Tantara tamin'ny 20 Avrily 2015
Tia Hampiheritreritra Anao ny ‘Anonymous International’ Hoe Tsy Afaka Manafina Na Inona Na Inona Kremlin
Mbola manohy manaporitsaka ireo fifandraisana manokan'ny governemanta ihany ny 'Anonymous International' any Rosia, raha mbola mijanona ho feno misitery ireo fomba fiasa sy antony anaovan'ilay vondrona izany.
Mitady Olom-Pirenena i Liberland, Firenena Bitika Vaovao Indrindra ao Balkan
Raha hangataka zom-pirenena dia mandefa imailaka voapaingotra saritapaka sy taratasy fangatahana fotsiny. Fa ho tena lasa firenena fahatelo kely indrindra ao Eoropa ve i Liberland, miorina anelanelan'i Croatia sy Serbia ity?
Hong Kong: Mianara Zavatra Avy Amin'ny Pub (Toeram-pisotroana Mafampàna)!
Ampahany tamin'ny fandraisana andraikitra iray erantany nantsoina hoe "Raising the Bar" izy io, izay mikendry ny hametraka ny fanabeazana ho toy ny ampahany amin'ny kolontsaina malaza any an-tanan-dehibe. Tanàna fahatelo any Azia nampiantrano azy i Hong Kong.
Manao Asam-Panoloratena Maimaimpoana Ny Mpifindra-monina Kolombiana ao Shily Ho Fanoherana Ny Fitsarana An-tendrony Atao Azy Ireo
Naneho firaisankina mahavariana tamin'ny alalan'ny fikarakarana hetsika fanampiana (fanadiovan-dalana) tao an-tanànan'i Shily ireo mpifindra monina Kolombiana, manohitra ireo fitsarana an-tendrony ataon'ny Shiliana maro manohitra ny mpifindra monina.
Misaona An'i Eduardo Galeano, Iray Amin'ireo Mpanoratra Goavana Ao Amin'ny Kaontinanta I Amerika Latina
Fantatra kokoa tamin'ny boky malaza nosoratany “Ny Lalandrà Misokatr'i Amerika Latinina”, namoy ny ainy tamin'ny Alatsinainy 13 Aprily tao Montevideo ilay mpanoratra Orogoaina sady mpanoratra gazety Eduardo Galeano.
‘Fonja Misokatra’ Ao Finland, Ireo Mpifonja No Tompon'ny Fanalahidy
Ahoana no fomba nataon'i Finland hialana amin'ny maha-tompon'ny taha ambony indrindra azy tao Eoropa raha resaka fampidirana am-ponja, ho lasa ny manana ny taha ambany indrindra? Ireo 'fonja misokatra' natsangany no ampahany amin'ny valinteny azo aroso.