Mahita Mena Ireo Shinoa Amin'ilay Ezaka ‘APEC Manga’ Ataon'ny Governemanta Hiadiana Amin'ny Fahalotoana

Two photos of the same street in Beijing, one taken on a clear, sunny day and the other on a smoggy day. Photo uploaded to Flickr by user Locksley McPherson Jnr on October 26, 2014. CC BY-NC-SA 2.0

Saripika roa maneho làlana iray ihany ao Beijing, ny iray nopihana tamin'ny andro mazava, misy masoandro ary ilay iray hafa nalaina tamin'ny andro iray feno setroka. Sary nalain'i Locksley McPherson, mpampiasa Flickr, tamin'ny 26 Oktobra 2014. CC BY-NC-SA 2.0

Nametraka fitambaranà fehezan-dalàna manokana hiadiana amin'ny fahalotoan'ny tontolo iainana ny manampahefana Shinoa — nanomboka tamin'ny famerana ny fampiasana fiarakodia, ka hatramin'ny tsy fahazoana intsony manao ilay fomban-drazana mandoro ny akanjon'ilay olon-tiana maty rehefa amin'ny fandevenana — izany no natao dia mba hampisehoana ny endrika tsara indrindran'i Beijing amin'ny any ivelany, satria mampiantrano manampahefàna maro maneran-tany izy amin'ilay vovonana Ara-toekarena Azia-Pasifika na Asia-Pacific Economic Cooperation (APEC).

Raha ny tena marina, manahy amin'ny lokon'ny lanitra eny an-tampon-dohany ireo tompon'andraikitra. Natetika rakotra setroka i Beijing sy ny ampahany hafa amin'i Shina, tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, manakona ny masoandro sy ny lanitra mandritra ny andro. 

Tena manga tsara tokoa ny lanitra nandritra ny fanokafana ny APEC ny 5 Novambra, saingy tsy dia faly loatra tamin'ilay lokony ireo Shinoa mpampiasa media sosialy ao amin'ny tanibe, izay nametraka anarana ilay ezaka ho “APEC manga” (APEC 藍 amin'ny fiteny Shinoa).

 Misy karazana loko ao Beijing izay antsoina hoe APEC Manga, namboarina manokana ho an'ireo vahiny manampahefana manatrika ny fihaonana APEC 

Silent snow (@靜靜的雪) nanazava ny dikan'ny “APEC manga” tao amin'ny Sina Weibo toy ny Twitter : 

【APEC蓝】一个APEC会,全网哗然:限制百姓的出行、取暖、看病,甚至出殡;国外也愕然:一个普通会议,怎么会让学校和政府机关都关门,连死人都要等几天?如此不尊重人权,批评声四起必然。评:天的确很蓝,但不是为我们而蓝!悲哀…

APEC Manga. Nampitroatra ny Aterineto ny fihaonana APEC: Napetraka ho tsy maintsy arahana ireo fehezan-dalàn, mba hamerana ireo olona tsy handehandeha ary hampiasa fitaovana miteraka hafanana, na fitsaboana sy fandevenana aza. Nanohina ireo tany vahiny izany. Fihaonana efa fanao io, kanefa tsy maintsy hakatona ireo sekolintsika sy ireo asa any amin'ny governemanta. Na dia ny faty aza mila miandry, izay vao afaka halevina araka ny tokony ho izy. Mahatonga fanakianana ny tsy fanajana ny zon'olombelona sahala amin'izany. Tena manga tokoa ny lanitra, saingy tsy ho antsika izany! Tena mampalahelo…

Mba hikarakaràna ny fihaonana APEC, nodidiana hikatona ireo orinasa an'arivony tany amin'ireo faritany manodidina. Naato ireo tetikasa fanorenana. Nomena fialantsasatra lava hijanonany any an-tranony, ireo mpiasam-panjakana an'aliny, mpampianatra sy mpiasa amin'ireo orinasam-panjakana. Nahena ho amin'ny antsasany ny isan'ny fiarakodia mandeha eny an-dalana, satria tsy maintsy manaraka ny fehezan-dalànan'ny fifamoivoizana mametraka ny fahafahan'ny fiara mivezivezy araka ny tarehimarika roa farany amin'ny takelakany izy ireo, miankina amin'ny hoe ankasa na tsy ankasa.

Tsy maintsy mandalo fisavàna ny resaka fiarovana ny seranam-piaramanidina daholo ireo mpandeha amin'ny lamasina ambanin'ny tany, ary nakatona ny fiantsonan'ny lamasina ambanin'ny tany sasany mba hampilamina kokoa ny fitohanan'izy ireo.

Nisy fiantraikana mafy teo amin'ireo mpanome tolotra fitateram-bokatra ilay fanamboarana manokana ny fifamoivoizana, nanery azy ireo hampiato ny asany mihitsy. Nalefan'i Dali_Yang ny fanambaràna iray avy tamin'ny orinasa mpamatsy sakafo izay milaza fa hiato mandritra ny sivy andro ny fanaterany ronono noho ny fihaonana APEC:

Tsy misy fanaterana ronono mandritra ny fihaonana APEC ao Beijing.

Rehefa misy fialantsasatra iray lava be, afaka misafidy ny hijanona ao an-trano tokoa ny olona. Na dia izany aza, misy ireo mety mahita ny tranony ho mangatsiaka loatra mba hipetrapetrahana, satria vanin'andro mangatsiaka any Beijing izao. Misafo ny 0°C ny maripàna ao an-tanàna ny alina. Mandritra ny fihaonana APEC, voarara tsy mahazo mandrehitra arina mba ahandroana sakafo sy tsy hampiasa fitaovana fanafanàna ireo olona mipetraka ao anatin'ny dimy kilaometatra miala ilay toerana mba hampihenàna ny setroka mivoaka. Mihàtra amin'ireo orinasa kely, sahala amin'ny mpanao sakafo ihany koa, io fehezan-dalàna io. Nitatitra izao tao amin'ny Twitter i Jeremy Goldkorn avy amin'ny DANWEI, mpamakafaka bilaogy ao Shina:

Ho an'ny APEC, nodidiana hikatona avokoa ireo toeram-pisakafoanana madinika manodidina ny birao fiasako aty Beijing, mba hanenàna ny setroky ny lakozia 

Raha manao sorona ireo olona mba hahamanga tsara ny lanitra, tsy nivonona ny hanajanona ilay afomanga entina handraisana ny APEC kosa ireo manampahefàna, ary ireo famerenana azy. Maneho ny ahiahiny ao amin'ny Weibo i Jiang Han, mpamokatra mozika:

APEC主会场方圆5公里内禁烧柴火,八宝山不让烧逝者衣服,然而昨晚姹紫嫣红的各色烟花在鸟巢上空绽放,迎接APEC会议。只许州官放火,不许百姓做饭。车不让开了,地铁限站了。民生大事竟然因一个会而让百姓普受折腾。

Tao anatin'ny dimy kilometatra miala ny toerana hanaovana ny APEC, tsy navela nandoro saribao sy kitay ny olona. Na nanome akanjo ho an'ny maty tany Babaoshan aza tsy azo  natao. Kanefa halina, nahita karazana afomanga nahatonga ny lanitra ho mena izahay, nanakaiky ny tranobe Tranom-borona Olaimpika. Famerenana ny fandraisana ny APEC io. Afaka mandoro izay tiany eny rehetra eny ireo manampahefana, fa ny olon-tsotra kosa tsy mahazo na dia mahandro sakafo aza. tsy mahazo mitondra ny fiarantsika isika ary tsy maintsy mandalo fiantsonana maro ireo lamasinina ambanin'ny tany. Tsy maintsy mijaly ho anà fihaonana iray ny vahoaka.

Nanenika ny media sosialy Shinoa ireo fanakianana ilay “APEC manga”, fa voafafa avy hatrany tany anatin'ireo vohikala avokoa ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra tena manaratsy. Raha tsy izany, “maneho ny fanohanany” maneso ireo olona, toa ny nataon'i Zhang Hanbing tao amin'ny Weibo:

支持APEC!我们一定确保不买菜不做饭不洗衣不供暖不生病不公交不地铁不开车不出门不上班不上学……必须的时候,我自愿:三十秒以内不呼吸

Tohano ny APEC! Tsy handeha any an-tsena mihitsy isika, tsy hahandro sakafo, tsy hanasa ireo lambantsika, tsy hanafàna ireo tranontsika, tsy harary, tsy handray fiara fitateram-bahoaka, tsy handray lamasinina mandeha ambanin'ny tany, tsy hitondra fiara, tsy hiala ato an-tranontsika, tsy handeha hiasa, tsy handeha hatory… raha ilaina aza, hirotsaka antsitra-po aho tsy hiaina mandritra ny 30 segondra.

Na dia eo aza ireo famerana ireo, tsy haharitra ela akory ny APEC manga. Milaza ny fiverenan'ny setroka ato anatin'ny andro vitsy ny filazàna ny toetrandro. Hialona ny lanitra “APEC manga” lalandavan'i Korea Avaratra ve i Beijing, araka ny nolazain’i Choi Seongho, mpanoratra ?:

朝鲜的天空,每天都是APEC蓝,太容易被人嫉妒了

APEC manga isan'andro ny lanitr'i Korea Avaratra. Mora ho an'ny hafa ny hialona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.