Colombia: Andro Tsy Misy Fiara Ao Medellín

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nankalaza ny Andro Tsy Misy Fiara ny tanànan'i Medellín tamin'ny 22 aprily, hetsika izay nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Kaominina, Fifanekena faha-21 tamin'ny taona 2008. Mampiseho fandinihana mifototra amin'ny hevitra fikarakarana ny tontolo iainana ity hetsika ity ary mifanojo amin'ny fankalazana ny Andron'ny Tany .

Araka ny voalazan'ny bilaogy Movilidad al Día [es], ny “Andro tsy misy fiara” dia hetsika tsy ankalazaina fotsiny any Medellín, fa misy koa any an-tanàna maro manerana izao tontolo izao. Niresaka momba ny tanjona napetraky ny Fitantanan'ny Kaominina amin'ny fandraisana anjara amin'ny hetsika ihany koa ny bilaogy:

Este acuerdo municipal (21 de 2008 del Concejo de Medellín) se propuso los siguientes objetivos: disminuir en los niveles de contaminación ambiental producida por ruido y gases contaminantes emitidos por vehículos automotores; reducir el índice de accidentalidad vial en la ciudad; contribuir con el mejoramiento de la movilidad del transporte público; sensibilizar a la ciudadanía sobre la problemática asociada con el reducido uso del transporte público; promover alternativas de desplazamiento particular y masivo menos traumáticas para el ambiente; generar pedagogía social en torno a la protección del medio ambiente, el uso adecuado de los recursos naturales, la seguridad vial y la salud, como obligaciones fundamentales de corresponsabilidad ciudadana.

Nametraka ireto tanjona manaraka ireto ny fifanarahana Kaominina (21 tamin'ny 2008 an'ny Filankevitr'i Medellín): mampihena ny loton'ny tontolo iainana vokatry ny tabataba sy ny etona maloto avoakan'ny fiara mandeha motera; mampihena ny isan'ny lozam-pifamoivoizana ao an-tanàna; mandray anjara amin'ny fanatsarana ny fihodinan'ny fitateram-bahoaka; manentana momba ny olana mifandraika amin'ny fampihenana ny fampiasana ny fitateram-bahoaka; mampiroborobo ny safidy hafa amin'ny famindrana toerana harena voajanahary maro sy tsy mandratra olona loatra, ny aro-loza eny an'arabe sy ny fahasalamana, ho toy ny adidy fototra ataon'ny olom-pirenena.

Araka ny voalazan'ny E-Verde [es], bilaogy  momba ny tontolo iainana,  nitatra tany amin'ny kaominina hafa ivelan'ny faritra itatr'i Medellín ny hetsika tamin'ity taona ity, anisan'izany i Envigado, Bello, ary Itagüí.

Tao amin'ny bilaogy En Journalism 999 [es], manoratra momba ny tombontsoa sy ny voka-dratsin'ny andro tsy misy fiara i Heidi Yohana Tamayo Ortiz:

Nisy fiantraikany teo amin'ny toerana fiantsonan'ny fiara na toerana fiambenana fiara izany:

“En un día normal, aquí se hace aproximadamente un millón de pesos; hoy, se han hecho máximo 40 mil pesos”, dice Luis Alfonso Ríos Villa, empleado del Parqueadero Nuevo Centro La Alpujarra.

“Amin'ny andro mahazatra, mandray vola iray tapitrisa pesos eo ho eo (500 dolara Amerikana) izahay, saingy androany, 40 000 pesos (20 dolara Amerikana) fotsiny no noraisinay,” hoy i Luis Alfonso Ríos Villa, mpiasa ao amin'ny Foibe Vaovao Fiantsonan'ny Fiara La Alpujarra.

500″ Sarin'arabe foana ao Medellín, avy amin'ny e-verde, lisansa Creative Commons.

Manao ahoana indray ny fiantraikany eo amin'ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka?

Pese a lo que se pensaba, para los conductores de buses y colectivos el trabajo no tuvo variaciones significativas; de hecho, algunos piensan que el día laboral estuvo más malo que en otras ocasiones.

Ankoatra izay noeritreretina, tsy dia misy ny fiovana ho an'ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka sy fiara iombonana. Raha ny marina, mihevitra ny sasany fa mbola ratsy kokoa ny andro fiasana amin'ny fotoana sasany.

Ny fiantraikany eo amin'ireo mpitondra fiarakaretsaka:

Los taxistas fueron, tal vez, unos de los más beneficiados durante el día. Según cifras proporcionadas por Marta Suárez, subsecretaria de Transportes y Tránsito, la empresa Tax Individual reportó que recibieron llamadas de 13.800 usuarios pidiendo un servicio, mientras que en un día normal, solo se reciben siete mil. Las otras empresas reportan datos similares.

Ny mpamily fiarakaretsaka angamba, dia anisan'ny nahazo tombony be indrindra nandritra ny andro. Araka ny antontan'isa nomen'i Marta Suárez, sekretera lefitry ny Fitaterana sy ny Fiampitàna, nitatitra ny orinasa Taxi Individual fa nandray antso 13 800 avy amin'ireo mpandeha fiarakaretsaka izy, raha amin'ny andro mahazatra, antso 7000 ihany no voarainy. Nisy orinasa hafa nitatitra tarehimarika mitovy amin'izany koa.

Ahoana no fahitan'ny fikambanana misahana fitaterana ny hetsika?

“En términos generales, la mayoría de la gente acató la medida. Sin embargo, faltaron unos cuantos. Las personas a las que se les aplicó comparendo pedagógico dicen que no tenían conocimiento de la medida, pero me parece raro, ya que esto fue muy difundido en los medios de comunicación,” dice Rosenberg Ríos Aguirre, supervisor del tránsito de Medellín.

“Amin'ny ankapobeny, andray anjara tamin'ny fepetra ny ankamaroan'ny olona. Na izany aza, nisy ny sasany tsy nanao izany. Nisy ireo nilaza fa tsy fantany ny hetsika, saingy toa mahagaga izany, satria niely tamin'ny alalan'ny media ny hetsika,” hoy i Rosenberg Ríos Aguirre, mpanara-maso ny fivezivezena ao Medellín.

Nisy ihany koa ireo olona tsy nanaraka ny fepetran'ny andro:

Aquellas personas que no se acogieron a la medida deben asistir a una capacitación pedagógica, cuyo tema será el medio ambiente. En unos quince días se habilitarán seis locaciones para que se dicten las charlas. Quienes no asistan serán sancionados con multas económicas.

Ireo olona izay tsy nanaraka ny fepetra dia takiana hanatrika ny foibe fianarana, izay ny tontolo iainana no lohahevitra. Ao anatin'ny 15 andro, toerana 6 no hapetraka hanaovana ny resaka. Hosaziana handoa onitra ireo izay tsy manatrika.

Mpisera Twitter Tips El Colombiano (@ tips9333) nanoratra momba ny fomba nandanian'ny fianakaviana iray ny andro manontolony (miaraka amin'ny sary):

Esta familia fue más allá en el día sin carro: papá y mamá llevaron a caballo a los hijos para el colegio.http://yfrog.com/11e23mmj

Lasa lavitra mihoatra ny andro tsy misy fiara ity fianakaviana ity: nalain'ny rainy sy ny reniny tamin'ny soavaly tany an-tsekoly ny ankizy.

Farany, Juan David Escobar avy ao amin'ny bilaogy Reticente [es], mizara ny eritreriny “Medellín amin'ny andro tsy misy fiara”

http://blip.tv/play/gZli_MQoAg

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.