Tia Hampiheritreritra Anao ny ‘Anonymous International’ Hoe Tsy Afaka Manafina Na Inona Na Inona Kremlin

Sary nataon'i Kevin Rothrock.
Nifantoka tamin'ny fandaharana fanontaniana-valiny, alefa an-televiziôna isan-taona amin'i Vladimir Poutine, tamin'ny vahoaka ny herinandro lasa teo ny fijerin'ny media maneran-tany. Tamin'io andro io, anefa, nahatafavoaka moramora harena be hafa an'ny fifaneraseràna manokana an'ny governemanta indray ilay vondrona aloka “Anonymous International” (Maneran-tany tsy mitonona anarana).
Anonymous International, fantatra amin'ny anarany amin'ny fanaovan-gazety azy ihany koa hoe, Shaltai Boltai, nanao matoam-baovao tamin'ny voalohan'ity volana ity, tamin'ny famoahany ireo hafatra an-tsoratra miisa an-tapitrisany lazaina ho avy tamin'ny findain'i Timur Prokopenko, mpiasam-panjakana ambony iray ao amin'ny Rafim-pitantanan'i Poutine.
Misy ireo dikasarinà emailaka an'arivony maro lazainy ho avy tamin'ny kaonty emailaka manokan'i Alexander Zharov, ny lohan'ny media mpanaramason'i Kremlin, Roskomnadzor, ilay loharanom-baovao niporitsaka vaovao. Na dia ny mpiasam-panjakana ambony sahala amin'i Zharov aza dia mampiasa kaonty emailaka manokana mba hiresahana “resaka ofisialy sy ampahany ofisialy izay mikasika ny raharaham-bahoaka,” hoy i Shaltai Boltai nanoratra ao amin'ny lahatsoratra anaty blaogy, nilaza ilay famoahana, milaza izy fa nanapaka hevitra ny tsy hamoaka ireo hafatra sasany izay misy loharanom-baovao manokana ny vondrona.
Роскомнадзор читает вас, а мы читаем Роскомнадзор 🙂 http://t.co/6KIVJMJ5c7
— Shaltay Boltay (@b0ltai2) April 16, 2015
Mamaky [ireo emailakao] Roskomnadzor, fa mamaky ireo [emailakan’] i Roskomnadzor koa isika 🙂
Tamin'ny fanadihadiana ireo emailaka niporitsaka, nanipika ireo fifanankalozana enina tena tokony ho jerena sy manan-danja indrindra ny vohikala The Insider. Ny loharanom-baovao tena manala-baraka indrindra naborak'ilay fanaporitsahana loharanom-baovao angamba dia hoe i Mikhail Demin, izay lasa tale jeneralin'ilay onjam-peo malaza Ekho Moskvy ny volana Desambra 2014, dia lazaina fa nifanaraka tamin'i Zharov momba ireo fanapaham-baovao.
Misy emailaka iray lazaina ho nampiseho an'i Demin mangataka mazava ny fanomezan-dalan'i Zharov ho an'ny Ekho Moskvy mba handefa fitaovana fampielezan-kevitra ho an'ny diaben'ny mpanohitra hatao ny 1 Martsa. Ho valin'io fampahafantarana mibaribary io, nibitsika izao i Leonid Volkov, mpanoratra efa ela tao amin'ny Ekho Moskvy, i Alexey Venediktov lehiben'ny mpanoratra vaovao, ary i Alexey Navalny mpiara-miasa akaiky izay avy amin'ny mpanohitra, izay tafiditra tamin'ny fanomanana ilay diabe an'ny mpanohitra:
Размещением проморолика марша “Весна” занимался Немцов, он говорил, что “Эхо” тянет время – а то было “согласование” https://t.co/nURliEXWJ6
— Leonid Volkov (@leonidvolkov) April 16, 2015
Nemtsov, izay misahana ny fizaràna ilay horonantsary fampielezan-kevitra an'ilay diabe “Lohataona”, dia nilaza fa naka fotoana maharitra ny “Ekho”, fa hita fa nisy ny “fifandaminana”
Raha mbola manohy mamoaka fifandraisana manokana an'ny governemanta ny Anonymous International, mbola mitohy miodikodina ihany ny adihevitra manodidina ny fomba nahazoan'ilay vondrona mahazo loharanom-baovao maro be toy izao, ary hoe nahoana ilay vondrona no mandefa ny zavatra ataony, amin'ny fotoana anaovany azy.
Tamin'ny fanadihadiana ny mety ho vokatra araka ny lalàna ny amin'ny zavatra ataon'ny Anonymous International, nilaza i Pavel Chikov mpahay lalànan'ny zon'olombelona, fa ireo hafatra an-tsoratra navoaka vao haingana “dia mamboraka ireo fomba fiasa ratsy indrindra an'ny Fitantanan-draharahan'ny Fitondràna, anefa tena nosivanina tsara tokoa ilay fifandraisana navoaka, ka na dia tena tia mafy aza ianao, ho sahirana ianao hitady fanitsakitsahan-dalàna aharesy lahatra.” Milaza ilay fanehoan-kevitr'i Chikov hoe somary mitàna tena ihany ny Anonymous International amin'ny lafiny sasany, mikendry kokoa ny fnalam-baraka noho ny fikorontanana be.
Mijery ny “ahoana sy nahoana” aorian'ireo fiporitsaham-baovao an'ny Anonymous International ireo ihany koa ny fanadihadiana ataon'ny Gazeta.ru.
Nanamarina ny manam-pahaizana iray tsy fantatra anarana nokaramain'ny Gazeta.ru, fa avy tamin'ny iCloud ny ankamaroan'ireo hafatra navoaka tamin'ilay fiporitsaham-baovao vao haingana. Nanazava ilay manam-pahaizana, fa mety afaka natao tamin'ny fomba maro io, sahala ny amin'ny alalan'ny “phishing” na ny fampiasàna “sniffer,” teknolojia natao afaka mahita sy maka ireo serasera mandalo amin'ny tambajotra nomerika iray, toy ny tambajotra Wi-Fi ho an'ny daholobe. Ho famintinana azy, nanatsoaka ilay olon'ny Gazeta.ru fa tsy voatery ho sokajiana sahala amin'ireo asan'ny mpitsikilo matihanina ireo asan'ny Anonymous International, ary misalasala ny fisian'izany aza izy. Tsy fantatr'ireo orinasa mpitsikilo matotra mikatona Rosiana ihany koa hoe iza no ao ambadik'i Boltai, hoy ilay olona.
Raha ny amin'ny tanjon'ny Anonymous International indray, ilay tatitry ny Gazeta.ru aloha dia mieritreritra ilay hevitra mipoitra hoe ireo ao anatin'i Kremlin ihany no mampiasa ireo loharanombaovao miporitsaka ireo mba hanamafisana ireo toerany ary hanapotehina ireo mpifaninana aminy. Maro ireo mino fa ny filoha mpanampy voalohan'ny ekipan'i Poutine no kendrena voalohany amin'ireo loharanom-baovao miporitsaka ireo, i Vyacheslav Volodin izany, ary ny manodidiana azy. Araka ny loharano hafa iray, tsy fantatra anarana, miara-miasa amin'ireo mpikambana ao amin'ny sehatry ny fiambenana ireo fahavalon'i Volodin, izay lazain'ny Gazeta.ru fa mety hanazava ilay lazaina fa fidirana tsy ara-dalàna tao amin'ny sehatra mikaton'ny Gov.ru, tamin'ny fisandohana vao haingana ny mpamatsy vaovaon'i Medvedev.
Nisy loharano hafa tsy fantatra anarana indray koa nilaza an'ny Gazeta.ru hoe mety mamatsy loharanom-baovao an'ny Anonymous International, ireo mpiandraikitra ao amin'ny fitondram-panjakana izay very tombotsoa. Nilaza ireo loharano tsy mitonona anarana maro samihafa fa ny tanjona voalohan'ilay vondrona dia ny haka vola iray alina dolara any amin'ireo tomponandraikitra, ary haborany ireo loharanom-baovao rehefa tsy mandoa ireo kendreny. Loharano farany, izay “mifanakaiky an'ny Kremlin,” aza nilaza fa ao ambadik'ireo fivoahana loharanom-baovao ireo i Medvedev, mampiasa azy ireo hanaovana valifaty kely, raha sady mody nisandoka ny kaonty Twitter-any izy mba hanalàna ny fiahiahiana.
Toa tsy hita ho talanjona loatra tamin'ny fanadihadian'ny Gazeta.ru ny Anonymous International, anefa, na dia naka tao amin'ny Twitter aza mba hanadrohadroana ilay fanadihadiana, izay nahazo fanazavana maro sy loharano:
http://t.co/PqtzUnlcGb Еще несколько версий на наш счет
— Shaltay Boltay (@b0ltai2) April 17, 2015
[rohy makany amin'ny lahatsoratry ny Gazeta.ru] Mahita izahay fa misy ireo fomba filaza maro hafa
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...