Tantara tamin'ny 13 Oktobra 2013
Miaraha Aminay Ao amin'ny “The Bridge”
Lahasa manokan'ny Global Voices miaraka amin'ny "The Bridge", ilay sokajin-dahatsoratra vaovaonay natomboka ny 10 Oktobra.
Portiogaly : Fifidianana Manamarina Ny Tsy Fitokisan'ny Olona Ireo Antoko Politika
Tsy fahatongavana mifidy, vato maty, vato fotsy ary mpifaninana tsy miankina. Ireo no safidin'ny antsasa-maherin'ny mpifidy tamin'ny fifidianana farany teo tany Portiogaly.
Libido, Horan-tsary Fanadihadiana Nisarika Ny Ejiptiana Hiresaka Momba ny Firaisana Ara-nofo
Libido dia horonan-tsary fohy iray miresaka momba ny ara-pananahana ao Ejypta. Ankoatran'ny hetsika tao amin'ny aterineto, dia nanao famotopotorana akaiky sy resaka tamin'ny mpanatontosa horonan-tsary Youssef Aliman i Ahmed Awadalla avy ao amin'ny Global Voices Online.
Tsy Dia Sambatra Loatra i Espaina
Araka ny fikarohana nataon'ny Anjerimanontolo Carlos III ao Madrid, mitàna ny laharana faha-49 amin'ireo firenena 112 ny teratany Espaniola eo amin'ny lafiny fahasambarana.
Mpampianatra Mitokona Ho Fiarovana Ny Teny Katalana Ao Amin'ny Vondro-Nosy Espaniola Baleara
Manohitra ny lalàna vaovao momba ny fampianarana izay manolo ny fitenim-paritra Katalana any an-tsekoly amin'ny tenim-pirenena telo ny fihetsiketsehana sy fitokonana tsy voafetra ataon'ireo mpampianatra eny an-dalambe.