
Ireo mpanohana nivory tao ivelan'ny fitsarana tao Torkia. Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva.
Nisy olona vitsivitsy niangona teo ivelan'ny fitsarana Caglayan. Nihazona ny sora-baventy hoe “Avohay i Taner” izy ireo raha namaky tamin'ny feo mafy ny fitakian'izy ireo kosa ny solontena avy ao amin'ny biraon'ny Amnesty International tao Torkia .
“Mitaky ny famoahana tsy misy fepetra an'i Taner izahay,” hoy ny iray tamin'ireo mpiaro ny zon'olombelona raha niresaka tamin'ny vondrona mpanao gazety nandritra ny fivoriana tamin'ny 31 Janoary izy ireo.
Gaga tampoka sy faly ny fianakaviana sy ny namana, rehefa nandidy ny famoahana vonjimaika an'i Taner Kilic ny fitsarana, izay filohan'ny Amnesty International ao Tiorkia, ary efa tany am-ponja nandritra ny valo volana. Izy sisa no hany tsy navoaka ny fonja raha navotsotry ny fitsarana kosa ireo mpikambana rehetra tao amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona #Istanbul10 tamin'ny volana Oktobra tamin'ny herintaona.
Vetivety ihany anefa izany hafaliana izany. Satria ilay mpampanoa lalàna izay efa nangataka ny hitazonana an'i Taner tany am-ponja dia nampakatra avy hatrany ilay fanapahan-kevitra ary nahazo rariny avy amin'ny fitsarana ambaratonga faharoa ilay fangatahana .
Andro iray taty aoriana, nanaiky ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ambaratonga faharoa ny fitsarana ambaratonga voalohany tamin'ny fanohizana ny fitazonana azy. Inoana noho izany fa mbola hijanona any am-ponja mandra-pahatongan'ny fe-potoana fitsarana manaraka izay kasaina hatao ny 21 Jiona 2018 i Kilic.
‘Krizy ao amin'ny Rafi-pitsarana ao Torkia’
@OSCEPA Human rights chair @NachoSAmor concerned about reversal of court decision on @Amnesty Turkey head #TanerKilichttps://t.co/Vz2sdJj5y7
— OSCE PA (@oscepa) February 1, 2018
Ny filoha mpiaro ny zon'olombelona @NachoSAmor dia niahiahy momba ny fanovana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tamin'ny fampidirana am-ponja indray ny lehiben'ny Amnesty ao Torkia.
Nilaza ny Sekretera Jeneralin'ny Amnesty Salil Shetty tao anatin'ny fanambarana iray taorian'ny nanovana ilay fanapahan-kevitra:
This is the latest example of the crisis in Turkey's justice system that is ruining lives and hollowing out the right to a fair trial. To have been granted release only to have the door to freedom so callously slammed in his face is devastating for Taner, his family and all who stand for justice in Turkey.
Izany no ohatra farany tamin'ny krizy ao amin'ny rafi-pitsarana ao Tiorkia izay manimba ny aina sy mikiky ny zo amin'ny fitsarana marina. Nandrava an'i Taner sy ny fianakaviany ary ireo izay rehetra mijoro ho amin'ny rariny any Torkia ny famotsorana azy mba hihaona amin'ny varavaran'ny fahafahana izay narindrina tampoka teo anoloany.
Voampanga i Kilic satria hoe mpikambana tao amin'ny vondrona mpampihorohoro, fiampangàna izay nolazain'ireo mpanohana azy sy ny vondrom-piarahamonina mpiaro ny zon'olombelona iraisam-pirenena fa tsy marina. Raha ny marina, voampanga ho nampiasa fampiasa fandefasan-kafatra antsoina hoe ByLock i Kilic izay voalaza fa nampiasain'ireo mpiray tsikombakomba tamin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny Jolay 2016.
Nanambara i Kilic sy ireo mpisolovavany fa tsy nisy mihitsy ny soritra nahitana ny fitrohana ny fampiasa toy izany tao amin'ny findainy nandritra ny fitsarana omaly.
Taner presents the evidence that he didn’t download or use ByLock. The prosecution hasn’t presented any that he did. Despite this, the prosecutor requests that Taner remains in pre-trial prison detention.
— Andrew Gardner (@andrewegardner) January 31, 2018
Nanolotra ny porofo i Taner fa tsy nitroka na nampiasa ny ByLock izy. Tsy nampiseho ny zavatra nataony momba izany akory ny fanenjehan'ny fitsarana. Na teo aza izany, nitaky fitazonana am-ponja an'i Taner ny mpampanoa lalàna.
Taner’s lawyer presents a third expert witness report to the court that again concludes that Taner didn’t use ByLock. This one shows that Taner had two ‘mor beyin’ apps known to falsely show connections to ByLock. It is absolutely clear that Taner didn’t have ByLcok.
— Andrew Gardner (@andrewegardner) January 31, 2018
Nanolotra ny tatitra nataon'ny vavolombelona manam-pahaizana fahatelo tao amin'ny tribonaly ny mpisolovavan'i Taner izay namintina hatrany fa tsy nampiasa ny ByLock i Taner. Nampiseho ity farany fa nanana fampiasa “mor beyin” roa i Taner izay fantatra fa nampiseho fifandraisana sandoka tamin'ny ByLock. Mazava noho izany fa tsy nanana ByLcok izy.
Tamin'ny alàlan'ny rohinà lahatsary no nanatrehan'i Kilic ny fitsarana raha notazonina tany amin'ny fonja iray tao amin'ny faritany andrefan'i Izmir izy. Nolaviny ny fampiasana ny fampiasa nandritra ny fotoana maro, anisan'izany ny tamin'ny 31 Janoary. Taorian'ny ora maromaro nanaovana famotorana, nisintaka kely ny fitsarana, ary nanambara ny fanapahan-keviny tamin'ny famotsorana vonjimaika an'i Kilic miaraka amin'ny fandoavana onitra taorian'izay.
Nisy ny fifaliana niombonana teny rehetra teny sy tamin'ny aterineto tamin'io fotoana io:
Court rules to release Amnesty Turkey chair Taner Kılıç. At last!!!
— Andrew Gardner (@andrewegardner) January 31, 2018
Navoakan'ny Fitsarana ihany ilay filohan'ny Amnesty ao Tiorka Taner Kılıç!!!
The brother and daughter of #TanerKılıç overjoyed at the news of Taner’s release. One step towards justice! pic.twitter.com/OnwabX2pIi
— May Carolan (@may_carolan) January 31, 2018
Faly tamin'ny vaovao momba ny famotsorana an'i Taner ny rahalahiny sy ny zanany vavy. Dingana iray mankany amin'ny rariny!
Great news, long overdue. Congratulations to Team Turkey and all our campaigners and activists who worked so hard over the 8 month period of unjust confinement! The fight for human rights in Turkey continues. Too many human rights defenders still in jail. https://t.co/Ohmvmw1wHY
— Salil Shetty (@SalilShetty) January 31, 2018
Vaovao mahafinaritra efa nandrasana hatry ny ela. Arahabaina ny ekipan'i Torkia sy ireo mpanentana rehetra ary ireo mpikatroka rehetra izay niasa mafy nandritra ny fanagadrana tsy ara-drariny nandritra ny 8 volana! Mitohy ny ady hiarovana ny zon'olombelona any Torkia. Mbola maro ireo mpiaro ny zon'olombelona no any am-ponja.
Ora vitsivitsy taorian'izay, nahaketraka ny fianakavian'i Taner ny vaovao momba ny fanapahan-kevitra vaovao avy amin'ny fitsarana :
To have been granted release only to have the door to freedom so callously slammed in his face is devastating for Taner, his family & all who stand for justice in Turkey.” @amnesty‘s @SalilShetty on the re-arrest & re-detention of #TanerKılıç. #FreeTaner: https://t.co/sIu7zAZGAnpic.twitter.com/s9ptMI7wEj
— Amnesty UK (@AmnestyUK) February 1, 2018
Nandrava an'i Taner sy ny fianakaviany ary ireo izay rehetra mijoro ho amin'ny rariny any Torkia ny famotsorana azy mba hihaona amin'ny varavaran'ny fahafahana izay narindrina tampoka teo anoloany. “@SalilShetty @ amnesty momba ny fisamborana indray ary ny famerenana azy indray higadra.
The last 24 hours:
1. Court A orders the release of Amnesty’s Turkey chair Taner Kilic (yesterday) after nearly 8 months in prison
2. After prosecutor appeals, court B orders Kilic to remain in custody (last night)
3. Court A overturns its original verdict (this morning). https://t.co/FcuJA9baKY
— Piotr Zalewski (@p_zalewski) February 1, 2018
Ny 24 ora farany:
1. Nandidy ny famotsorana ilay filohan'ny Amnesty ao Torkia Taner Kilic (omaly) ny Fitsarana A rehefa notànana nandritra ny 8 volana tany an-tranomaizina
2. Rehefa nanao fampakarana ny mpampanoa lalàna, nandidy ny fijanonan'i Kilic any am-ponja (omaly alina) ny Fitsarana B.
3. Nanova ny didim-pitsarana navoakany voalohany (tamin'ity maraina ity) ny Fitsarana A.
Here we are. Our colleague, @amnesty Turkey chair #TanerKılıç will NOT be released. The court changed its mind… Why? Who knows, no grounds provided. Devastating for the family and an affront to justice. #FreeTanerhttps://t.co/G5iuVmA6dI
— Gauri van Gulik (@GaurivanGulik) February 1, 2018
Eto isika. Tsy havoaka ny mpiara-miasa amintsika, lehiben'ny Amnesty eto Torkia Taner Kılıç. Nanova ny heviny ny fitsarana … Nahoana? Tsy misy mahalala ny antony. Fahaketrahana ho an'ny fianakaviana ary fanitsakitsahana ny rariny
Tsy vao voalohany izao ny fitsarana no nanafoana ny fanapahan-keviny manokana.
Too sorry for Taner and for Turkish Judiciary Unfortunately it is not a new issue , several release decision have not been enforced in Turkey . pic.twitter.com/DrnEwh12kF
— Cansu İpek – LAWYER (@cansuipek40TR) February 1, 2018
Mampalahelo i Taner sy ny Fitsarana Tiorka. Indrisy anefa fa tsy olana vaovao izany, maro ny fanapahan-kevitra navoaka toy izany no tsy nampiharina tany Torkia
Utterly shocking! Ordering prisoners’ release and immediately throwing them back to jail seems to become a habit of #Turkey‘s judiciary. This was applied to several #journalists last year.
Stop this cruel game, #FreeTaner! #FreeRightsDefenders#FreeThemAllhttps://t.co/YqRmWUjUDD
— RSF_EECA (@RSF_EECA) January 31, 2018
Manohina tanteraka! Toa lasa fahazarana ho an'ny fitsarana ao Torkia ny mamoaka didy famotsorana ho an'ireo gadra ary mamerina azy ireo any am-ponja avy hatrany indray. Nampiharina tamin'ireo mpanao gazety maromaro izany tamin'ny herintaona.
Atsaharo ity lalao ratsy ity.
Nanatrika ilay fitsarana tamin'ny 31 Janoary tao amin'ny fitsarana tao Caglayan any Istanbul ny mpanoratra ity lahatsoratra ity .