Trinite Sy Tobago: Voleo Indray Ny Tany

(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mpandray anjara mavitrika sy mafana fo tao amin'ny hetsi-panoherana ny fanorenana ny orinasa fandrendrehana viraty ao amin'ny vondrom-piarahamonina iray any atsimon'i Trinite i Attillah Springer. Indro, avy ao amin'ny pejiny Flickr , ny sary iray nalaina nandritra ny fanatanterahana ny fambolen-kazo iray natao tany amin'ny faritra tamin'ny volana Jona:

A Union villager looks on at part of the 1000 acres of land that was cleared over a year ago to make way for the Union Industrial Estate. Dust from the cleared land caused serious respiratory problems for residents. Villagers and other anti-smelter protestors staged a direct action tree planting on June 15, Corpus Christi, the traditional first day of planting in Trinidad and Tobago.

Mijery ny ampahany amin'ny tany mirefy 404 hekitara izay nodiovina efa herintaona lasa izay hanomezana lalana ho an'ireo vondron'ny mpanori-trano sy mpivaro-tany matihanina ny Vondron'ny mponina ao an-tanànakely. Niteraka olana ara-pisefoana lehibe ho an'ny mponina ny vovoka avy amin'ny tany nolamahana. Nanao hetsika mivantana fambolen-kazo ireo mponin'ny tanànakely sy ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fandrendrehana tamin'ny 15 Jona, Corpus Christi, ilay andro voalohany nentim-paharazana amin'ny fambolena ao Trinite sy Tobago.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.