – vondrom-piarahamonina teratany manerana izao tontolo izao izay matetika sokajian'ny fanjakana fa vitsy an'isa. Nentanin'ny fahafahana hamorona anaran-tsehatra ankapobeny dingana faratampony vaovao (gTLD), te hisoratra anarana amin'ny anaran-tsehatra azy ireo manokana [teboka] indigi ny mpikatroka sasany. Saingy hahavita handresy ny fanamby ara-bolan'ny aterineto ve izy ireo?

www.dotindigi.com no tranonkalan'ny fanentanana ofisialy, miaraka amin'ireo vondrona fanohanana ao amin'ny Facebook sy Google. Tarihin'ilay mpikatroka teratany Maori avy ao Nouvelle Zelande, Karaitiana Taiuru, izay notendren'ny Task Force Tompotany Iraisam-pirenena hitarika azy ny tetikasa Dot Indigi. Atoa Taiuru no voalohany namoaka ny vaovao tamin'ny 5 Febroary:

[…]

.indigi is a self governing generic Top Level Domain Name for the international Indigenous Peoples population to participate in their own self governing domain name.

[…]

Today we officially begun our publicity campaign[…]

[…]

Anaran-tsehatra Ankapobeny Dingana Tampony milaza ny Vahoaka Tompotany Iraisampirenena ny .indigi handraisany anjara amin'ny anaran-tsehatra tantanin'izy ireo manokana.

[…]

Natombokay androany tamin'ny fomba ofisialy ny fanentanana dokambarotra amin'izany[…]

Manome antsipirihany bebe kokoa momba ny tetikasa ny Indigenous People's Issues Today  :

The Dot Indigi organization will apply to ICANN [Internet Corporation for Assigned Names and Numbers] for a new gTLD < .indigi> (or other if the community suggest a different version) to represent all indigenous groups of the world, thus removing the existing indigenous representation issues of the predominantly English DNS. The ability to include non English characters will be a priority at the 2nd and subsequent Levels.

The < .indigi> gTLD will offer registration at the 2nd Level Domain to indigenous organizations who would then govern their own domain name space and resell/distribute 3rd Level Domain names or retain a general project type name at the 2nd Level via the official .indigi registrars. Several other 2nd Level Domains will be made public to cater to indigenous individuals or smaller such groups who cannot justify the expense and set up of their own 2nd Level Domain.

[…]

For example: NZ [New Zealand] Māori may apply for .māori.indigi and create a new set of domain names to accommodate their culture. So say for Māori schools, there could be .kura.māori.indigi . Then Māori schools can have their name at the start of the address.

[…]

Ny fikambanana Dot Indigi dia hanao fangatahana amin'ny ICANN [Internet Corporation for Assigned Names and Numbers] amin'ny gTLD vaovao <.indigi> (na hafa raha toa ka manolo-kevitra endrika hafa ny vondrom-piarahamonina) hisolotena ireo vondrona tompotany rehetra eto amin'izao tontolo izao, ka hanesorana ny olan'ny fisoloan-tenan'ny tompotany (vazimba teratany) amin'ny fanjakazakan'ny DNS Anglisy. Ny fahafahana mampiditra ireo tarehintsoratra tsy Anglisy no ho laharam-pahamehana amin'ny Ambaratonga faha-2 sy ny manaraka.

Ny gTLD <.indigi> no hanome fisoratana anarana amin'ny Anaran-tsehatra Ambaratonga faha-2 ho an'ireo fikambanana tompotany te hitantana ny anaran-tsehatr'izy ireo manokana sy hivarotra indray/hanaparitaka Anaran-tsehatra Ambaratonga faha-3 na hihazona tetikasa ankapobeny karazana anarana amin'ny ambaratonga faharoa amin'ny alalan'ny mpampisoratra anarana .indigi ofisialy. Ampahafantarina ny daholobe ireo Anaran-tsehatra Ambaratonga faha-2 maro hafa mba hamaliana ny filàn'ireo olon-tsotra tompotany na vondrona kelikely kokoa tsy afaka manamarina ny fandaniana hananganana ny Anaran-tsehatr'izy ireo manokana eo amin'ny ambaratonga faha-2.

[…]

Ohatra: ny NZ [Nouvelle Zellande] Māori izao mety hangataka ny .māori.indigi ary hamorona andiana anaran-tsehatra vaovao mba hampifanaraka ny kolontsain'izy ireo. Ka raha hiteny sekoly Māori, dia mety hisy ny .kura.māori.indigi. Avy eo mety mahazo ny anaran'izy ireo any am-piandohan'ny adiresy ny sekoly Maori.

Singing to the Plants manazava ny dingana:

A top-level domain is the last part of an Internet domain name. The original set of these TLDs, defined in October 1984, is still the most familiar — .com, .edu, .gov, .mil, and .org, to which .net was added in the first implementation of the domain name system. Management of TLDs is in the hands of the Internet Assigned Numbers Authority (IANA), which operates under contract to the Internet Corporation for Assigned Names and Numbers (ICANN).

Over the years, new TLDs — now called generic TLDs, to distinguish them from, say, country-code TLDs — have been added, and now .aero, .biz, .coop, .info, .museum, .name, and .pro are all operational, even if not widely used. Several additional new gTLDs have been approved in principle, although only .mobi, for the delivery of the Internet to mobile devices, seems to have aroused much interest.

Most important, in June 2008, ICANN approved the recommendation of a new gTLD program which would allow just about any organization to apply to reserve its own gTLD. Under this system, for example, Microsoft could apply for .msn, Google for .google, or New York City for .nyc. The implementation plan for the new system is expected to be published in 2009. The plan must then be approved by the ICANN Board before the system is implemented. ICANN is currently aiming to receive applications for domains starting in the second quarter of 2009.

This new plan is now seen as an opportunity for indigenous peoples to have their own gTLDs — .taino, for example, or .shipibo. But applying for a gTLD requires significant resources of time, money, and expertise.

[…]

Ny anaran-tsehatra tampony no ampahany farany amin'ny anaran-tsehatra amin'ny aterineto. Ireo natsangana voalohany [ôrizinaly] tamin'ireo TLDs ireo, izay voafaritra tamin'ny Oktobra 1984 no mbola mahazatra indrindra — .com, .edu, .gov, .mil, ary .org, izay nanampiana ny .net  tamin'ny nampidirana voalohany ny rafitra anaran-tsehatra. Eo am-pelantanan'ny Internet Assigned Numbers Authority (IANA), izay miasa araka ny fifanarahana tamin'ny Internet Corporation for Assigned Numbers and Numbers (ICANN) ny fitantanana ny TLDs.

Nandritra ny taona maro, ireo TLDs vaovao — izay antsoina hoe TLDs zenerika ankehitriny, mba hanavahana azy ireo, lazao hoe kaodim-pirenena TLDs — dia nampiana ireo .aero, .biz, .coop, .info, .museum, .name, ary .pro izay samy miasa avokoa na dia tsy ampiasaina loatra aza. Maro ireo gTLDs vaovao fanampiny nankatoavina tamin'ny ankapobeny, na dia ny .mobi irery ihany, manondro ny aterineto sy ny fitaovana finday, aza no nahazo ny fahalianana.

Ny tena manan-danja indrindra, nankatoa ny tolo-kevitry ny programa gTLD vaovao ny ICANN tamin'ny volana jona 2008 ahafahan'ny fikambanana rehetra mangataka famandrihana gTLD azy manokana. Eo ambanin'ity rafitra ity, ohatra, afaka mangataka ny .msn ny Microsoft, ny Google mangataka ny .google, na New York mangataka ny .nyc. Andrasana hivoaka amin'ny taona 2009 ny drafitra fanatanterahana ny rafitra vaovao. Tsy maintsy ankatoavin'ny Biraon'ny ICANN ny drafitra alohan'ny hanatanterahana ny rafitra. Mikasa handray ireo fangatahana anaran-tsehatra manomboka amin'ny telovolana faharoa amin'ny taona 2009 ny ICANN .

Hheverina ho fotoana ahafahan'ny vahoaka tompotany hanana ny gTLDs azy manokana Ity drafitra vaovao ity — .taino, ohatra, na .shipibo. Saingy mitaky fotoana, vola ary fahaizana manokana ny fangatahana gTLD .

[…]

Noho ny saram-pisoratana anarana mitentina 185.000 dolara – dia ny vola no mety ho olana lehibe indrindra amin'ity fanentanana ity, hoy ilay mpanolo-tsaina Antony Van Couvering:

[…]

Although I applaud the idea and the effort, I admit to being steamed at ICANN that they have allowed a fee structure that blocks new TLDs for these, certainly among the most deserving applicants.
[…]

 

[…]

Na dia midera ny hevitra sy ny ezaka aza aho dia miaiky fa lafo loatra ny sarany napetraky ny ICANN ka mety hanakana ny TLDs vaovao ho amin'izany, indrindra amin'ireo mpangataka tena mendrika izany indrindra.
[…]
[…]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.