Mpiasa Thailandey Voaroaka tao Filipina Noho ny Nanevatevany Tao Amin'ny Facebook ny Filipiana

From the Facebook page of Koko Narak

Avy amin'ny pejy Facebookn'i Koko Narak

Noroahiana tao Filipina ny mpiasa Thailandey iray rehefa namoaka lahatsoratra manavakavaka sy mamely ny Filipiana tao amin'ny Facebook. Maro ireo faly tamin’ny fandroahana raha namaritra izany ho famelezana ny fahalalaham-pitenenana kosa ny sasany.

Nahatezitra ireo mpiserasera ao Filipina i Prasertsri Kosin, fantatra amin'ny anarana hoe Koko Narak ao amin'ny media sosialy rehefa avy niantso ny Filipiana hoe pignoys” [kisoa minaonaona], “zavaboahary adaladala“, “andevo ambany-kilasy” sy ” taranaka tsy misy ilàna azy eo amin'izao tontolo izao“. Nalaza tamin'ny herinandro lasa ny fanevatevana nataony. Voaraoka tamin'ny asany tao Taguig City, ao amin'ny distrika ara-pandraharahana ao Filipina i Koko Narak avy eo.

Nandray fepetra haingana ihany koa ny Birao misahana ny fifindra-monina tamin'ny alalan'ny famoahana fiampangana fandroahana ilay olom-pirenena Thailandey ho “manelingelinanoho ny lahatsoratra manevateva nalefany tao amin'ny Facebook. Nitolo-batana i Koko Narak ary nisafidy fandroahana an-tsitrapo. Nampidirina tao amin'ny lisitra maintin'ny sampan-draharaha izy, voaràra tsy hiditra intsony ao amin'ny firenena.

Koko Narak miaraka amin'ny tanana mifatotra rojo vy tao amin'ny Biraon’ny Fifindramonina :

Olom-pirenena Thailandey Prasertsri Kosin, izay niantso ny Filipiana ho “pignoys”[kisoa manelingelina?], mifatotra rojo vy ny tanany ary miatrika fandroahana izy

Niaro ny didy fandroahana ny mpiandraikitra iray ao amin'ilay sampan-draharaha :

While the Philippines respects freedom of expression, we in the Bureau cannot tolerate or allow abusive and foul language, especially coming from foreigners as against our own people.

Raha manaja ny fahalalaham-pitenenana ny Filipina, tsy afaka mandefitra na mamela fiteny manevateva sy teny ratsy izahay ato amin'ny Birao, indrindra fa avy amin'ny vahiny manevateva ny vahoakantsika manokana.

Talohan'ny ny fandroahana azy, nanoratra fialan-tsiny hoan'ny Filipiana i Koko Narak:

This is my great sorrow to inform you that I am very sorry what I've done or posted the racist comments whether on the Asean [Association of Southeast Asian Nations] page or my personal Facebook.

I didn't mean to hurt your heart Filipinos. Surprisingly, most of my debates on the page hurt you because of my immaturity.

This is my sincere apology to all of you Filipinos.

Amin’alahelo lehibe no hilazako anareo fa tena miala tsiny indrindra aho tamin'izay nataoko na fanehoan-kevitra manavakavaka nalefako na tao amin'ny pejin'ny Asean [Fikambanan'ny Firenena Azia Atsimo] na tao amin'ny pejy Facebook-ko manokana.

Tsy nikasa handratra ny fonareo Filipiana aho. Mahagaga, mandratra anareo ny ankamaroan'ny adihevitro ao amin'ny pejy noho ny tsy fahamatorako.

Fialan-tsiny vokatry ny fo ho anareo Filipiana rehetra ity.

Nanoratra taratasy fialan-tsiny hafa izy nandritra ny fihazonana azy tao amin'ny biraon'ny fifindramonina:

Koko Narak, gumawa ng fialan-tsiny nosoratana tanana sa mga Pilipino

Na dia teo aza ny fialan-tsiny nataony, mbola noroahina ihany i Koko Narak.

Naneho ny ahiahiny mikasika ny fanapahan-kevitra handroaka olona noho ny fanaovana fanehoan-kevitra manavakavaka ny sasany. Manam-pahaizana Antonio P. Contreras nanoratra tao amin'ny Facebook:

Some expressed concern over the decision to deport a person for making a racist statement. Scholar Antonio P. Contreras wrote on Facebook:

If you a) at one time bannered the hashtag ‪#‎jesuischarlie‬ and b) now agree with the deportation and handcuffing of the Thai national, then…

You are one confused person

Raha a) indray mandeha ianao nandrangaranga ny diezy #jesuischarlie ary b) ankehitriny manaiky ny fandroahana sy famatorana vy ny tanan'ny olom-pirenena Thailandey, dia

olona mikorontantsaina ianao

Tao anatin'izany, nanasonia fanambarana mandrisika ny governemanta Filipiana mba “haneho fandeferana lehibe alohan'ny hanasaziana hetsika tsy anatin'ny heloka bevava ataon'ny vahiny” ireo mpiasa Filipiana miisa 51 miasa any Thailandy. Nanipika ny fanambarana fa manimba ny ezaky ny firenena amin'ny fiarovana ny fahalalaham-pitenena ny didy fandroahana:

But offensive, hateful and downright irresponsible as they are, they were not criminal. If the authorities believed that his statements were recognizably criminal in character, they should have charged and prosecuted Mr. Kosin using applicable penal laws and respecting his right to due process of law. This did not happen in this case.

The response of the Bureau of Immigration has jeopardized the right to freedom of expression itself. Mr. Kosin has already issued a public apology. Let’s accept the apology and move on.

Na dia manafintohina, feno fankahalana sy tsy tompon'andraikitra mazava aza izy ireo (fanehoan-kevitra), dia tsy heloka bevava izany. Raha nihevitra ny manampahefana fa hita ho heloka ny fanambaràny, dia tokony niampanga sy nampiakatra fitsarana an'i Kosin izy ireo amin'ny fampiasana ny lalàna famaizana ary manaja ny zony amin'ny dingan'ny raharaham-pitsarana rehetra. Tsy izany no nitranga tamin'ity raharaha ity.

Manakinangananga ny zon'ny fahalalaham-pitenenana ny fanapahan-kevitry ny Biraon’ny fifindramonina. Efa namoaka fialan-tsiny ampahibemaso i Kosin. Andeha raisina ny fifonany ary andao handroso

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.