Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

23 Novambra 2014

Tantara tamin'ny 23 Novambra 2014

Mahita Mena Ireo Shinoa Amin'ilay Ezaka ‘APEC Manga’ Ataon'ny Governemanta Hiadiana Amin'ny Fahalotoana

Raràna tsy handoro saribao mba hanafàna ny tranony sy ny ozinina ny olona , nakatona ireo sekoly sy ireo biraom-panjakana -- mba hiantohana fa tsy hisy setroka ny lanitra ary ho manga any Beijing mandritra ny APEC.

Niandry ny Taona Manontolo Hahazoana Mofomamin'ny Noely? Tongasoa Eto Japana Tsy Misy Dibera

Ny tsy fisian'ny dibera manakaiky krismasy ihany koa dia niteraka fanaovana sary hampihomehezana amin'ny aterineto ao Japana: Mpitsoa-ponenan'ny dibera.

Tsinian'ny Kiorda Ho Ambadiky Ny Fanapoahana Fiara Tao Erbil ireo Arabo Mpialokaloka

Olona dimy farafahakeliny no namoy ny ainy ary 29 naratra tamina fanafihana tamin'ny alalan'ny fanapoahana fiara tamin'ny Alarobia tao Erbil, renivohitry ny faritra mizaka tenan'i Kiordistan Atsimo ao Avaratr'i Irak, araka ny fanamafisan'ny minisiteran'ny Fahasalamana tamin'ny valan-dresaka nataony hoan'ny mpanoratra gazety .

Hitan'ny Mpikatroka ny Mahareniranontay Ny Reniranon'i St. Petersburg

Tamin'ny fikarohana nomen'izy ireo anarana hoe “Zotran-Diky", dia nametraka fitaovana - famantarana GPS sivy nohakelezina sy tsy mety lena ao anaty tranom-pivoahana tamin'ny fonenana iray ireo mpikatroka ary nanomboka nandrakitra an-tsarintany ny marika napetraky ny fitaovana.

Tsy Ampy Ny Rano Any São Paulo, Nefa Tsy Mety Manao Fitsinjarana Rano Ny Mpitondra

Ny antoka omen'ny mpitondra fa tsy tsinjaraina ny rano dia mifanohitra amin'ny zavatra iainan'ny mponin'i São Paulo, izay milaza fa matetika no tsy misy rano ny paompin-dry zareo.