Egypta: Nirehitra Ny Teatira Nasionaly

(Marihina fa tamin'ny 28 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Toa hita fa nahavita namelona indray an'i Néron ny Egyptiana. Ary misy ny lisitra lavan'ireo toerana izay hodoran'i Néron Egyptiana. Ary nanomboka izany tamin'ny Parlemanta Egyptiana  izy herinandro vitsivitsy lasa izay, ary ankehitriny tonga ny fotoana ho an'ny Teatira Nasionaly Egyptiana .

Manoratra eto momba ny loza nitranga androany ilay bilaogera Egyptiana El-hanem. Hoy izy:

شب حريق في صالة العرض بالمسرح القومي بوسط القاهرة مساء اليوم السبت في وقت يسود فيه الهدوء التام مع استعداد المسلمين لتناول طعام الإفطار بعد غروب الشمس.
وقالت مصدر بالإدارة العامة للدفاع المدني والإطفاء إن النيران بدأت في الاشتعال في نحو الخامسة وخمس وثلاثين دقيقة بتوقيت القاهرة وبدأت بستارة المسرح واستمرت نحو ساعتين ولم تؤد إلى وقوع إصابات باستثناء بعض حالات الاختناق المحدودة.
وأضاف أن أكثر من 30 سيارة إطفاء انتقلت إلى المسرح المشتعل الذي يقع في ميدان العتبة حيث توجد الإدارة الرئيسية للحماية المدنية بالعاصمة.
ورجح أن الحريق نتج عن تماس كهربائي تلاه انفجار بعض أجهزة التكييف داخل قاعة المسرح وهو ما أدى إلى انهيار جزء من ديكورات وواجهات المسرح المطلة على ميدان العتبة.

Nanomboka nirehitra ny Tranoben'ny Teatira Nasionaly ao afovoan-tanànan'i Kairo androany tamin'ny 5 ora hariva .Nangina ny tanàndehibe tamin'io fotoana io satria volana masin'ny Ramadany ary efa teo am-piomanana ho amin'ny fanapahana ny fifadian-kanina ny Miozolomana eto an-toerana .
Ny loharanom-baovao avy any amin'ny Sampan-draharahan'ny Mpamonjy Voina no nilaza fa nanomboka tamin'ny 5:35 hariva ora ao an-toerana ny afo, rehefa nirehitra tokony ho ora roa ny lambam-baravaran'ny teatira. Soa ihany fa tsy nisy ny niharan-doza tao afa-tsy ny voina madinika noho ny fifohana ny setroka. Fiara mpamonjy voina mihoatra ny 35 no nirohotra nakany amin'ny teatira nirehitra any amin'ny kianja El Attaba izay toerana misy ny Sampan-draharahan'ny Mpamonjy Voina rahateo .
Azo inoana fa noho ny fitselarana elektrika no niteraka ny afo, narahina fipoahan'ny iray amin'ireo rafitra famerana mari-pana tao amin'ny teatira ,  izay nandrava ny faritra sasany tamin'ny haingon'ny teatra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.