Resabola No Mahatonga An'i Kamerona Tsy Te-Hilalao Ny Fiadiana Ho Tompondaka Manerantany

Cameroonian national team captain Samuel Eto'o. Photo released under Creative Commons by  soccer.ru.

Kapitenin'ny ekipam-pirenena Kamerona Samuel Eto'o. Sary avy amin'ny soccer.ru, voaaro amin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons.

Tonga tao Brezila, tara 24 ora tsy araka ny ora voatondro mialoha ihany ny ekipam-pirenena Kameroney ny baolina kitra, Lions Indomptables (Liona tsy voafolaka) rehefa avy nahazo tambin-karama tamin'ny minitra farany, fa nandrahona ny mety ho tsy handraisan'ny ekipa anjara amin'ny Fiadiana ho Tompondaka Manerantany..

Tamin'ny Alahady 8 Jiona, nandà tsy hiala tao amin'ny hotely misy azy ireo ny ekipa “Lions Indomptables” raha tsy naloa tamin'izy ireo ny Anjara tambin-karama amin'ny Fiadiana ho Tompondaka Manerantany izay nomen'ny FIFA hoan'ny mpandray anjara tsirairay ao amin'ny firenena. Nilavo-lefona [fr] ihany ny FECAFOOT, federasionan'ny baolina kitra Kameroney tamin'ireo fitakian'ny mpilalao, ka nanolotra vola 5,8 tapitrisa CFA (eo amin'ny 12.000 dolara) isaky ny mpilaolao iray, miampy ny 50 tapitrisa CFA (104 000 dolara) efa nampanantenain'ny governemantan'i Kamerona.

Zavatra efa fahita hatrany amin'ny fandraisan'anjaran'i Kamerona isaky ny fifaninanana iraisam-pirenena ny disadisan-tambinkarama hatramin'ny taona 1980 . Patrick Suffo, ekipa iraisam-pirenena Kameroney teo aloha, nandray anjara tamin'ny fiadiana ny Tompondaka Manerantany 2012, izay efa nifanditra tambi-karama ihany koa, nisioka hoe:

Vanim-potoana samihafa ary olana mitovy ihany ny an'ny Ekipa Kameroney. Raha tsy misy tambin-karama, tsy misy dia mankany Brezila

Niteraka adihevitra mafana sy fizarazarana tao anatiny sy ivelan'i Kamerona ny toetran'ireo mpilalao. Maro ireo nilaza fa tia tena sy tsy tia tanindrazana ireo mpilalao. Mazava tsara ny voalazan'ity milaza tena fa mpankafy baolina kitra iray antsoina hoe Bouba Kaélé ity mikasika izany olana izany:

Andao hifanekena fa fahadisoan'ny governemanta ity tantara ity izay mandefitra amin'ny fandrahonana ataon'ireo mpilalao tsy mitsahatra ny manao kendaroroka

Mpisera hafa, Peter Khoo, nizara hevitra mitovy amin'izany ihany koa:

Tokony ho menatra ireo Kameroney mpilalao, tsy ampy anao ve ny handoavana vola £ 61 000 anao mba hilalao hoan'ny firenenao amin'ny fiadiana Tompondaka Manerantany?

Lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazety antserasera NdjanguiPress, niampanga [fr] ireo mpilalao ho “mpamadika bevava”, ary nikiry nilaza fa:

Un joueur qui va à la Coupe du Monde est un soldat au front. S'il sait qu'il n'a pas de munitions pour le combat, ou qu'il est mal nourri, qu'il se déclare forfait avant d'embarquer. Ne pas mouiller le maillot sur fond des revendications est une haute trahison qui mérite sanction !

Miaramila loha-laharana ny mpilalao handeha handray amin'ny Fiadiana Tompondaka Manerantany. Raha mahafantatra izy fa tsy manana basy hoentina miady, na tsy ampy sakafo, dia tokony hiala na hilaza-tena fa tsy afaka mandray anjara alohan'ny hiaingana.  Famadihana bevava ary mendrika hosaziana ny tsy fahazotoana hilalao noho ny fanaovana fitakiana!

Nisy kosa ireo mpankafy baolina kitra nilaza fa rariny ny fitakiana sy ny fihetsik'ireo mpilalao. @ ankiecool ao Zimbabwe nanoratra hoe:

maratra ny foko raha mieritreritra ireo lehilahy miezaka mafy tsy amin'ny antony sy ireo mpitantana tenda an-kanina

Naverin'ny lahatsoratra [fr] tao amin'ny habaka Cameroun-footbuzz ny lohahevitra mikasika ireo mpitantana tenda an-kanina izay nilaza fa:

Dans la configuration actuelle, il nous apparaît plus juste que les footballeurs, principaux acteurs du football, bénéficient du fruit de leur labeur plutôt qu'il ne revienne aux médiocres qui gravitent autour de la sélection, vraisemblablement dans le but de s'engraisser…

Plutôt que de les vitupérer, ne devrait-on pas en être fiers ? Fiers de ces jeunes gens qui nous montrent la voie. Ces enfants qui, dans cette république particulière et répressive, n'ont pas manqué l'exceptionnelle opportunité de dire « STOP !!! »

Amin'ny toe-javatra ankehitriny, toa rariny raha mahazo ny valin-katsembohany ireo mpilalao baolina kitra, mpilalao baolina kitra fototra fa tsy ireo tsy hanino-tsy haninona manodidina ireo voafantina mikendry ny hampanankarena ny tenany

Tsy tokony hirehareha amin'ireo mpilalao ve isika toy izay hitrerotrerona amin'izy ireo? Mirehareha amin'ireo tovolahy mampiseho antsika ny lalana. Ireo ankizy izay, ao anatin'ny repoblika miavaka sy manafay, nahay manararaotra tsara ny fotoana miteny hoe “Ajanony!!”.

Mitovy hevitra amin'izany, bilaogera Ngimbis nanazava [fr] ny antony mahatonga ny ao Kamerona milaza ny fitiavan-tanindrazana ho lalan-tokana handehanana:

Pourquoi lorsqu’on parle de patriotisme, on en demande toujours plus aux sportifs, aux musiciens et autres artistes et non au fonctionnaire lambda ou au dirigeant x ? C’est simple : leur aura et leur talent ne sert qu’à cautionner le vol de hautes personnalités cachées dans l’ombre et qui les utilisent comme des marionnettes pour servir de caution à leur cupidité, leur avidité, leur malhonnêteté. Créateurs de richesses qu’ils ne mangent pas, voilà leur « devoir ».

Maninona isaky ny miresaka fitiavan-tanindrazana isika, dia mitaky betsaka hatrany amin'ireo mpanao fanatanjahatena, mpitendry mozika sy mpanakanto hafa, fa tsy amin'ireo mpiasam-panjakana na ireo eo amin'ny fahefana? Tsotra ny antony: ny laza sy ny talentan'izy ireo no natao hiarovana ny halatra ataon'ireo olona ambony eo amin'ny fitondrana miafina ao ambadika ireo sy mampiasa azy ireo (mpilalao, mpanakanto…) ho toy ny saribakoly hiantoka ny fitiavam-bolan'izy ireo sy ny fitiavan-karenan'izy ireo. Mpamorona harena nefa tsy mihinana, izay no “adidiny”.

Namehy ny adihevitra tamin'ny hafatra fohy izay nalefany [fr] tao amin'ny pejy Facebook-ny ny kapitenin'ny ekipam-pirenena, Samuel Eto'o fa efa vonona handao an'i Kamerona ny ekipam-pirenena:

Dommage pour ce beau pays qu'est le Cameroun, on a certains dirigeants amateurs quand même… mais malgré tout, nous gardons le sourire et surtout sommes fiers d'être Camerounais et de représenter notre pays dignement et valablement.

Mampalahelo fa manana mpitondra sasany tsy mahay loatra ity firenentsika mahafinaritra ity, dia i Kamerona… Na dia izany aza, mitsiky foana isika, ary mirehareha tanteraka amin'ny maha-Kameroney sy misolo-tena ny firenentsika amin'ny fomba mendrika sy marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.