Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nitangorona tao avaratr'i Shily ireo karazan'olona mandrafitra ny mpifindra monina Kolombiana nandao ny fireneny mba hikaroka zavatra tsara kokoa. Tany am-boalohany, tonga tao Shily voasariky ny kisarisary fahamarinan-toerana ara-politika, ny fandrosoan'ny toe-karena sy ny fampanantenan'ny indostrian'ny fitrandrahana miroborobo ireo mpifindra monina ireo. Ho an'ny hafa kosa, ny herisetra tsy an-kiato izay namely ny faritra maro ao Kolombia no nandroaka azy ireo. Nahita fahamarinan-toerana ara-toekarena tsaratsara ihany sy fiarovana manokana tao an-tranony vaovao ny ankamaroan'ireo mpifindra monina ireo, saingy niatrika fanavakavahana avy amin'ny olona manana fitsarana an-tendrony amin'ny Kolombiana amin'ny ankapobeny sy ny tarakana Afrikanina indrindra ihany koa izy ireo.
Taorian'ny fifandonana teo amin'ny mpifindra monina sy ny mponina ao an-toerana, nanatontosa Google Hangout miaraka amin'ny fampahalalam-baovao hafa ny Global Voices tamin'ny 13 Martsa mba hiresaka momba ny firohotr'ireo teratany Kolombiana ho ao Antofagasta. Ahitana fijoroana vavolombelona manokana avy amin'ireo mpifindra monina Kolombiana tao Shily, fanehoan-kevitra avy amin'ireo manam-pahaizana momba ny fifindra-monina ao amin'ny faritra, ary mpanoratra gazety manaraka akaiky ireo tantara ireo ny lahatsary.
Namely vao haingana ny avaratr'i Shily ny tafio-drivotra ratsy indrindra tao anatin'ny 80 taona, ny tanànan'i Atacama sy Antofagasta no tena voa mafy indrindra tamin'izany, nihoatra ny Renirano Copiapó vokatry ny orambe. Raha niezaka hiatrika ny tondra-drano sy ny fotaka nanarona ny lalana, ny trano sy ny tetezana ny olona ao an-toerana, nahasarika ny sain'ny olona kosa ireo vondrona mpifindra-monina Kolombiana tamin'ny fikarakarana hetsika fanampiana mahomby nataon'izy ireo. Nizara ny sarin'ireo Kolombiana mpilatsaka an-tsitrapo manaisotra fotaka sy manadio lalana, manao ny fanamian'ny ekipam-pirenena mpilalao baolina kitran'izy ireo ny mpiserasera, ary niasa tamin'ny toerana nilàna ny fanampian'izy ireo.
Tao amin'ny Facebook, Maite Vanessa Castro, vehivavy avy ao Cali, Kolombia, monina ankehitriny ao Copiapó, nizara sary misy ny asa fanampiana.
Los inmigrantes colombianos colaborando en Copiapo. Esas son las buenas imagenes. pic.twitter.com/sq3hT45K9B
— Nicolás Copano (@copano) March 28, 2015
Miara-miasa ao Copiago ireo Kolombiana mpifindra monina. Ireto ny sary
[Hermanos] Colombianos inmigrantes se organizan para ayudar a los afectados en Copiapó – pic.twitter.com/qJKFRaVB19” #AméricaUnaSola @LibardoBuitrago
— Reportero Movil2 (@MOVIL2) March 29, 2015
Mifandamina ny [Rahalahy] Kolombiana mpifindra monina mba hanampy ireo niharan'ny tondra-drano ao Copiapó.
Nilaza ny mpiserasera maro fa tokony hampieritreritra indray ny olona mikasika ny fijeriny momba ireo mpifindra monina ny sary.
Para aquell@s q piensan q TODOS los inmigrantes son delincuentes, las imágenes de los colombianos en #Copiapó son tremendo tapabocas.
— Daniel Chávez Campos (@dchavezcampos) March 30, 2015
Hoan'ireo izay mihevitra fa jiolahimboto ny mpifindra-monina REHETRA, fampanginana tsy mampino ireo sarin'ny Kolombiana tao Copiapo.
Ahí están los hermanos colombianos ayudando a despejar las calles de Copiapó. Pensar que para algunos son un problema pic.twitter.com/496fXlUSff
— Furação (@pupimayer) March 28, 2015
Ireto ny rahalahy Kolombiana manampy manadio ny lalana ao Copiago. Mba hiheverana fa hoan'ny sasany, olana izy ireo
ⓒⓐⓜⓑⓘⓔ ⓓⓔ ⓐⓒⓣⓘⓣⓤⓓ ⓟⓤⓔ aquí están los “colombianos de mierda” [sic], ayudando a despejar calles de #Copiapó. pic.twitter.com/A17JCIfbff“
— ⓕⓔⓡ (@mafermil) March 29, 2015
Ovay ny toetranao, indreto “ireo Kolombianan-diky” manampy manadio lalana.
Naneho ny fankasitrahan'izy ireo ny asa an-tsitrapo nataon'ny fiarahamonina Kolombiana ny Shiliana :
#Copiapo inmigrantes colombianos. Mis respetos. pic.twitter.com/yQoidcdsp7
— MarioAlberto™ (@MarioMoya1976) March 28, 2015
Kolombiana mpifindra monina. Mankasitraka.
No espero menos d Cachacos y Corronchos. Colombia la tengo pegada y se d su valia y solidaridad.Bah! Latinoamericanos http://t.co/9pNOlTz5QU
— Carlos Weber (@WeberCweber) March 30, 2015
Tsy dia manantena firy avy amin'i Cachacos sy Corronchos aho. Kolombia, akaiky ny foko ianao ary fantatro ny fanananao lanja sy ny firaisankinanao. Mankasitraka! Amerikana Latina
Que este país se llene de colombianos!http://t.co/I32xaM2ERK
— Luis Eduardo Thayer (@eduardothayer) March 30, 2015
Andeha hofenoina Kolombiana ity firenena ity