Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

12 Febroary 2018

Tantara tamin'ny 12 Febroary 2018

Nahavotra Ilay Frantsay Mpihanika Tendrombohitra Tao Nanga Parbat, Pakistan Ny Hetsika Fanangonam-bola, Saingy Tsy Avotra Kosa ny Namany Iray Niaraka Taminy

Nahavita nanangom-bola ampy hamatsiana ny asa fanavotana ho an'ilay Frantsay mpihanika tendrombohitra Elizabeth Revol, izay nihanika ny Nanga Parbat ao Pakistana, tendrombohitra fahasivy avo indrindra manerantany ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpihanika tendrombohitra. Tsy voavonjy kosa ny mpiara-mpihanika tendrombohitra aminy, Tomek Mackiewicz, noho ny toetr'andro ratsy, ary voalaza fa namoy ny ainy.

Afrika Atsimo: Ny Kianjan'I Nelson Mandela 

Mampiseho ny sarin'ny Kianjan'i Nelson Mandela sasany ao Johannesburg, Afrika Atsimo ny Mzansi Afrika, izay toa maneso fa hita ao amin'ny faritra ny "toeram-pivarotana lehibe indrindra sy ny toeram-pisakafoanana maro....

Nahemotra Ny Fitsarana: Fihetsiketsehana Rehefa Namoaka Ary Avy Eo Nampidirin'ny Fitsarana Tiorka Am-ponja Indray ny Lehiben'ny Amnesty International

GV Mpisolovava

"The court changed its mind... Why? Who knows, no grounds provided. Devastating for the family and an affront to justice." "Nanova ny heviny ny fitsarana ... Nahoana? Tsy misy mahalala ny antony. Fahaketrahana ho an'ny fianakaviana ary fanitsakitsahana ny rariny."

Colombia: Andro Tsy Misy Fiara Ao Medellín

Lasa lavitra mihoatra ny andro tsy misy fiara ity fianakaviana ity: nalain'ny rainy sy ny reniny tamin'ny soavaly tany an-tsekoly ny ankizy. 

Nisaona Ny Bilaogera Tany India: Maty Tampoka I Shakti Bhatt 

(Tamin'ny 5 Aprily 2007 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy) Maty tampoka tany Delhi taorian'ny aretina tampoka sy tsy nampoizina nahazo azy teo amin'ny faha dimy ambiroampolo taonany i Shakti Bhatt ary nisaona izany ireo bilaogera tany India. Toniandahatsoratra tao amin'ny trano famoahan-gazety IBD izay novokarin'ny Bracket Books vao haingana...