Okraina: Misetra Fanoherana Ireo Solombavam-bahoaka Manosika Ny Hanaovana Dika Mitovy Amin'ny Lalàna Mifehy Ny Rosiana Mpamaham-bolongana

Sary nafangaron'i Tetyana Lokot.
Dia tena tratry ny zava-tsy nampoizina nahasorena tokoa ireo Okrainiana mpampiasa aterineto tamin'ny faran'iny herinandro lasa iny rehefa injay nisy mpikambana iray tao amin'ny antenimiera nanoso-kevitra ny amin'ny tokony hitakiana amin'ireo bilaogera ny hanomezany fanamarinana ny vaovao alefany sy hanolorany ny mombamomba azy ireo amin'ny manampahefana.
Ny 12 Febroary, natolotr'i Vasyl Petyovka, solombavambahoaka iray avy any Okraina Andrefana izay tafiditra ao amin'ny parlemanta rehefa nahazo ny vaton'ny maro an'isa, ny volavolam-panitsiana ny lalàna momba ny fampahalalana vaovao. Volavolan-dalàna mikasika ny hifehezana ny asan'ireo bilaogera ety anaty serasera sy hametraka andianà fepetra amin'ireo mpampiasa aterineto.
Петьовка вирішив “врегулювати блогерів”, бо “пишете тут всяке в своїх інтернетах”! Коротко: http://t.co/CxcLBollBa pic.twitter.com/Loinod76cx
— andrii bashtovyi (@nomoreanry) February 15, 2015
Nanapaka hevitra i Petyovka “ny hifehy ny bilaogera,” satria “soratanareo rehetra ao anaty aterineto daholo izao karazana zavatra rehetra izao”! Vaovao tsy misy mpanana ity.
Taitra avy hatrany tamin'ilay fanitsiana sy ny soso-kevitra nomeny ireo mpanao gazety sy mpampiasa ny media sosialy. Ankoatry ny zavatra hafa, dia faritan'ilay volavolan-dalàna ho toy ny “tomponà tranonkala iray ao amin'ny aterineto izay mamoaka vaovao ho an'ny daholobe” ny “bilaogera” iray. Raha tsorina dia ny rehetra mampiasa ny aterineto no mety ho tratr'izay famaritana izay.
Ny drafitra fanitsiana natolotr'i Petyovka dia manindry fa be loatra ny vaovao tsy voamarina ety anaty aterineto, noho izany dia tokony horaisina ho tomponandraikitra amin'ny fanamarinana ny zava-misy sy vaovao alefany ireo bilaogera, toy ireo mpampahalala vaovao mahazatra ihany.
Soso-kevitra ao amin'ilay volavolam-panitsiana ihany koa ny hanivànana ireo faniratsiràna zava-masina eny anaty bilaogy Okrainiana, sy ny handraràna ireo bilaogera tsy “hampiasa ny tranonkalany hanafanana vaovao manana ny lanjany ho an'ny daholobe,” na dia tsy nanome fanazavana aza ity parlemantera ity mikasika ny antsoiny amin'izay vaovao izay na ny fomba fampiasàna bilaogy na tranonkala “hanafenana” vaovao..
Farany, takian'ilay volavolam-panitsiana ireo bilaogera mba hamoaka eo amin'ny pejiny ny anarany feno sy ny adiresy elektronika ampiasainy, mba hanamoràna ny fahafahan'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta sy ireo mpampihatra lalàna mifandray aminy.
Tsy mahagaga raha marobe ny Okrainiana mpampiasa aterineto no nahita fitoviana teo amin'ireo soso-kevitra natolotr'i Petyovka sy ilay lalàna iray ho an'ny bilaogera izay efa manan-kery any Rosia.
@watcher_com_ua @ukrpravda_news Депутат украiнський, а закон росiйський.
— Андрей (@asputnyk) February 16, 2015
Ny solombavambahoaka no Okrainiana, fa ny lalàna kosa Rosiana.
Nandritry ny faran'ny herinandro manontolo, difotry ny fifanakalozan-dresaka sy fanamelohana ilay volavolan-dalàna ho an'ny bilaogera tamin'ny fitenenan'ireo mpampiasa ny zavatra tany an-tsainy tany teny anatin'ireo fanehoanevitra momba ilay tantara ny tontolon'ny fitorahana bolongana tao Okraina, ny tao amin'ny Twitter ary tao amin'ny Facebook.
Raha ny fahitàna azy, ny teny mafy nataon'ireo mpampiasa aterineto ho an'ilay solombavambahoaka sy ny haavon'ny fahalinana nasehon'ireo mpampahalala vaovao dia samy namely mafy an'i Vasyl Petyovka. Ny 16 Febroary, nanambara izy fa hosintoniny ilay volavolam-panitsiana. Nilaza ilay solombavambahoaka fa tsy tao an-tsainy mihitsy ny haneritery ny asan'ireo bilaogera, na ny zon'izy ireo, ary nambarany fa te-hiaro fotsiny ny tontolon'ny tranonkala Okrainiana tsy ho sehatry ny fihantsiana sy ny fanelezana vaovao tsy marina avy amin'ireo “bilaogera sandoka sy ny bots avy any Kremlin” izy, izay nokendrena hiantefan'ilay volavolan-dalàna.
Я не можу не зважати на громадську думку. Якщо юристи, експерти, журналісти вбачають в цьому законопроекті загрозу для свободи слова, значить він не повинен потрапити до сесійної зали і стати законом. Саме тому, цей документ буде відкликано мною з Верховної Ради.
Tsy vitako ny tsy hiraharaha ny hevitry ny olona. Raha hitan'ireo mpanao lalàna, manampahaizana manokana, mpanao gazety fa loza mitatao ho an'ny fahalalahana miteny ilay volavolam-panitsiana, dia tsy tokony handalo any amin'ny antenimiera izany ka ho lasa lalàna. Izay no antony hisintonako azy any amin'ny Verkhovna Rada.
Nijanona ho feno ahiahy momba izay tena ao an-dohan'i Petyovka ihany ireo mpampiasa media sosialy, saingy nidera ny vondrom-piarahamonina ety anaty aterineto tamin'ny fihetsehan'izy ireo avy hatrany no sady niaiky ny tabataba nataon'ny media sosialy mba hisintonana ilay volavolam-panitsiana.
Петьовка отозвал переписанный слово в слово с рашисткого “закона о блогерах” законопроект. Друзья, вместе мы сила. Всем спасибо за участие
— Адепт Истины (@adept_istiny) February 16, 2015
Nosintonin'i Petyovka ilay volavolam-panitsiana, voanteny nadika tsirairay avy amin'ilay lalàna Rosista [Rosiana] momba ny bilaogera.
Ry namana, mahery isika rehefa tafaraka. Isaorana ny tsirairay tamin'ny fandraisany anjara.
Nandalo fotoana sarotra ny governemanta Okrainiana handrafetana politika momba ny fampitàna vaovao raha sady niatrika ny fifandonana ara-miaramila tamin'ny Rosiana sy ireo mpomba azy tany Atsinanana, ary ny ady amin'ny alàlan'ny fandefasana vaovao nifanaovany tamin'i Rosia. Tamin'ny faran'ny taona lasa iny, nampametraka fanontaniana ho an'ny daholobe ny namoronana Ministera iray hisahana ny politikan'ny fampahalalana vaovao, izay nosorana ny anarana hoe “Ministeran'ny Fahamarinana.” Ho toy ny ady ataon'i Okraina amin'ny olan'ny sivana, fampiezankevitra, ary fiarovana ny loharanom-baovao, dia anjaran'ireo mavitrika mpampiasa aterineto sy mpisolovava ny fahalalahana miteny no mihetsika ho toy ny arofanina sy mari-pandrefesana ny fahalalahana maneho hevitra, ary mandefa famantarana ho an'ny fanjakàna rehefa manararaotra ny tombontsoa nomena azy ito farany.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...