Nahatonga Hetsi-Panoherana Ny Krizin'Ny Fahasalamana Tao Medellín, Kolombia

Image shared by the collective Somos14más1 on Twitter.

Sary nozarain'ny fikambanana Somos14Mas1 tao amin'ny Twitter.Somos14más1 on Twitter.

Nifamory teo anoloan'ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana tao an-tanànan'i Medellín Kolombia tamin'ny herinandro lasa teo, tamin'ny 19 May, ireo mpanao fihetsiketsehana niezaka ny hanery ny manampahefana mba hidinika ny lesoka efa nisy hatry ny ela sy manjaka ao amin'ny rafitra ara-pahasalamana eo an-toerana.

Fihetsiketsehana bebe kokoa ho fanairana ny saina amin'ny krizin'ny fahasalamana,  tsy afaka mikarakara marary tsy misy ny loharanom-bola ny hopitaly.

Indrisy anefa fa tsy zava-baovao mampalahelo intsony ny olan'ny fitsaboana ao Medellín. Dimy taona lasa izay, nisy bilaogy iray namaritra ny olan'ny fahasalamana manjaka indrindra amin'izao fotoana niainga tamin'ny governemantan'i Álvaro Uribe :

Después de las desastrosas medidas tomadas durante el gobierno anterior, la salud se transformó en un negocio, por lo cual nos encontramos con que las entidades encargadas de la salud en Colombia sólo piensan en un beneficio económico, olvidándose que su trabajo principal es salvar vidas no recibir y provocar tutelas.

Nivadika ho raharaham-barotra ny fitsaboana taorian'ny fepetra nampidi-doza noraisin'ny fitondrana teo aloha, noho izany  tsy mihevitra afa-tsy fidiram-bola ihany ny sampana miandraikitra ny fahasalamana ao Kolombia, ary nanadino fa ny tena andraikiny dia ny hamonjy aina, fa tsy ny mandray sy mitaky vola ihany.

Nanasongadina ny olana fototra roa amin'ny rafitra ara-pahasalamana ny bilaogy PROESA:

  • Represamiento del flujo de fondos, lo cual a su vez trae dificultades para la oportuna prestación de los servicios.
  • Insuficiente transparencia y rendición de cuentas por parte de las entidades del sector.

•  manasarotra amin'ny fanomezana ny tolotra ara-potoana ny fampihenana ny fanohanana ara-bola.
• tsy ampy ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitry ny ampahan'ny seha-pitsaboana.

Maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny herinandro no nizara tamin'ny media sosialy ny antony nanaovany ny hetsi-panoherana. Catalina Valencia, ohatra, nanao hoe: tonga nanatrika izany izy mba hanohanany ny zo ara-pahasalaman'ny olona:

Sary: Raha tsy misy ny fahasalamana, LAINGA ny fanambinana ho an'ny rehetra !
Sioka: Fahombiazana Isika 14 + 1. 30 Minitran'ny Fitsaboana. Krizin'ny Fitsaboana.

Raha nangirifiry amin'ny vesatry ny krizy ireo marary, dia niatrika fanamby ho azy ireo ihany koa ny trano fitsaboana ao Medellín sy manerana ny faritra Antioquia – indrindra noho ny trosa betsaka sy mihamiavosa ananan'ny hopitaly sy ny toeram-pitsaboana amin'ny Entidades Promotoras de Salud (Fitsaboana Mampiroborobo ny Fikambanana) sy ny fanjakana, izay nahatonga ny fahasimban'ny ny fahavitan-javatra ao an-toerana .

Sary:
Vokatry ny tsy fahampian'ny vola aloa ara-potoana:
Mitsingidina ny maro amin'ny tambajotran'ny vonjy taitra .
Fanakatonana servisy sy ny fandrian'ny hopitaly .
Tsy fahavitana mandoa ny volan'ny mpamatsy sy ny mpiasa.
Fahasarotana  hatoky ny fanafody sy ny fitaovana ahafahan'ny servisy manome ny marary.

Fitokonana: mitohy misaona ny fitsaboana
Ny alakamisy 19 May
Amin'ny 8:00 maraina

Sioka: Fantatsika ny vokatry ny tsy fahavitana mandoa vola ara-potoana amin'ny andrim-panjakana.

Ny fikambanana Somos 14 más 1 ( ” 14 ampiana 1 isika”) no mikarakara ao ambadika ny fihetsiketsehana ara-pahasalamana, ary manampy amin'ny fampiroboroboana ny hetsika ao amin'ny Twitter, amin'ny fampiasana ny diezy #CrisisDeLaSalud ( “#KrizimPahasalamana”) sy # #30MinutosPorLaSalud ( “# 30MinitrannyFahasalamana”).

“# 30MinitrannyFahasalamana Ananantsika 1,7 miliara pesos ny [Fahasalamana Mampiroborobo ny Fikambanana].  Aiza ny loharanom-bola ho an'ny fahasalamana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.