Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fifidianana Ben'ny Tanàna Ao Ekoatera: Fitsitontonganana Ho An'ny Governemanta?

Raha nivoaka ny vokatra tsy ofisialy voalohan'ny fifidianana tao Ekoatera, dia toa tsy nahazaka ny fahareseny ny antoko teo amin'ny fitondrana, dia ny “PAIS Alliance” izany, resy tamin'ny fifaninanana tamin'ny fifidianana ho ben'ny tanàna tao amin'ireo tanàn-dehibe miisa roa farafahakeliny izy [es]. Tao Quito renivohitra, nandresy an'i Augusto Barrera, tompon-toerana avy amin'ny PAIS Alliance i Mauricio Rodas [es] avy amin'ny antoko SUMA-Vive, efa hahatratra 20 isan-jato ny vato azony. Tany Guayaquil izay tanàn-dehibae lehibe indrindra, hiditra amin'ny fitantanan-draharaha faha-4 i Jaime Nebot ben'ny tanàna eo an-toerana, raha avy nandresy ny kandidà Viviana Bonila [es] avy amin'ny antoko PAIS Alliance tamin'ny 23 isan-jato

Kisary maneho ny valin'ny fitsapan-kevitra natao teny ambavahadin'ny tsena momba ny fifidianana ben'ny tanàna tany Quito sy Guayaquil

Mbola nisy valim-pifidianana hafa nanaporofo sy nanampy trotraka ny fahavoazan'ny governemanta. Ny kandidà natolotry ny PAIS Alliance hofidiana ben'ny tanàna dia nolavin'ny mpifidy tao amin'ny tanàna lehibe indrindra miisa dimy [es] — Guayaquil, Quito, Cuenca, Manta, ary Santo Domingo — aleo tsy horesahana ny faharesen'izy ireo tany amin'ireo faritra madinika.

Narehidrehitry ny fampisaintsainana mikasika ny antony naharesy ny PAIS Alliance ny tao amin'ny Twitter :

Resy ny AP [fanafohezana ny hoe Alianza PAIS na PAIS Alliance] satria avelany mitsikera sy miatrika ny vahoaka izay manana fomba fijery hafa ireo minisitrany, ireo olony ao amin'ny antenimiera ary ny namany.

Tsy very na inona na inona i Quito… Nahazo toerana malalaka avy amin'ny karazana politika ratsy nataon'ny vondrona AP izy… Tadidio tsara izany.

Vaovao farany : Votsotra tamin'ny AP i Guayaquil, Quito, Cuenca, Machala, Manta, Portoviejo, Loja, Duran, Milagro sy Ambato. Kapoka mahery ho an'ny hambom-pony izany.

Lesona lehibe ho an'i Rafael Correa [filohan'i Ekoatora]: (1) Mety ho resy koa ianao, (2) Tsy mahavita ny rehetra ny dokadoka, (3) Tsy tsara ny fiavonavonana, (4) Aza manadino ny tany niaviana [toerana niaviana na tanàna nahaterahana]

Na dia afaka nieboebo ho nahazo taha ambony amin'ny fankatoavan'ny vahoaka aza ny filoha Correa fotoana fohy talohan'ny fifidianana [es], dia toa hita fa nisy voka-dratsy ny fidirany an-tsehatra tamin'ny fampielezan-kevitra, indrindra fa tany Quito

Niaiky ny voka-pifidianana i Correa ary nilaza tao amin'ny gazety El Comercio fa nisy fahadisoana telo natao tamin'ny fampielezan-kevitra : “Voalohany, ny fiaraha-niasa tamin'ireo mpitantana ny tanàna tsy mahavita azy ; faharoa, ny endriky ny fisehon'ny fampielezan-kevitra rehefa nandroso ny fifaninanana; ary fahatelo, ny tsy fananan'ny governemanta fahalalahan-tsaina.

Tsy miombon-kevitra amin'izany daholo anefa ny ao amin'ny Twitter:

Nahita fahadisoana telo ny filoha Rafael Correa tao Quito: tamin'ny fitantanana ny tanàna, tamin'ny fampielezan-kevitra, ary ny tsy fahalalahana ara-tsaina. Ary ahoana kosa ny momba ny fandraisany anjara manokana ?

Lesona ho an'i Correa: 1. Tsy afaka ifanerena ny fitiavana sy ny fifidianana . 2. Vidiana lafo ny fahadisoana. 3. Ao anatin'ny vata fandrotsaham-bato no anaovan'ny vahoaka ny fanasaziana.

Na dia izany aza, tsy resy foana akory ny AP tany rehetra tany. Tamin'ny fifidianana ireo “prefets” an'ny faritany ohatra, nahazo faritra iraika ambinin'ny folo tamin'ny telo ambiroapolo ny AP , nitombo isa roa raha ampitahaina tamin'ny fifidianana tamin'ny 2009. Tsy mbola vokatra feno tanteraka ny mombamomba ireo ben'ny tanàna nandresy tamin'ny fifidianana tany Ekoatora, fa vinaniana hahazo ny ampahany betsaka indrindra amin'ireo ben'ny tanàna ao amin'ny firenena ny PAIS Alliance.

Toy izao ny antsiirihan'ny fifidianana ho an'ireo prefektiora

Nandeha tam-pilaminana ny fifidianana tamin'ny ankapobeny, misy ihany ireo olana vitsivitsy nitranga. Niteraka fahasorenana ny fitaovana nampiasaina entina hanafainganana ny fanisam-baton'ny filan-kevi-pirenena misahana ny fifidianana sy ny fanavaozana natao mikasika ny voka-pifidianana, satria mifanitsaka amin'ny fanisàna sy ny famoahana ny valim-pifidianana marina avy amin'ireo tanàna maro manerana ny firenena ireny olana ireny.

Tsy nisy vaovao avy amin'ny rafitra nentina hanafainganana ny fanisam-bato

Nanamarika i Elector Ecuador, mpampiasa Twitter, fa ny andron'ny fifidianana dia “nahindrahindra” tao amin'ny Twitter ny tenifototra iray entina hamaritana ny PAIS ALLIANCE, raha atao amin'ny teny hafa dia nandoa vola ilay antoko mba hisongadina tsara tao amin'ilay tranonkala. Tsy midika ho fandikàna ny lalàn'ny fifidianana anefa izany.

 

Ny andron'ny fifidianana, nahindrahindran'ny @35Pais tao amin'ny Twitter ny tenifototra #TodoTodito35

Handray ny asany ny 14 May i Mauricio Rodas, ben'ny tanàna voafidy tao Quito.

Mauricio Rodas: “Ny demaokrasia no tena mpandresy androany”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.