Tantara tamin'ny 20 Jona 2014
Nahita Ampahan-dalana Inca Vaovao Akaikin'i Machu Picchu Ny Mpikaroka Ao Però
Tsy nisy nahamarika ilay lalana Inca nandritra ny 500 taona mahery, izay eo amin'ny iray kilaometatra sy sasany eo ny halavany.
Niharan'ny Fanafihana DDoS Goavana Ny Habaka Saika Hampiantrano Fitsapa-kevi-bahoaka Antserasera Ao Hong Kong
Andro vitsy mialoha ny fitsapa-kevi-bahoaka (referendum) antserasera mikasika ny zo hifidy izay karakarain'ny olo-tsotra , niharan'ny fanafihana DDoS mafonja ny sehatra teknika izay nokasain'ireo mpikatroka hampiasaina amin'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity.
Mampahafantatra Momba Ireo Mpilatsaka An-tsitrapo Mamelona Ny Wikipedia Ity Kaonty Twitter Ity
Miezaka mampahafantatra ny asan'ireo "Wikipediana" ny fisantaran'andraikitra iray. Tetikasa tsy ofisialy mamondrona mpamoaka lahatsoratra isan-karazany isa-kerinandro ny WeAreWikipedia mba hanasongadina vaovao mikasika ireo pejy Wikipedia ankafizin'izy ireo indrindra ary misioka izany amin'ny alalan'ny fampiasana ny marika @WeAreWikipedia.
Resabola No Mahatonga An'i Kamerona Tsy Te-Hilalao Ny Fiadiana Ho Tompondaka Manerantany
Nandà tsy hiala tao amin'ny hotely misy azy ireo ny ekipa "Lions Indomptables" raha tsy naloa tamin'izy ireo ny Vola tambin-karama amin'ny Fiadiana ho Tompondaka Manerantany izay nomen'ny FIFA hoan'ny mpandray anjara tsirairay ao amin'ny firenena.
Fiderana Manerana an'i Chile Taorian'ny Fandresena Manatantara Manoloana an'i Espaina
Nankalaza ny fandreseny manoloana an'i Espaina nandritra ny Mondialy FIFA Brezila 2014 nanerana ny fireneny ny Shiliana. Nanangona ny sarin'ny fankalazana hita ao amin'ny Twitter hatrany Arica ka hatrany Antarctica izahay.