Olona efatra ambin'ny folo no naratra taorian'ny fipoahana baomba tao amin'ny Metro Escuela Militar [sekoly miaramila] tao an-drenivohitra Santiago tokotokony ho tamin'ny roa ora tolakandro.
Vehivavy iray miasa amin'ny raharaham-panadiovan'ny Metro S.A., izay very rantsa-tanana havanana, sy olona iray 35 taona maratra lamosina no naratra mafy indrindra tamin'izany.
Nanamafy ny Sekretera Lefitry ny Atitany Mahmud Aleuy fa nandositra tao anaty Chevrolet fotsifotsy ny olona roa ahiahiana ho nanao izao fanafihana izao, saingy misy ihany koa ny famotopotorana ny fiara iray faharoa, Opel Corsa miloko mena nahitana olona roa tao anatiny.
El Metro adelantó la hora punta para las 17:00 horas tras el atentado en Escuela Militar http://t.co/ePNcrCJ2dm
— #Temuco (@temuco) septiembre 8, 2014
Ny Metro Santiago alohan'ny mahamaro olona indrindra amin'ny dimy hariva taorian'ny fanafihana ny garan'ny Sekoly Miaramila.
Fuerte explosión en el metro de Santiago es calificada como “acto terrorista” por Gobierno chileno. Fuente: El… http://t.co/n1kjwxNEQ7
— Radio Platinum (@radioplatinumec) septiembre 8, 2014
Fipoahana mafy tao amin'ny garan'ny Santiago voafariparitry ny governemanta Shiliana ho “asam-pampihorohoroana”. Loharanom-baovao: http://t.co/n1kjwxNEQ7
ACTUALIZACIÓN: Ocho heridos por la explosión en el metro en Santiago de #Chile http://t.co/IqYEVfPHBC
— CNNMex (@CNNMex) septiembre 8, 2014
FANANKOTRIHANA: Olona valo no naratra tamin'ny fipoahana tao amin'ny “metro”-n'i Santiago de Chile.
#ALERTA ESTA CLARO QUE FUE UN ATENTADO TERRORISTA EN EL METRO DE SANTIAGO DE CHILE pic.twitter.com/faQkBt3yTc
— M-Noticias- (@mnoticias2014) septiembre 8, 2014
Miharihary fa fanafihana fampihorohoroana no natao tao amin'ny “metro”-n'i Santiago de Chile.