Ho An'ny Mpitari-Pivavahana Ao Arabia Saodita, Tsy Ny Tany No Mihodina. Ho An'ny Hafa, Ny Masoandro No Mihodidina Ny Tany

Tao anaty lahatsary ao amin'ny Youtube no nilazan'ny Sheikh Bandar al-Khaibari, mpitari-pivavahana ao Arabia Saodita fa tsy mihetsika ny Tany ary tsy mihodina manodidina ny masoandro. Nopaingorin'ny fahitalavitra Al Arabyia an-dry zareo Saodiana ilay tantara rehefa nivezivezy be tety anaty media sosialy, ary nalefany ho hitan'izao tontolo izao. Loharanon-tsary: dika nalaina tamin'ny lahatsary tao amin'ny fahitalavitra Al Arabiya
Tsy misy fomba mihitsy hahafahan'ny Tany hihodina an-toerana eo, hoy ilay Saodiana mpitari-pivavahana – Sheikh Bandar al-Khaibari – izay manindry milaza fa mijanona eo amin'ny misy azy ny planeta misy antsika. Voarakitra anaty lahatsary iray ny fanazavàna nataony, izay toa avy aminà kaonferansa iray, izay nitenenana fa raha toa ka mihodina marina tokoa ny Tany, ahoana no ahafahan'ny olona iray manday fiaramanidina hamonjy an'i Shina.
Toy izao no tena nolazainy :
Amin'ny maha-Miozolmana antsika dia manana atidoha isika. Voalohany indrindra, aiza moa isika? Raha mankany amin'ny seranam-piaramanidina Sharjah isika ka te-ho any amin'ny seranam-piaramanidina any Shina, amin'ny alàlan'ny fiaramanidina… mazava ve izay? Tiako hifantoka miaraka amiko ianareo .. Ity ny Tany [zavatra tazoniny eny an-tànany], raha lazainareo fa mihodina izy ity, raha miala ao amin'ny seranam-piaramanidina Sharjah isika ka hisidina ho any amin'ny seranam-piaramanidina ao Shina, ary mihodina ny Tany, ao an? Araka izany, raha mijanona eo ambony habakabaka eo ilay fiaramanidina, tsy ho avy eo aminy ve i Shina? Marina sa diso? Raha mihodina izy, ho avy eo Shina sa tsia? Raha mihodina tahaka izany ny Tany, ary manidina ny fiaramanidina, tsy ho tonga any Shina mihitsy ianareo, satria mihodina i Shina ary mihodina ianareo. Fomba ahoana no hahatratraranareo an'i Shina?
Eto ilay lahatsary no zarain'i Ahmed Zayed ao amin'ny YouTube :
Ary ny fahitalavitra Saodiana Al Arabiya, izay nandefa ilay tantara taorian'ny nivezivezeny be tao amin'ny media sosialy, dia nandika eto ilay lahatsary [io jerena raha hijery ny dika amin'ny teny Anglisy].
Ao amin'ny Twitter, mampifanjevo ny Saodiana ny hoe mihodina amin'ny tenany ve ny Tany sa ny masoandro, amin'ny fampiasàny ny tenifototra #داعية_ينفي_دوران_الأرض, izay midika hoe #mpitaripivavahana_mandà_nyTany_mihodina.
Fa nandeha lavidavitra kokoa ny adihevitra, miaraka amin'ireo maro izay milaza fa ny Masoandro no mihodidina ny Tany izay tsy mihetsika.
Avy ao Arabia Saodita, fongarin'i Naifco ary zarainy ao amin'ny Twitter ity fatwa (didim-pinoana) ity, izay milaza koa fa tsy mihodina ny Tany, ary ny masoandro no mihodina manodidina azy. Efa ho maherin'ny in-500 ity bitsika ity no nifampizarana hatreto :
الرئاسة العامة للبحوث العلمية والإفتاء في السعودية : من قال أن الأرض تدور فهو كافر كفر أكبر #داعية_ينفي_دوران_الأرض pic.twitter.com/o06tFwrUdq
— NAiFco (@naifco) February 15, 2015
Araka ny fatwa, [avy amin'ny Sekretera Jeneraly Maharitry ny Fatwa ao Arabia Saodita], izay nomena ho valinteny tamin'ny fanontaniana napetraky ny mpampianatra iray, dia ny Masoandro no mihodidina ny Tany, fa tsy ny mifanohitra amin'izay:
Fanontaniana 3: Mandritry ny fampianarana siansa dia mampianatra aho fa : Mihodina manodidina ny Masoandro ny Tany ary hatramin'ny nahenoako ny voalazan'ny Sheikh Abu Bakr Al Jazaeri fa hoe ny masoandro no mihodidina ny Tany, dia tokony hatahotra an'i Allah ireo rehetra mampianatra an'io taranja io. Loza mitatao ho an'ny finoany io satria lasa fandàvana imasom-bahoaka ny fivavahany ny taranja ampianariny. Nohazavaiko tamin'ireo mpianatro izany taorian'ny fampianarana. Mety ve sa diso ny nataoko? Miangavy mba ampahafantaro ahy, Allah anie hamaly fitia anao.
Valiny 3: Marina izay lazain'ny Sheikh Abu Bakr. Tsy mihetsika ny Tany ary ny masoandro no mihodina manodidina azy.
Vokatry ny fizarana ity fatwa ity, niharan'ny taimbavan'ny mpamaky azy ity mpitoraka bilaogy bitika ity, mpamaky izay tonga hatramin'ny fanompàna azy noho ny fanesoesoana ny finoana, raha toa ka ny nibitsika ilay fatwa fotsiny no hany nataony, izay manilika ny fampianaram-pinoana Saodiana izay milaza fa ny Tany no mihodina manodidina ny masoandro.
Avy ao Riyadh, renivohitr'i Arabia Saodita, ampahatsiahivin'i Musfer ben Ali an'ireo 8.5K manjohy azy hoe:
#داعية_ينفي_دوران_الأرض للمعلومية : الرأي الشرعي الرسمي للسعودية يقول ان الارض لا تدور .. وهذا الرجل نقل ما حفظه فقط ..
— مسفر بن علي (@M_Almoqati) February 15, 2015
Mba ho fampahafantarana ho anao, ny filazana ofisialy mifanaraka amin'ny Sharia ao Arabia Saodita dia tsy mihodina ny Tany. Namerina fotsiny ny zavatra nampianarina azy no nataon'io lehilahy io
Na teo aza io, dia gaga i Akram Wadidi fa mbola misy ihany olona ao amin'ny Twitter miaro ny fanambarana nataon'ilay mpitari-pivavahana :
الغريب في الامر انه في ناس بتدافع عن الشيخ القال الارض ثابتة لا تدور… ما واحد ولا اتنين.. ناااااس كوتاااار
— أَكْرَمْ وَدِيْدِيْ (@Akram_Wadidi) February 16, 2015
Ny hafahafa dia izao, misy olona miaro ilay mpitari-pivavahana izay nilaza fa tsy mihetsika ny Tany ary tsy mihodina. Tsy iray na roa….tena marobe
Ary avy any Dubai, manamarika i Hazza Al Marri ho an'ireo 1.200 manjohy azy :
الارض ثابتة ولا تدور حول الشمس ومن قال غير ذلك “…فهو رجل عقلاني لا يلتفت إليه ” !! http://t.co/cciZMUhIKX
— هزاع المري (@HazzaaAlmarri_) February 17, 2015
Tsy mihetsika ny Tany ary tsy mihodina manodidina ny Masoandro ary na iza na iza miteny zavatra hafa ankoatra an'io dia “olona hendry mahalala ny lazainy, nefa tsy misy olona hihaino azy eo”!!
Mandria am-piadànana ry Galileo Galilei — ilay Italiana mpandinika ny any amin'ny tsy taka-maso any, nahita, notsaraina “ho nitompo teny fantatra nanohitra ny efa nipetraka”, noterena hiala amin'ny heviny, ary nandany ny sivy taona farany niainany mandra-pahafatiny tamin'ny 1642 tany am-ponja ho fiarovana ny teorian'ny heliocentrism (=mihodina manodidina ny masoandro ny zavatra rehetra).
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...