Tantara tamin'ny 11 Mey 2015
Mihamaro ireo LGBT Japoney no Mivoaka avy any amin'ny Miafina
Fitsapa-kevitra an-tserasera iray nataon'ny orinasa iraisampirenena iray sy ny goavan'ny mpanao dokambarotra Dentsu no nahitana fa iray amin'ny Japoney 13 (7.7%) anelanelan'ny taona 20 ka hatramin'ny 59 no manondro tena ho lesbiana, gay, biseksa ary nanova taovam-pananahana (LGBT).
Teny Avy Amin'ny Tontolon'ny Orogoain'Ingahy Filoha Fahiny, José ‘Pepe’ Mujica
"Tsotra kely izany. Satria ny zavatra be voninahitra indrindra ananan'ny olona iray dia ny fiainana. Ary na dia tsotra indrindra aza ny fiainana, izay no zavatra tena adinontsika indrindra."
Netizen Report: “Raha Manaisotra Ny Fahalalahan'izy Ireo Ianareo, Mandratra Anay Rehetra” #FreeZone9Bloggers

Raha manamarika ny tsingeritaonan'ny fisamborana ireo namana ao Etiopia isika, miseho ny famantarana amin'ny finday ao anatin'ny fihetsiketsehana ao Goatemala ary mandinika indray ny "Lalàna Aaron" ny kongresy Amerikana.
Inona No Mitranga Rehefa Mahazo Herinandro Lavabe Ho Fialantsasatra i Japana?
Mifamahofaho ny fihetsehampo rehefa mifarana ny "Herinandro Volamena", fialantsasatra lavabe tao Japana. Ny sasany malahelo hiverina hiasa, raha ny hafa indray faly fa mivoaka ny trano ny fianakaviana ary miverina ho toy ny isanandro ny fiainana
Mpiasa Thailandey Voaroaka tao Filipina Noho ny Nanevatevany Tao Amin'ny Facebook ny Filipiana

Noroahiana tao Filipina ny mpiasa Thailandey iray rehefa namoaka lahatsoratra manavakavaka sy mamely ny Filipiana tao amin'ny Facebook. Maro ireo faly tamin'ny fandroahana raha namaritra izany ho famelezana ny fahalalaham-pitenenana kosa ny sasany.
Nametra-pialàna Ny Filoha Lefitr'i Goatemalà, Mitohy Ny Fihetsiketsehana
Nanao diabe ny olom-pirenena Goatemalteka vao haingana mba hitaky ny fialàn'ny mpitondra ambony ao amin'ny firenena, ary niteraka saina te hifety sy be fanantenana tao amin'ny tambajotra sosialy ny fialàn'i Baldetti.