Tantara tamin'ny 18 Febroary 2015
Ny Filaminam-Pirenena No Tanisain'i Tiorkia Hampidirana Ny Fifehezana Ny Aterineto
Fiarovana vonjimaika ihany no nomen'ny fitsaràna ho an'ny olompirenena manoloana ny ady am-pitaka ataon'i Ankara amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiainana manokana, ka dia miketrika lalàna hihoarana azy ireny ny governemanta.
35 Taty Aoriana, Ankatoavina Ny Asa-Vavolombelon'i Óscar Romero
Nanambara amin'ny fomba ofisialy ilay pretra salvadoriana Monsignor Romero, izay nisy namono tamin'ny 1980 noho ny fidradradradra-panoherana ny polisy i Vatikana.
Tsidiho Amin'ny Alalan'ny Solosainao Noho ny Fisian'ny Google Street View i Bangladesh
Nanomboka niasa tamin'ny 5 Febroary ny Google Street View ao Bangladesh. Namoaka ny fifaliany tamin'ny fahitana ny lungi-ny, fitafy mitovy amin'ny sarong, nipoitra tamin'ny sary (nihantona tao an-davarangana) ny mpisera Facebook iray.
Ho An'ny Mpitari-Pivavahana Ao Arabia Saodita, Tsy Ny Tany No Mihodina. Ho An'ny Hafa, Ny Masoandro No Mihodidina Ny Tany
Hentitra ny Sheikh Bandar al-Khaibari, Saodiana mpitari-pivavahana, fa tsy mihodina ny Tany. Ahoana hoy izy no ahafahan'ny olona iray miala ao Sharjah ho any Shina raha mihodina ny Tany?
Okraina: Misetra Fanoherana Ireo Solombavam-bahoaka Manosika Ny Hanaovana Dika Mitovy Amin'ny Lalàna Mifehy Ny Rosiana Mpamaham-bolongana
Mpikambana iray tao amin'ny antenimiera no nanoso-kevitra ny amin'ny tokony hitakiana amin'ireo bilaogera ny hanomezany fanamarinana ny vaovao alefany sy hanolorany ny mombamomba azy ireo amin'ny manampahefana.