Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

09 Septambra 2014

Tantara tamin'ny 09 Septambra 2014

Adinoy Ny Rano Mangatsiaka. Mihantsy ireo Mpanao Politika ireo Mponin'ny Tanàna Ambany Mba Handeha Amin'ny Fitateram-bahoaka Ao Anatin'ny Ora Fiaingàna

Nandray anjara tamin'ny #MRTChallenge ny Loholona Grace Poe ny herinandro lasa teo, nanaraka izany ihany koa ny mpitondra tenin'ny Filoha, i Abigail Valte sy i Edwin Lacierda, andro vitsivitsy taty aoriana.

14 Farafahakeliny ny Olona Naratra tamin'ny Fanapoahana Baomba Tao Amin'ny Garan'ny Metro Santiago

Vehivavy iray miasa amin'ny raharaham-panadiovan'ny Metro S.A., izay very rantsa-tanana havanana, sy olona iray 35 taona maratra lamosina no naratra mafy indrindra tamin'izany.

Afaka Manapaka Ny Aterineton'i Rosia i Etazonia, Hoy ny Mpanao Lalàna Iray

Mihevitra ny depiote iray ao amin'ny parlemanta Rosiana fa afaka manapaka ny aterineton'i Rosia i Etazonia ka manoro-hevitra amin'ny Rosiana izy mba handray fepetra hivonona amin'izay mety ho fanivanam-baovao.

Fisaonana Ilay Goavan'ny Fampianarana Yoga, BKS Iyengar

Voalaza ho mpampianatra yoga iraisampirenena, nodimandry teo amin'ny faha-96 taonany i BKS tapabolana lasa izay. Misaona sy mankalaza azy ao amin'ny Twitter herinandro vitsivitsy ny mpianatra sy ny mpankasitraka azy.

Mponin'ny Nosy Pasifika Handefa Lakana Hanakanana Ny Fananganana Seranan-Tsambon'ny Fitrandrahana Arintany Lehibe Indrindra Manerantany

Manondrana fahasimbana mbola tsy nisy toy izany ao amin'ireo nosy Pasifika ny seranan'i Newcastle, ary eo an-dalana ny fikasana hanitatra izany.

Mampitodika Any Amin'ny Fitombon'ny Tsy Fandriampahalemana Any Bahamas Ny Namonoana Ny Sekretera Mpampita Vaovaon'ny Praiminisitra

Miha mahazo vahana ny asa ratsy mahery vaika eto amin'ny firenena. Tsy namoaka tarehimarika ofisialy momba ny tsy fandriampahalemana ny governemanta, izay tsy afa-bela amin'ny olana, nanomboka teo antenantenan'ny taona lasa.

Trano Famokarana Ao Hollywood Nitory Koreana Tatsimo Miisa 15 Noho Ny Fandikàna Seho Amin’ny Fahitalavitra Nefa Tsy Nisy Fanomezan-dàlana

Notoriana trano famokarana ao Hollywood ireo Koreana tatsimo mpanao dikateny noho ny fandikàn'izy ny seho malaza amin'ny fahitalavitra. Misy resaka tamin'ny adihevitra ve no tsy hita amin'ny tatitra nataon'ny Western media ?