Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

31 Mey 2017

Tantara tamin'ny 31 Mey 2017

Pakistan: Fihaonan'ny Bilaogera Tao Lahore

Tamin'ny 23 Novambra 2008, bilaogera Pakistaney maherin'ny 100 no nihaona tamin'ny fivoriana tao Lahore , fihaonana voalohany tao an-tanàndehibe tamin'ity karazany ity

Egypta: Nirehitra Ny Teatira Nasionaly

Toa hita fa nahavita namelona indray an'i Néron ny Egyptiana . Ary misy ny lisitra lavan'ireo toerana izay hodoran'ny Néron Egyptiana . Ary nanomboka izany tamin'ny Parlemanta Egyptiana izy herinandro vitsivitsy lasa izay, ary ankehitriny tonga ny fotoana ho an'ny Teatira Nasionaly Egyptiana .

Rosia: Voaheloka Hiditra Toby Fanasaziana Mandritra ny Roa Taona Latsaka ny Mpitoraka Blaogy Iray ao Tatarstan

Akon'ny RuNet

Ny 12 Septambra 2008, nitoraka blaogy momba ireo tsaho milaza ny fahafatesan'i Mintimir Shaimiev, filohan'i Tatarstan, i Irek Murtazin, mpitoraka blaogy iray ao Tatarstan. Tamin'ny Novambra 2009, voaheloka ho nanala baraka sy nampirisika ny fankahalan'ny olona i Murtazin ka voasazy hiditra toby fanasaziana mandritra ny herintaona sy 9 volana.

Shina: Tandindonin-doza Ny Lemaka

Mifantoka amin'ny olan'ny tontolo iainana sy ny toetrandro ao Shina ny tranonkala ifandrimbonana vaovao iray antsoina hoe 'China Green' (Shina Maitso). Miresaka ny Lemaka Tibetana ny tetikasa voalohany , izay mampiseho hoe nahoana no mametraka loza mitatao.....

Koety: Zavakanto Sa Fanimbana Zavatr'olona Ny Graffiti?

Fanontaniana iray mitranga matetika: Zavakanto sa fanimbana zavatr'olona ny graffiti ? Vao haingana ity fanontaniana ity no teo anivon'ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Koesiana.

Syria: Manangona Fanohanana Eran-tany ny Fitorevahana Virtoaly

Raha miditra amin'ny fahavalon'ny volana nisiany ny fikomiana ao Syria, mihatia mamorona ireo mpikatroka mafana fo mba hahazoany antoka fa tsy hitsahatra ny fifantohana eran-tany mankany amin'ilay zava-mitranga. Mangataka ny tsirairay mba hampiakatra lahatsary ho fanehoana ny firaisankina amin'ireo Syriana mpanohitra ny hetsika fisantarana iray avy amin'ilay Tambajotram-baovao malaza, Sham.

Voararan'ny Fanjakana Ilay Tantara An-tsary Ho An'olon-dehibe Voalohany Indrindra tao Ejipta

Voarara ao Ejipta ny tantara an-tsary ho an'olon-dehibe, "Metro", nosoratan'i Magdy El Shafee, taorianà didim-pitsarana iray. Maneho hevitra mikasika io fanapahankevitra io ireo mpitoraka blaogy sy mampiasa Facebook, izay milaza fa mbola famelezana iray hafa indray ny fahalalahana miteny no miseho.

Toyota Ny Fiaran'ny Tokol-ko: Very Anaty Fandikàna Ao Azia Afovoany

Ny "vadikelin'ny" lehilahy kirghize na kazakh dia toy ny 'ombivavy tsy misy tandroka'. Tatazany daholo ny tsiny sosialy ary tsy dia mba manana ny zony.