Nahavita nahatratra ny dingan'ny ampaha-16n'ny famaranana amin'ny Mondialy FIFA Brezila 2014 ny ekipam-pirenena Shiliana taorian'ny nandreseny an'i Espaina, izay tompondaka manerantany tamin'ny Mondialy 2010, fandresena izay azony tao amin'ny kianja fanta-dazan'i Maracanã.
Nivoaka nihorakora-pifaliana ny Shiliana nanerana ny firenena na dia mbola tsy tokony ho ora firavan'ny mpiasa sy ny mpianatra aza. Hatrany Arica ka hatrany Antarctica, ny sary avy amin'ny Twitter nampiasa ny diezy tahaka ny #EliminamosAlCampeónMundial (Nanintsana ny Tompondaka Erantany izahay) sy ny #LaRojaEsChilena (Shiliana ny La Roja), satria ny ‘La Roja’ dia tsy Espaniola ihany fa Shiliana ihany koa noho ny lokon'ny ekipam-pirenen-dry zareo izay mena ihany koa.
#EliminamosAlCampeonMundial En la Antártica también lo festejan pic.twitter.com/6KVhryyPY3@deportes13cl vía @riveros_freddy#LaRojaEsChilena
— Prensa Antártica (@prensaantartica) June 18, 2014
Mankalaza ihany koa ry zareo any Antarctica.
Gran celebración enParque Italia #valparaiso#LaRojaEsChilena@ucvradio@twittcafechile@edgardolazopic.twitter.com/yGvILXLFtq
— Stefa Umaña Canessa (@stefacanessa) June 18, 2014
Fivorivorian'ny mpankasitraka maro ao amin'ny Parque Italia, zaridaina ao amin'ny tanànan'i Valparaíso.
#CopaMundialEspanaChile ¡CHILE 2—ESPAÑA 0! Hoy en cordillera de Santiago, foto de Roberto Antezana #LaRojaEsChilenapic.twitter.com/00U4hEp7AD
— Piureman (@Piureman) June 18, 2014
CHILE 2—ESPAINA 0! Androany tao amin'ny faritra Cordillera de Santiago. Saripikan'i Roberto Antezana.
Desde el Morro de Arica #LaRojaEsNuestra#LaRojaEsChilenapic.twitter.com/Jo8YUH8fww
— María José (@JosesiTaita) June 18, 2014
Nopihana tao amin'ny havoanan'i Morro de Arica hill ao Arica.
Galería: Revisa las mejores imágenes de la celebración en Plaza Italia http://t.co/YNi9vT3ehPpic.twitter.com/2t2EzXjDok — La Galera (@lagalera_cl) June 19, 2014
Galería: Avy amin'ireo sary nopihana tsara indrindra tao amin'ny Plaza Italia tao an-drenivohitra Santiago.
Imágenes de la celebración de #CHI en este #Mundial2014http://t.co/XddLt4jKn0pic.twitter.com/n7NrukwaLX — La Tercera (@latercera) June 18, 2014
Saripika maro avy amin'ny fankalazana tao Chile nandritra ny Mondialy 2014.
Na ny Filoha Bachelet aza dia mba niditra tamin'ny fankalazana ihany koa:
Celebrando el histórico triunfo de #LaRoja con la Presidenta Bachelet y la ministra @ximerincon#CHI#Brasil2014pic.twitter.com/gb3kLUssTu
— Alvaro Elizalde (@alvaroelizalde) June 18, 2014
Fankalazana ny fandresen'ny ‘La Roja’ manatantara miaraka amin'ny Filoha Bachelet sy ny Sekretera.
Tsy niala tao anatin'ny fisainana football sy amin'ny mahampanao fanatanjahantena mahafinaritra azy ireo ny mpiandry haraton'ny ekipa roa tonta no nifanakalo t-shirts tamim-pirahalahiana taorian'ny lalao.
IKER CASILLAS Y CLAUDIO BRAVO INTERCAMBIAN CAMISETAS TRAS EL ESPAÑA – CHILE. #EliminamosAlCampeonMundialpic.twitter.com/Jt8DyKbgje
— Ricardo Larrañaga (@RlarranagaR) June 19, 2014
NIFANAKALO T-SHIRTS I IKER CASILLAS SY I CLAUDIO BRAVO TAORIAN'NY LALAO ESPAINA-CHILE.
Ankehitriny i Chile dia miandry ny lalao farany ao amin'ny vondrona B hifandonany amin'i Holandy amin'ny Alatsinainy 23 Jona ao amin'ny kianja Arena Corinthians ao São Paulo.