Tantara tamin'ny 08 Avrily 2014
Hira Fandrotsirotsiana Zaza Avy Amin'Izao Tontolo Izao : Iza No Ironanao?
Tsy natao ho an'ny zazamenavava fotsiny ny hira fandrotsirotsiana fa natao ho an'ny efa lehibe ihany koa. Ampidiro ao amin'ny fampihatra vaovaon'ny PRI izay antsoina hoe The World's Lullabies ny feo mandrotsirotsy avy aminao.
Fifidianana Ben'ny Tanàna Ao Ekoatera: Fitsitontonganana Ho An'ny Governemanta?
Ny valim-pifidianana azo voalohany dia manambara fa resy ny PAIS Alliance, antoko eo amin'ny fitondrana ao Ekoatera tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tao amin'ny tanàna dimy be mponina indrindra ao amin'ny firenena : Guayaquil, Quito, Cuenca, Manta ary Santo Domingo.
Gadra Ao Amin'ny Fonjan'i Korydallos Any Gresy Namono Tena
Nampiasa ny Twitter ny voafonja hampielezana ny toe-draharaha iainan-dry zareo any am-ponja, mampihoron-koditra loatra ka nahatonga ny mpampanoa lalàna iray handà tsy hiditra hanao ny fanarahamaso any amin'ny toera-pitsaboan'ny fonja satria “manana ankohonana” izy.
Olan'ny Tontolo iainana : Namono Biby An'arivony Ny Haintany Any Kolombia
Biby maherin'ny 20 000 no nolazaina fa maty vokatry ny haintany any Casanare, Kolombia. Ampiasain'ny mponina ny tambajotra sosialy mba hitarihina ny saina ho amin'io olan'ny tontolo iainana ilaina vahàna haingana io.