Tantara tamin'ny 27 Mey 2016
Netizen Report: Hanaisotra ny Fahazoan'ny Rehetra Mampiasa Lahatsary sy Hira Ny Volavolan-dalàna Shiliana Misahana ny Fizakamanana

Nandresy tao amin'ny fitsarana tao Azerbaijan i Khadija Ismayilova, mpanao gazety. Nosakanan'i Vietnam noho ny hetsi-panoherana ny Facebook sy ny Instagram. Natsipin'ny Antenimieran-doholona Nizeriana ny ‘volavolan-dalànan'ny media anti-sosialy’.
‘Tsy Tiako Ho Voan'ny Homamiadana Toa Ahy Ny Ankizy, Na Iza Izy Na Iza’, Hoy Ny Mponina Iray Tao Fukushima
Nitafa taminà vehivavy tanora iray voatily ho voan'ny homamiadan'ny tiroida, avy ao amin'ny Prefektioran'i Fukushima, teboka aotra nipoiran'ilay loza nokleary tamin'ny Martsa2011 ny mpamokatra sarimihetsika tsy miankina iray.
Tantara iray Momba Ireo ‘Olona Tsy Fantatra Anarana izay Miaina, Mitia, Manohitra Sy Miady’ Ho An'i Syria
"Kely no mba rentsika momba ireo izay manohitra, manorina ary manangana indray ny firenena, ao anaty vanimpotoana miha-sarotra," hoy ilay mpikatroka, mpanao gazety, sady mpanoratra ho an'ny Global Voices, Leila Nachawati Rego momba ilay tantara vaovao nosoratany
Nahatonga Hetsi-Panoherana Ny Krizin'Ny Fahasalamana Tao Medellín, Kolombia
Nifamory teo anoloan'ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana tao an-tanànan'i Medellín Kolombia tamin'ny herinandro lasa teo, tamin'ny 19 May, ireo mpanao fihetsiketsehana niezaka ny hanery ny manampahefana mba hidinika ny lesoka efa nisy hatry ny ela sy manjaka ao amin'ny rafitra ara-pahasalamana eo an-toerana.