Tantara tamin'ny 26 Septambra 2017
Sary Avy Any Okraina : “Ny Baolina Kitra Tavoahangin-drano”
Tavoahangin-drano 2 litatra no ataon'ireo mpankafy baolina kitra tia karokaroka any an-Tendrombohitra Carpathian any Okraina ho baolina....
Trinite Sy Tobago: Voleo Indray Ny Tany
Mpandray anjara mavitrika sy mafana fo tao amin'ny hetsi-panoherana manohitra ny fanorenana ny orinasa fandrendrehana viraty ao amin'ny vondrom-piarahamonina iray any atsimon'i Trinidad i Attillah Springer. Indro, avy ao amin'ny pejiny Flickr , ny sary iray nalaina nandritra ny fanatanterahana ny fambolen-kazo iray natao tany amin'ny faritra tamin'ny volana Jona:
Manamaivana Ny Famerana Ny Fampiharana Fandefasan-kafatra i Arabia Saodita, Saingy Mbola Voaràra Ny WhatsApp Sy Ny Viber

Taorian'ny sivana goavana nandritra ny efa-taona mahery, nanamaivana ny famerana ny fampiasana ny fampiharana antso antserasera sy ny fandefasan-kafatra (VoIP) amin'ny aterineto i Arabia Saodita.
Mitantara Ny Fanentanana Manerantany Tamin'ny Fanampiana An'Itompokolahy Boukary Konaté Tamin'ny Aretiny I Phil Paoletta Ao Bamako
Tao Bamako, nanao antso ho an'ny fanohanana ara-bola mba hanangonana ny 8.500$ izay hanatontosana ny fitsaboana an'i Boukary Konaté i Phil Paoletta, teratany Amerikanina iray monina any Mali. Nahangona vola maherin'ny 9 600 dolara amerikana izy tao anatin'ny tapa-bolana, izay ampy tsara ho an'ny saran-dalana Bamako-Tunis-Bamako ho an'ilay marary.
‘Tsy Nahasahy Nijery Isika': Ravan'ny Rivodoza Maria I Dominica
'Ny faharavana tanteraka no tatitra voalohany. Hatramin'izao very avokoa ny zava-drehetra azon'ny vola novidiana sy soloina. Ny faharatran'olona tamin'ny fotoana [...] nandrava tanteraka...eny, tsy takatry ny saina.'
Krizin-tsolika Ao Shily: Vinavina Momba Ny Solika biôlôjika (Biôsfera)
Nampihena ny fatran'ny solitany tao Shily ny mari-pàna mangatsiaka tao Arzantina tamin'ity herinandro ity. Na dia nanambara aza ny governemanta Arzantina fa hahazo ny famatsiana ny solitanin'izy ireo tsy tapaka ny Shiliana, mitady vahaolana hafa momba ny angovo ny Shiliana mba hiantohana ny famatsiana angovo ho an'ny firenena.
Anatin'ny Ady Ve Rio de Janeiro? Miady Hevitra ny Mponina Ao Aminy
Nanapaka hevitra ny hamorona 'pejin'ny ady' ny gazety iray mba handrakofana ny fitombon'ny isa sy ny tranganà herisetra ao Rio. Nampametra-panontaniana io fanapahankevitra io raha toa ka mahasoa an'i Rio.